Hazakazaka Madinika Manerana ny kianjan'i Tiananmen : Inona No Mitranga Rehefa Mifanehatra Amin'ny Fitondràna Mpanao Jadona Shinoa Ny Facebook ?

Mark Zuckerberg mihazakazaka eny amin'ny kianjan'i Tiananmen tamin'ny Martsa 2016. Sary tao amin'ny Facebook.

Nandeha nivahiny tao Shina i Mark Zuckerberg, Talen'ny Facebook, tamin'ny Martsa 2016

Nandritry ny fivahinianany tao Beijing, nanao hazakazaka madinidinika i Zuckerberg. Koa satria izy toy ny efa mpizahantany tsy tapaka, nizara fanavaozambaovao tamin'ireo namany any Silicon Valley, hoy izy nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny :

Mahafinaritra izany hoe tonga eto Beijin izany indray ! Natomboko tamin'ny hazakazaka madinidinika teo an-kianjan'i Tiananmen ny fitsidihako, nandalo tao amin'ilay Tanànan Voaràra ka hatrany amin'ny Tempolin'ny Masoandro.

Tena niavaka tamin'ny sehatra rehetra izany. Tsy afaka nidirana Facebook foana hatramin'ny taona 2009 ao Shina, araka ny fanamarihana nataon'ireo mpanaraka an'i Zuckerberg– fa raha ny zavamisy, ahoana no fomba nandefasany izany fanavaozambaovao izany ? Ny hafa nanamarika ny zavon-tsetroka mihalohalo ery aoriana.

Kanefa marobe ireo mponina anaty aterineto no naka ny pitsopitsony tamin'io fihazakazahana tsotra manerana an'i Beijing io. Ny Kianjan'i Tiananmen, hoy izy ireo, dia tsy toerana ho an'ny daholo be tsotsotra fotsiny. Raikitra ny fifamaliana tamin'ireo mpampiasa aterineto teo amin'ny faritra natao ho fanehoankevitra teo an-tsisin'ilay hafatra — ny ankamaroany voasoratra tamin'ny teny shinoa—mikasika ny zava-nisy marina 29 taona lasa izay, teo an-kianjan'i Tiananmen ny 4 Jona, 1989.

Mpampiasa aterineto iray no nanoratra fa tamin'io daty io, 29 taona amin'ity herinandro ity, mpianatra 6 400 no nanao fihetsiketsehana am-pilaminana notifirina sy novonoin'ireo polisy. Nisy iray nandà izany tamin'ny filazàna fa izay namely ny polisy ihany no notifirin'izy ireo. Samy nanome vinavina samihafa ùmomba ny isan'ireo mpianatra maty tamin'io andro io avokoa ireo mpampiasa aterineto.

Maro ireo mpampiasa aterineto no nanao fanamarihana momba ny haloton'ny rivotra sy ny zon'olombelona taorian'ny nandefasan'i Mark Zuckerberg mikasika ny hazakazaka madinika nataony nanerana ny Kianjan'i Tiananmen ny volana Martsa 2016 iny.

Tsy mahagaga raha samy nanana ny heviny avy ireo mpanaraka an'i Zuckerberg momba ny tena zava-nisy marina. Indrindra moa fa efa tsy hita popoka intsony na aiza na aiza ny rakitahiry natao ho an'ny daholobe ao Shina momba iny tantara iny, na anaty aterineto na ivelan'ny aterineto.

Ny hetsi-panoheran'ny taona 1989 sy ny vono olona niseho tamin'izany teo an-kianjan'i Tiananmen no lohahevitra tena saropady sy voasivana indrindra eo amin'ny tontolon'ny aterineto ao Shina- ny fifanakalozankevitra toy ny Facebook no sarotra hita indrindra eo amin'ny sehatra fampitambaovao sosialy Shinoa toy ny WeChat sy Weibo, na mety tsy hita velively.

Raràn'ny fanjakana Shinoa ny endrika fifanakalozankevitra rehetra ivelan'ny aterineto sy anaty aterineto mikasika ny hetsi-panoherana tao Tiananmen. Takiany ireo  orinasan-tserasera sy sehatra maro anaty aterineto mba hanivana ny vohikala anaty aterineto, na ireo tantara sy lahatsoratra akademika mifandraika amin'ilay fihetsiketsehana, miaraka amin'izany koa ireo matoan-dahatsoratra anaty aterineto manambara fotsiny ny hoe “Kianjan'i Tiananmen”, “4 Jona” sy “Hu Yaobang” (ny fahafatesan'ilay politisiana izay nahatonga hetsika maro). Eny fa na ny sarinà labozia, izay marika maneho fiaretantory aza, dia voarara taloha.

Tsy vaovao amin'io fanjakana io ny Facebook. Na dia voasakana manerana an'i Shina nanomboka ny taona 2009 aza ny Facebook, afaka mahazo ireo tambajotran-tserasera ihany ireo mpampiasa 2,2 lavitrisa ao Taiwan sy Hong Kong, izay faripitantanana manokana ao Shina, manana ny fizakantena amin'ny ampahany, kanefa eo ambany fiadidian'ny Beijing.

Ny taona 2017, niha-nanakaiky ny tsingerintaona faha 28-n'ny vono olona teo an-kianjan'i Tianmen, mpampiasa aterneto tao Hong Kong no namorona fanehoana an-tsary iray ho fahatsiarovana ireo niharam-boina. Namela ny olona hanova ny sariny ho fanohanana izany ilay Frame Facebook. Io Frame resahana eto io, etsy amin'ny sary ambany etsy, dia mitondra hafatra nitaky ny hivoahan'ny tena marina tamin'ilay raharaha Tiananmen sy ny hampitsaharana ilay “Lalàna jadona”  ao Shina.

Fung Ka Keung (an-kavanana) sy ny sary fanehoana ny 4 Jona.
Sar :Fung Ka Keung/HK Alliance, avy amin'ny Facebook.

Ilay Tale Jeneralin'ny fikambanan'ny Mpampianatra ao Hong Kong, Fung Ka-keung, namorona ilay frame, dia nahazo fampilazàna tao anatin'ny 24 ora hoe tsy nekena ilay sary nataony. Nolazain'ny Facebook fa “Manao tsinontsinona, mampahatahotra na mamely olona manokana, sampandraharaha araka ny lalàna, firenena na fikambanana.”

Nahazendana io valinteny io, indrindra avy aminà tambajotra sosialy  nohindrahindraina noho ny amin'ny fanoherany ny governemanta tsy refesi-mandidy any amin'ireo firenena toa an'i Egipta ka hatrany Okraina ary tonga hatrany Venezoelà.

Notoherin'ireo mpampiasa Facebook ao Hong Kong io famafàna frame io ary nambaran'izy ireo fa mamoritra ny fahalalan'izy ireo haneho hevitra ilay vohikala, fihetsika izay ahiahian'izy ireo ho ezaka fakàna ny fon'ny governemanta foibe ao Shina ary angamba mety hampiakatra ny tahan'ny fahafahan'ny Facebook hiverina hiditra ao amin'ny tsena be volan'ny Shinoa.

Taorian'ny namoahana ilay raharaha tamin'ny vaovao, dia naneho fialantsiny ampahibe maso ilay goavan'ny media sosialy ka nanaiky ilay Frame. Tao aminà filazàna fohy, nantsoin'ny Facebook hoe “hadisoana tsy nahy” ilay fandàvana.

Fa tena fahadisoana tsy nahy marina ve no namafàn'ilay orinasa ilay frame ? Sarotra ny hahafantatra ny valin'izany. Fanapahankevitra avy amin'ny milina iray ve ilay izy ? Sa avy amin'ny olombelona mpandrindra izay nihevitra fa ny teny hoe “fitakiana fanamarinana” dia ampy hamafàna frame iray ?

Sa ve– araky ny fiahiahian'ny mponina ao Hong Kong–hetsika nosainina kokoa , natao hiankohofana amin'i Beijing ?

Vao tamin'ny herinandro lasa teo, hafatra iray hafa nanasongadina ny firaisankina amin'ireo mpanao hetsipanoherana tao Tiananmen no nofafàn'ny Facebook. Manentana ny olona ho avy hanohana hetsika iray ao Hong Kong antsoina hoe “The Voice of Dissent” na “Ny Feon'ny Mpanohitra” ilay hafatra, andro iray talohan'ny fahatrarana ny fitsingerenan'ny taona faha-29-n'ilay fandripahana. Hafatra efa voahomana avy amin’ ny Facebook no nanasokajy ilay hafatra ho “Tsy irina”. Angamba mety ho fiantsoana azy ara-teknika ihany io, araka ny adiresy imailaka nipoitra teo amin'ilay hafatra, kanefa mbola nampitombo ny ahiahin'ny mponina tao Hong Kong ihany izany, mbola misy zavatra hafahafa tsy lavorary ao.

Screen shot of Voice of Dissent message, with Facebook response……..Sarin'ny hafatra amin'ilay Voice of Dissent(feon'ny fahamendrehana) miaraka amin'ilay valin-tenin'ny Facebook.

Amin'ny endriny amin'izao fotoana izao, fanaon'ny Facebook ny tsy manome alalàna ny mpampiasa azy hametraka fanontaniana ny amin'ny antony nandraisan'ilay orinasa fanapahankevitra iray sy hahazo valinteny mazava sy mivaingana. Rehefa voafafany tsy ho eo amin'ilay sehatra kosa anefa ny votoaty iray, tsy misy dingana azon'ireo mpampiasa aterineto antenaina mba hahazoany fanazavana ny amin'ny antony namafàna ilay votoaty.

Rehefa avela hanontany tena isika raha tena ara-teknika marina na tsia ny anton'izany. Ho an'ny maro amintsika, mora loatra ny misaina hoe, rehefa Shina no resahana, feno fameperana ara-politika be miandry anao.

Raha hijery ny ampamoaka navoakan'ny Cambridge Analytica,ny fanapahankevitry ny kongresy tao Etazonia sy ny  Lalàna Vaovao Fiarovana ny Angon-drakitra na ny General Data Protection Regulation vao napetraky ny Fiombonambe Eoropeana, dia heverina fa betsaka ny vintana hisian'ny tsy ho ela dia hisedra fameperana vaovao ny fahafahan'ny Facebook mamadika ho vola ny angon-drakitry ny mpampiasa azy. Midika izany fa mila mahita fomba vaovao ho fampidiram-bola sy hampitomboaa ny fandraharahàny ny Facebook. Ny fidirana ao anatin'ny tsena Shinoa — Raha toa manome ny tsodranony ny governemanta Shinoa — no mety ho lalàna iray hiantohana ny hoavin'io orinasa io.

Raha iverenantsika sainina ilay hazakazaka mahafinaritra nataon'ingahy Mark Zuckerberg teo amin'io kianja nahafaty mpianatra an-jatony novonoin'io governemanta tambatambazan'i Zuckerberg io, sarotra ny hiaiky fa io, toy iny fandavàna an'ilay frame fahatsiarovana iny, dia ho fahadisoana tsy nahy.

Efa an-taonany maro izao, i Zukerberg no efa natanjaka be sy nanana loharanon-karena tsy hita noanoa teo am-pelatanàny ka hoe tsy hahafantarany ny fomba andraisan'ny vahoaka ny fanapahankeviny. Tsy afaka ny hanambara izy fa tsy mahalala amin'izao toerana misy azy izao, na koa hoe tsy afaka ny hanao na inona na inona.

Ireny fihetsika ireny sy ny maro hafa amin'ny fanaovana ny sitrapon'ny governemanta Shinoa dia mandefa hafatra mazava fanomezana hasina ny fitondrana sy ny Antoko Kaominista Shinoa, ary mandefa hafatra mazava ny amin'ny tsy firaharahiana ny fiarovana ny zon'olombelona, ny gadra politika sy ireo iharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Araka ny nolazain'ilay mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona Cao Yuzhou manao hoe :

Nihosina ny ràn'ireo mpianatra niady ho an'ny demokrasia io tany hitsahan'ny tongotrao io. Kanefa, ankafizo ny hazakazakao ao Shina, Mark a!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.