Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2016

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2016

31 Marsa 2016

Tranonkala Rosiana Iray Mampiasa Ny Tambajotra Selan-Koza-Tatitra Hanambàrana Sary, Mamoaka Sary Mahatalanjona

Akon'ny RuNet

Tranonkala Rosiana iray mifototra amin'ny algôritiman-tambajotra selan-koza-tatitra no mamela ny mpiserasera aterinety hanambatra sary sy asan-javakanto ka miteraka sary mahavalalanina.

Hisokatra Ao Rosia Ny Foibe Fanarahamaso ny Propagandy sy ny Fandisoam-Baovao Ato amin'ny Aterineto

Akon'ny RuNet

Efa manana sampan-draharaha miasa amin'ny fanoherana sy famaliana ireo fanafihana an-tserasera i Rosia, saingy ny foibem-baovao ao Innopolis no ho voalohany amin'izany karazany izany, dia ny fanaraha-maso sy fisorohana ny fanafihanam-baovao amin'ny aterineto.

30 Marsa 2016

Polisin'i Moskoa Voarara Miresaka Asa Ao Amin'ny Media Sosialy

Akon'ny RuNet

Tsy azon'ny polisin'i Moskoa iresahana lohahevitra miompana amin'ny asa na fifanakalozana lahatahirim-pampiharan-dalàna amin'ny fomba ofisialy intsony ankehitriny ny VKontakte, Facebook, Twitter, Telegram ary ny WhatsApp.

27 Marsa 2016

Fitsarana Any Maraoka: Nahemotra Indray Ny Fitsarana Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona

GV Mpisolovava

Anisan'ireo voampanga i Hicham Khribchi na i Hisham Almiraat , dokotera mpitsabo sady mpikambana tranainy ato amin'ny Global Voices

25 Marsa 2016

Tetikasan-tsarintany Japoney Mandrakitra Ny Fivezivezena Farany Nataon'ireo Niharam-boinan'ny Tsunami 2011

Tetikasa fandraketana an-tsarintany vaovao mamantatra ny fotoana farany niainan'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany sy ny Tsunami tamin'ny Martsa 2011 tao Japana.

24 Marsa 2016

Ny Sanda Tsy Lazaina Anao Rehefa Miditra Aterineto Ao Espaina : Ny Aretin-tsainao

Ny Tetezana - The Bridge

Mitambatra ho herinandro ireo andro iandrasana ny fametrahana ny aterineto. Mahatsapa mangidy ianao. Mahatsapa tsy manana hery. Karohanao ao amin'ny google ny hoe “Kafkaesque”.

23 Marsa 2016

Nolazain'i Yahoo Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Voalohany Avy Amin'ny Governemanta Rosiana

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Sambany i Yahoo nitatitra ho nahazo fangatahana fanesoram-botoaty avy amin'ny governemanta rosiana amin'ireo servisy tahaka ny Flickr sy ny Vondrona Yahoo.

Azia Atsimo Atsinanana Avy Amin'ny Mason'ny Vorona? Andramo Ato Ny Hitan'ny Mpanamory Sambondanitra

Ny renivohitr'ireo firenena aziatika atsimo atsinanana no anisan'ireo be sary nalaina sady malaza andehanan'ny olona indrindra eto amin'izao tontolo izao. Saingy tahaka ny ahoana moa ny endrik'izy ireo avy eny an-habakabaka?

18 Marsa 2016

#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina

GV Mpisolovava

Dimy volana izay, nanjavona tao amin'ny fonja ao Damaskosy, nigadrany nandritra ny efa-taona ilay Syriana mpikirakira tranokala, Bassel Khartabil: Miaraha amin'ireo mpanohana azy ary alefaso ny fanontaniana #WhereisBassel (Aiza i Bassel) ?

16 Marsa 2016

Ankehitriny, Mahazo SMS Ny Ray Aman-dreny Rosiana Raha Mikaroka Ny ISIS Ety Anaty Aterineto Ny Zanany ISIS Online

Akon'ny RuNet

Rafitra rindrankajy vaovao iray no mampanantena fa hanaitra ireo ray amandreny Rosiana momba izay mahaliana ireo zanany amin'ireo resaka mahery fihetsika sy hetsiky ny vondrona ISIS hita ao anaty media sosialiny.