Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2015
Ankizivavy vs. Andriambavilanitra: Voaisa Ny Andron'ny Jadona Mavokely
Mamporisika ireo ankizivavy tsy hamela ireo fitafy misarika filàna, ireo kiraro avo vodi-tongotra, sy ireo ankosotra ary ny oroky ny andriandahy hangalatra ny zony ary hanapa-kevitra ny amin'izay tiany haha-izy azy, ny lalao virtoaly iray vita ao Bolivia.
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Mitari-dalana Amin'ny Halakin'ny Fitroham-botoaty an'aterineto Ao Amerika Atsimo i Orogoay, i Shily Ary i Brezila
Ny taha ankapoben'ny aterineto ao Amerika latina dia 7,3 Mbps, ary firenena telo ihany no manana fitosahana ambonin'izany : Orogoay, Brezila, Shily.
Sazian'i Tajikistan ireo mpanakanto mpanitsakitsaka ny lalàm-pifamoivoizana
Tahaka ireo tanàna Sovietika taloha maro, dia manana kolontsaina fitondrana fiara mivantana avy amin'ny sarimihetsika Fast and Furious i Dushanbe. Mandrisika ny fikivilavilana anaty hafaingan-mpandeha ny lalana feno lavadavaka.
Mahazo Fitiavana Maro Avy Any India Ny Filoha Tale Jeneralin'ny Google, Sundar Pichai
Namorona orinasa lehibe, Alphabet i Google, ary Filoha Tale Jeneraly vaovao ho an'i Google, Sundar Pichai. Niarahaba ny fitantanana vaovaon'i Pichai, tamin'ny fiarahabana, hainteny ary hanihany, ireo Indiana mpampiasa media sosialy.
Manova Ny Fiainan'ny Tsirairay Ny Olan'ny Tsy Fahampian'ny Angovo any Zambia. Ary Tsy Amin'ny Tsaratsara Kokoa.
Nisy fahatapahan-jiro efa ho nanerana ny firenena mihitsy tao Zambia tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nitondra tamin'ny fanenàna goavana ny famatsiana herinaratra tao amin'ny firenena. Misy fisehonà "fahatapahan-jiro" vaovao indray manandrakandrana ireo mpanjifa sy ireo mpiasa.