Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2015
Tetikasa Mapping for Niger : Ny Tantarany sy ny Vinavinany
Mitantara ny fiandohan'ny tetikasa Mandrakitra an-tsarintany ho an'i Nizera sy ny hoaviny i Fatiman Alher.
Taorian'ireo Fipoahana Nahafatesana Olona 43, Manontany i Libanona Hoe : “ Ahoana Ny Momba Anay?”
Zava-doza samy namely an'i Beiroty sy Parisy, tamin'ny fanapoahana baomba nolazain'i ISIS ho nataony. Raha nahazo fampiasa antsoina hoe "safety check" tao amin'ny Facebook ry zareo Pariziana, ry zareo Libaney kosa nanontany ny antony tsy niraharahàna an-dry zareo.
Tanzaniana Efatra Voampanga Noho Ireo Vaovao Politika Nalefany Tamin'ny WhatsApp
Tanzaniana efatra no nosamborina sy voaheloka noho ireo tsikera politika nalefany tamin'ny fampiasàna fandefasan-kafatra WhatsApp.
Sioka Dimy Voalohany: Mamazivazy Ny Sivana Amin'ny Aterineto Ny Iraniana
Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy ny fikorontanana vao haingana tamin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram. Nanararaotra izany ireo mpiserasera Twitter ao amin'ny firenena mba haneho fitarainana ankapobeny bebe kokoa momba ny aterineto miadam-pandeha, lafo vidy sy voasivana loatra, fantatry ny Iraniana sasany amin'ny hoe 'filternet'.
Volavolan-dalàna Vaovao Mangataka Ny Hibahanana Ny WhatsApp Sy Google Tsy Ho An'ireo Rosiana Manampahefana
Fanalahidin'ny fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana ny fandraràna ny tsy hampiasàn'ireo Rosiana mpiasam-panjakana ny tolotra avy any ivelany toy ny Google, Yahoo!, ary WhatApp , hoy ny Rosiana iray mpanao lalàna.
Niova hevitra i Rosia, nangataka tamin'ny Twitter amin'ny hametrahana ny rakitahirin'ny Rosiana ho ao an-toerana ihany
Teo aloha ny Roscomnadzor niteny fa afaka amin'ny fepetran'ny lalànan'ny fametrahana fangitra rakitahiry ny Twitter satria tsy azo heverina ho "fampahafantarana manokana" ireo rakitahiry nangonin'ny Twitter.
Netizen Report (Tatitry Ny Mpisera Anaty Aterineto): Mitady Vaha-olana Amin'ny Fitsipiky Ny Angon-kevitra Ao Amin'ny Vondrona Eoropeana Ny Kaompanian'ny Teknolojia Amerikana Aty Aorian'ny Tontolon'i Snowden
Mamoaka ny lisitra maintin'ny Aterineto amin'ny fomba fanao Rosiana i Okraina, navotsotr'i Kiobà ilay mpanakanto-bilaogera "El Sexto" rehefa notànana 10 volana an-tranomaizina, ary nogadrain'i Bahrain noho ny fanompàna ny mpanjaka i Zainab Al-Khawaja.
Netizen Report: Lalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Meksikana Tsy Izy
Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Manao fanangonan-tsonia hanoherana ny halafon'ny aterineto ny Mozambikana
NItsambikina ny saran'ny aterineto tao Mozambika noho ny fanapahan-kevitry ny Ivontoerana Nasionaly Misahana ny Fampitan-Kafatra (INCM) hanapaka ny fanampiana ireo mpanome tolotra aterineto ao an-toerana hatramin'ny 75%, izay manimba ny toeran'ny governemanta milaza ho mpomba ny aterineto.