Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2022
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
Efa vita tatitra momba ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Zimbaboe izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?
Misy ny fitsipika iray manery ny orinasam-pifandraisana (telcos) hanakana sy hanivana ny lisitry ny URL, ary "manara-maso isan'andro" ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa nohavaozina izany.
MIVANTANA amin'ny 22 Septambra: Jadona ara-teknolojika ao India
Narahin'ny fomba fanao isan-karazany izay manakana ny fahalalahan'ny olom-pirenena ny fanitsiana nomerika haingana ao India. Miaraha aminay amin'ny 22 septambra ho amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanosehana ny olom-pirenena.
Nampiana marika nomerika miafina ny sehatra media sosialy Shinoa hanaraha-maso fizarana pikantsary
Farafahakeliny sehatra media sosialy Shinoa roa no nanampy script tamin'ny tranonkalany sy ny fampiasany mba hamoronana marika nomerika miafina hanaraha-maso ny mpisera voalohany izay nizara pikantsary.
CIMER: Sehatra revôlisiônera iray sa fitaovana fitorohana eo an-tànan'ireo mpiaradia amin'ny fanjakana?
Napetraky ny Antoko eo amin'ny fitondrana "Rariny sy Fandrosoana" tamin'ny 2015, ny tolotra CIMER dia natao handefasan'ireo olompirenena tiorka ny "olan'izy ireo, ny fitarainana sy fangatahana" mankany amin'ny filoha.
Tatitra Unfreedom Monitor: Fampahalalam-baovao
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny fandisoam-baovao, ny fampahalalam-baovao diso, ary ny torohay ratsy fampita. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Nahoana ny “kiswahili” no tsy lasa teny fampiraisana an'i Afrika?
Na eo aza ny finiavan'ny firenena marobe handray ny Kiswahili ho toy ny fiteny mampiray, dia mbola mijanona ho sakana tsy hampahomby azy ny tsy fitoviam-pijery amin'ny resaka jeôpôlitika sy ny dindon'ny avy any ivelany
Nampiasain'ny polisy Indiana ny sioka taloha hisamborana mpanao gazety Miozolomana fantatra ho nampiharihary vaovao tsy marina
Nahazo fanamelohana maro ny fisamborana ilay mpanao gazety indiana sady mpiara-manorina ny tranokalam-panamarinam-baovao AltNews, Mohammed Zubair, noho ny sioka tamin'ny taona 2018.