Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2022
Amrit Sufi, nitondra ny teny Angika tandindonin-doza amin'ny sehatra nomerika
Niantsafain'ny Rising Voices i Amrit Sufi, mpikaroka sady mpampianatra ambony miasa amin'izao fotoana izao amin'ny fandraketana ankihy ny fiteny sy ny kolontsaina am-bava tandindomin-doza any India.
Notohizan'i Shanghai ny fihibohana na dia mitaraina, lany vatsy sy mikorontana aza ny vahoaka,
Ao anatin’ny fisavorovoroana ny tanàndehibe satria maro ny mponina ao anatin’ny fihibohana no lany sakafo, tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana mahazatra, ary sahirana amin'ny fividianana entana ilaina andavanandro.
Noraràna vonjimaika nandritra ny fihetsiketsehana ny sehatra media sosialy tao Sri Lanka
Naverina tamin'ny laoniny ny sehatra media sosialy ao Sri Lanka, anisan'izany ny Facebook, YouTube, Twitter, WhatsApp, ary Viber, taorian'ny fandraràna 16 ora mba hampitsaharana ny hetsi-panoherana ny governemanta ao anatin'ny fitohizan'ny krizy ara-toekarena.
Atolotry ny Global Voices Advox ho anao ny tetikasany vaovao “The Unfreedom Monitor”
Ny The Unfreedom Monitor dia fisantarana andraikitra mamakafaka ny fitomboan-trangan-tsirefesimandidy mitambajotra na ankihy. Avoitran'ny tatitra tany am-piandohana ireo kasinga mitarika anakany amin'ny fielezany.