· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2012

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.

30 Mey 2012

Lahatsary: Asehon'ny Robot Antsika Ny Fomba Hiarovan-tena Ao Amin'ny Aterineto

Lalana sarotra izay matetika saro-takarina tsy hay hoe atao ahoana ny fiarovan-tena ety amin'ny aterineto. Miezaka ny mampahafantatra ny olona ny Tactical Tech Collective ny amin'ny mba hiarovany tena amin'ny aterineto, amin'ny alalan'ny fampiasana torohevitra an-tsarimihetsika, izay azo jerena amin'ny aterineto na sintonina ho anaty solosaina, miaraka amin'ny robot kely mihetsiketsika mahafinaritra.

16 Mey 2012

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Akon

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana] izay tsy iza fa i, reggamortis1 [ru], ilay nampita ny fivorian'ny mpanohitra sy ny hetsi-panoherana ao Moskoa.

12 Mey 2012

Kenya: Loka Bilaogy Bake 2012

Nanolotra loka ho an'ireo mpamahana bolongana nandefa lahatsoratra, ahitana haisoratra lehibe sy mahasoa, manintona sy ahitana zava-baovao ny Fikambanana Mpamahana bolongana ao Kenya (BAKE) tamin'ny 5 Mey 2012. Avy amin'ny ezaka...

10 Mey 2012