Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2015
Ny Fomba Nanosehan'ny Media Sosialy Ny Fankafizan'ireo Shinoa Ny Fandidiana Fanovàna Endrika
Mba handresena lahatra ireo tanora tovovavy marobe hiroso horasarasain'ny antsiny ka ho lasa tsara tarehy, mampiasa tetikadim-barotra matanjaka ety anaty media sosialy ny indostrian'ny fandidiana fanovàna endrika ao Shina.
Tanzaniana Roa Lahy Nampangaina Ho Nandefa “Vaovao Tsy Marina”, Miatrika Fanamelohana Araka Ny Lalàna Vaovao Mifehy Ny Heloka Bevava Amin'ny Aterineto
Araka ny voalazan'ny fanjakana, efa nandika ny Andininy faha-16 amin'ilay Lalàna momba ny Heloka bevava atao amin'ny aterineto ireo lehilahy roa ireo, izay mandrara ny "famoahana vaovao tsy marina". Vitsivitsy ihany amin'izao fotoana izao no fantatra momba ny raharahan'izy ireo.
Netizen Report: Mampanantena Hanamafy Ny Sivana Antserasera i Oganda
Tandindonin-doza ny fahalalaham-pitenenana ao Afrika Atsinanana: Mpisera Facebook roa no voampanga tamin'ny lalàna mifehy ny heloka antserasera ao Tanzania.
Iraniana-Amerikana Filoha Vaovaon'ny Twitter, Ny Fanehoankevitry Ny Iraniana
Tokony havelanareo any i Omid Kordestani. Na Iraniana iray aza tsy arahany. Azafady, aza dia mitabataba tahaka izao satria fotsiny hoe Iraniana izy. Misaotra.
Futureplaces: Mampiantrano ny laboratoaran'olompirenena misahana ny media i Porto
Niverina ao Portiogaly manomboka ny 20 ka hatramin'ny 24 oktobra ny hetsika fanao isan-taona izay mahatonga ny tanànan'i Porto ho “laboratoaram-pampitam-baovao ho an'ny olompirenena”.
VAOVAO MAFANA: “Afaka” Tamin'ny Vesatra Fampihorohoroana ireo Bilaogeran'ny Zone9 Ao Etiopia
Maro no mametraka teny toy ny hoe "fanafahana", "fitsaràna" sy "fahefam-pitsaràna" any anatin'ny fitanisàna ataony mba hanipihana ny haavon'ny fanehoan'ilay raharaha ny tsy fahatomombanan'ny rafi-pitsaràna ao Etiopia.
“Ho an'ireo Tsy Mahavita Intsony Mandeha Mifidy Amim-pahavitrihana”
"Tsy misy tokony ho andrasana intsony amin'ireo izay mitondra antsika." Misy hetsika ataon'olon-tsotra mandray an-tànana ny raharaha.
Tandremo, ry Aterineto, Manana Ny Polisin'ny Aterineto Azy Manokana i Okraina
Nomena andraikitra hiaro ny firenena sy ny olom-pirenena manoloana ireo hetsika tsy manjary atao amin'ny aterineto ilay polisy vaovao hisahana ny aterineto Okrainiana, ary andrandraina hahavita tsara noho ireo teo alohany
Antsipiriham-Baovao Tafaporitsaka Momba Ny Drafitra Rosiana Hametraka “Aterinetom-Pirenena”
Avoitran'ny poritsaka iray vaovao avy amin'ny "Anonymous International" ny sosokevitry ny governemanta Rosiana momba ny fotokevitra “sehatra fampitambaovao nasionaly” ao Rosia, izay manoritsoritra ny famoronana tolotra aterineto natokana fotsiny ho ampiasain'ny Rosiana.
Netizen Report: Manjohy ny Làlan'i Rosia i Shina, Mitàna Ireo Angon-drakitr'ireo Mpampiasa Ho Eo An-tànan'ny Governemanta
Ny herinandron'ny 24 Septambra, nandefa ireo mpanao lalàna Indiana ho eny amin'ny fanaovana kisarisary ny hatezerana naterak'ilay volavolan-dalàna momba ny fanasiana fanafenana. Eo ankilany, mamerina mamikotra ny fahefana eo aminy ireo mpitondra Iraniana amin'ny alàlan'ilay Filankevitra An-tampon'ny Seraseran'ny Aterineto ao amin'ny firenena.