Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Febroary, 2012
Zeorzia: Fampielezan-kevitra Ao Amin'ny Aterineto Mikendry Ny Pejy Facebookin'ny Filoham-pirenena Rosiana
Miaraka amin'ireo miaramila Rosiana mitoby any amin'ireo faritra mpampisarakan'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo, an-jatony ireo Zeorziana mitaky ny fialàn'izy ireo ao amin'ny pejy Facebookin'ny filoham-pirenena Rosiana.
Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana
Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany, nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy...
Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana
Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.
Tonizia: Nofoanan'ny Fitsarana Ny Didy Hanivana Ny Porno
Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny 15 Aogositra 2011. Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly
Iran: Tapaka ny Aterineto Ny Andro Alohan'ny Hetsi-panoherana
Zava-misy iainana isan'andro ao Iran ny aterineto miadam-pandeha sy ny fanivanana, saingy tamin'ny farany teo, nilaza ny tati-baovao tao an-toerana fa nanjary tsy azo nidirana ny mailaka sy ny tranokala voaaro (https:)...
Portiogaly: Hetsi-panoherana Ny ACTA
Tamin'ny 11 Febroary 2012, tanàna maherin'ny 200 manerana izao tontolo izao no nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana manerantany ho fanoherana ny ACTA – ny tetikasa fifanarahan'ny firenena maro manohitra ny varotra hosoka (Anti-Counterfeiting Trade...
Madagasikara : Fientanan'olon-tsotra Ho Fampahafantarana Mikasika ny Rivodoza Giovanna
Nifanome tanana ny bilaogera Malagasy ka namorona sehatra iray hanarahamaso sy handrakofana ny fizotry ny rivodoza Giovanna izay niditra ny faritra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny 11 ora alina, ora ao an-toerana....
Makedonia: Mikatona Ny Famoahana Mangarahara An-Tserasera ny Fahalotoan'ny Rivotra Ao Skopje
Nitsaha-ketrika nanomboka ny fiandohan'ny taona 2012 ny rafi-panaraha-maso antserasera "Fisefoana Skopje" mampafantatra ny olona ny taham-pahalotoan-drivotra. Mandika antsoratra ny fanazavan'ny ONG iray ao an-toerana ny tokony hanarenana ity fitaovana sarobidy ity ho antsika i Filip Stojanovski.
Kyrgyzstan: “Tsy Hisy Ririnina Amin'ity”
Midoboka ireo governemanta, mivezika etsy eroa ireo mpitarika parlemantera ary satria rehefa tapitra ny vanintaona iray dia manomboka kosa ny iray hafa. Izany, farafaharatsiny, no noheverin'ireo Kyrgyz mpampiasa aterineto talohan'ny fanambarana miezinezina nataon'ilay mpifaninana ho floham-pirenena teo aloha Arstanbek Abdylayev fa hoe “tsy hisy ririnina amin'ity”.