· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Janoary, 2018

Ireo Mpanoratra Any Goatemala

  25 Janoary 2018

Ao Goatemala, mahita ny ankamaroan'ireo mpanoratra fa tena sarotra ny mamoaka boky, ary mbola sarotra kokoa aza ny manao izany hahazoana tombony. Miasa ho mpanao gazety, mpandalina, injeniera izy ireo matetika. Vitsy amin'izy ireo no tena manokana ny tontolo androny amin'ny fanoratana, ary ny ankamaroany dia tsy fantatra ao an-toerana.

Makedonia : Manamafy Ny Filàna Serasera Malalaka Amin'i Gresy Ireo Mpitoraka Bilaogy

Ao anatin'ny korontana anatiny naterak'ireo hetsiky ny Grika hisakanana ny fidiran'i Makedonia ho ao amin'ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana, ary noho ny fitombon'ny isan'ny tatitra momba ny fanafihana ireo Makedoniana mpamily fiarabe ataon'ny hetsika nasionalista any Gresy ( famaliana ôfisialy), dia maro ireo makedoniana mpitoraka bilaogy no miezaka manentsina ny hantsan'ny tsy fahalalàna misy eo amin'ny firenena roa tonta

Bilaogera Maraokana Mitokona Ho an'i Erraji

Raha nosamborina tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Maraokana Mohammed Erraji, nitodika avy hatrany tamin'ny raharaha momba an'i Fouad Mourtada ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'i Mourtada tamin'ny niatrika fampidirana am-ponja, nihetsiketsika ny bilaogera Maraokana mba hanohana an'i Erraji.

Shily: OLPC sy ny Politika 2.0

  23 Janoary 2018

Tena gaga ireo bilaogera Shiliana hatramin'izao amin'ilay solosaina finday 100 dolara Amerikana, OLPC. Saingy ahoana no hahatongavan'ny fitaovana vaovao, natao hamenoana ny hantsana nomerika any Shily? Inona no idiran'ny solosaina finday amin'ny politika?

Nandefa Fanomezana Taombaovao Ho An'i Kambodza ny Google

  20 Janoary 2018

Gaga ireo mpisera Google any Kambodza raha nahita fa rehefa mitsidika ny www.google.com izy ireo, dia mitondra azy ireo any amin'ny anaran-tsehatra www.google.com.kh ny tranonkala. Tany am-piandohan'ny volana Desambra, nanangana ny anaran-tsehatra Google Cambodia ny Google.