· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2017

Fampiasàna ny Fanamarihana Mba Hifampiresahan'ny Sinoa Sy Ny Japoney

Ireo Sinoa mpanoratra bilaogy no nitari-dàlana tamin'ny fampiasàna ny fanamarihana ho fomba iray hiresahana ireo olana - indrindra ny ara-pôlitika. Raha mamoaka zavatra ao amin'ny bilaoginao momba ny fihenjanana eo amin'ny Sinoa-Japoney, na adihevitra momba ny tantara Sinoa-Japoney, sy ireo olana mifandraika amin’izany ianao, ampiasao ity fanamarihana ity: cn_jp_dialog.

31 Oktobra 2017

Egypta : Lalao Video Manavakava-bolonkoditra

Lalao video antserasera izay navoaka vao haingana ny Muslim Massacre (Fandripahana Miozolomana) ary ahitana ny mpilalao mampiasa ireo karazana fitaovam-piadiana mba hamonoana Miozolomana maro sy olo-malaza Miozolomana araka izay azo atao, anisan'izany i Allah ilay mahery indrindra. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera Egyptiana.

31 Oktobra 2017

Kambodza: ​​Mpitantara Antserasera Vaovao 

Araka ny tatitry ny fikarohana iray navoakan'ny Pew Internet vao haingana, tsy mihevitra ny tenany ho mpanao gazety ny ankamaroan'ny bilaogera antserasera . Matetika tsy mahavita ny vitan'ny mpanao gazety izy ireo. Ahitana ireo andian'antsafa maromaro nataon'ireo olom-pirenena nomerika izay manao ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kambodziana.

26 Oktobra 2017

Community Fabric (Tambatselam-piarahamonina)

Vao avy nametraka tamin'ny toerany, niaraka tamin'ireo namako vitsivitsy, ny wiki ho an'ny tetikasa vaovao loharano iray misokatra atao hoe Community Fabric aho (avy amin'ny fantsona joiito freenode IRC). Ny hevitra dia ny mba hahafahan'ireo olona mitrandraka ireo fitaovana misy ao amin'ny tambajotra sosialy mba hanaovana blaogy, hametrahana tsoratadidy, hiarahana miasa sy handefasana ireo sary avy any anatin'ny tontolom-piarahamonina iray andraisan'ny rehetra anjara sy mora ampiasaina

25 Oktobra 2017

Miblaogy Am-pitoniana

Manana hevitra lalindalina kokoa na sosokevitra mba hanoratana am-pitoninaa ny bilaogy ve? Aza misalasala miditra amin'ny faritra natao ho an'ny fanehoankevitra etsy ambanin'ity lahatsoratra ity dia mizara azy ireny.

25 Oktobra 2017

Global Voices Sy Ny Del.icio.us

Raha vao manorina sokajy iray toy ny "globalvoices" fotsiny ianao - tonga dia mifandray avy hatrany amin'ireo angona sasany hafa manana anarana hoe "globalvoices" noforonin'ireo hafa mpampiasa del.icio.us izy ireo.

24 Oktobra 2017