Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2008
Nikaragoà: Nivelatra noho ny fiaraha-miasa ny tontolom-bolongana
Nihanivelatra tao ho ao ny tontolom-bolongana Nikaragoana ary isaorana noho izany ny mpamaham-bolongna samihafa sy ireo mpampiasa ny Twitter. Indro ny resadresaka fohifohy niarahana tamin'i Alvaro Berroteran ilay nisantatra tetikasa iray antsoina hoe Nicaragua y Su Blog izay nanandratra ny bolongana Nikaragoana. Niara-niasa tamin'ny hafa kosa aloha izy tamin'ny fananganana bolongana iraisan'olona maromaro sy nametraka vondrona Facebook vaovao.
Madagasikara : Rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy
Ny namana Dotmg no nanolotra ny vaovao fa efa mihodina tanteraka ankehitriny ary amin'ny fomba maimaim-poana ilay rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy izay novoizina ary nampahalalainy nandritra ny Barcamp farany tany...