Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2019
Amerika Iberika: Fihaonan-toby oniversitera ao El Salvador
Tamin'ity herinandro ity tany Salvadaoro, mpankafy teknolojia an-jatony no nivory tao an-drenivohitr'i San Salvador mba handray anjara amin'ny fizarana farany amin'ny Campus Party.
Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana
Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.
Misioka momba ny fampielezan-kevi-pifidianana ny Jordaniana
Afaka mandefa fitaovana fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana amin'ny 9 novambra ankehitriny ireo kandidà parlemantera Jordaniana. Mameno ny arabe lehibe ankehitriny ireo afisy, ary iandian-kevitra be eo amin'ireo mpisera Twitter Jordaniana ny lohahevitra momba ireo fitaovana fampielezan-kevitra ireo. Saika miombon-kevitra avokoa, satria maneho fahasorenana amin'ireo afisy ny ankamaroan'ny sioka.
Bahrain: Falifaly ireo mpankafy Ferrari satria nandresy tamin'ny Grand Prix Bahrain i Alonso
Tapitra ny fifaninanana voalohany Formula One 2010 ary mety efa niverina tao amin'ny Kianja Iraisam-pirenen'i Bahrain, the Sakhir dezera ny vovoka saingy mitohy hatrany ny resabe.
Mpanao gazety Rosiana noterena hiala noho ny fitsikerany ireo manampahefana ao St. Petersburg tao amin'ny fantsona Telegram
Nilaza i Maria Karpenko, mpanao gazety ao amin'ny Kommersant, iray amin'ireo gazety mpivoaka isan'andro malaza ao Rosia fa noterena hametra-pialana izy rehefa avy nifanatrika taminy momba ny fantsona Telegram tantaniny ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra.
‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera
Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.
Mampiaka-peo manohitra ny volavolan-dalàna momba ny heloka an-tserasera ao Iràka ireo mpikatroka
Manome sazy an-tranomaizina lava ilay volavolan-dalàna, anisan'izany ny famonjàna an-tranomaizina mandrapaha-faty noho ny lahateny manohintohina.
Fahatapahan-jiro any Venezoela: Haharitra hafiriana ?
Efa ho tontolo andro no tsy nisy herinaratra ny ankamaroan'ny faritra tao Venezoela .
Sangy Ratsin-dry zareo Rosiana Momba ny Sivana Anaty Aterineto
Namorona fomba saro-takarina sy tsy hampahazo aina an'ireo mpanivana, ary hatramin'ireo tranonkala mpomba an'i Kremlin ireo mpikatroka ao amin'ny RuNet mba hialàna amin'ny sivana sy ho famaliana bontana.
Mampiroborobo ny fanjakazakan-dehilahy ve ny sarimihetsika ankafizinao indrindra? Afaka mamaly anao ny Mango Meter
Nanangana ny Mango Meter, fampiharana finday fandinihana sarimihetsika natao hijerena ny fisoloan-tenan'ny vavy ao anaty sarimihetsika sy ny indostrian'ny sarimihetsika ny gazety antserasera Indoneziana feminista Magdalene.