· Septambra, 2016

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2016

WikiLeaks: Mivadika Ôrera

Na amin'ny lasibatry ny fanolanana na amin'ny famoahana ny anaran'ireo antoko demaokraty, lasa mirona amin'ny fampahafantarana manokana mety hanohintohina ireo olon-tsotra ny famoahana tsiambaratelo ataon'ny WikiLeaks ankehitriny.

13 Septambra 2016

Manararaotra Ny Tsy Fahatomombanan'ny Android Ireo Mpijirika Hikendrena Ireo Mpikatroka Iraniana

GV Mpisolovava

Nahafantatra ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran fa nanamafy ny ezaka hidirana an-tserasera ao amin'ny kaontin'ny mpikatroka ny zon'olombelona iraniana ireo mpijirika ahiahiana ho tohanan'ny fanjakana tao anatin'ny herinandro maromaro izay tamin'ny alàlan'ny fanararaotana ny tsy fahatomombanan'ny Android amin'ny smartfinday.

10 Septambra 2016

Manontany Ny Indiana: Tena Heloka Tokoa Ve Ny Fitsidihana Ny Habaka Torrent?

GV Mpisolovava

"Nandràra ireo habaka torrent mielipatrana isan-karazany nandritra ny fotoana maharitra i India - vaovao taloha izany. Saingy eo ambanin'ny politika federaly vaovao ao India, azo gadraina mandritra ny telo taona sy mandoa onitra 300.000 Ropia indiana (~ 4464 dolara Amerikana) ny olona izay tratra mampiakatra votoaty ao amin'ireo tranonkala nakatona."

08 Septambra 2016