Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2019
Miady amin'ireo fanafody hosoka amin'ny alalan'ny sehatra antserasera vaovao ny startup teknolojia ao Tanzania
Matoky i Dagaa fa tsy ny fotoana ihany no ho voatsitsy hitadiavana magazay mivarotra fanafody amin'ny vidiny mirary avy amin'ny rafitra antserasera vaovao, fa koa hanampy hanara-maso ireo vokatra fanafody apetraka eny an-tsena, mampihena ny fividianana fanafody hosoka.
Nanala ny ampahany tamin'ny fanapahana ny fifandraisana ao Kashmir i India, mbola tapaka kosa ny aterineto
Araka ny tatitra vao haingana, manohitra ny famoretana sy ny fanakatonana ny fifandraisana napetraky ny governemanta Foibe Indiana ny Kashmirita "amin'ny alalan'ny satyagraha na tsy fankatoavana sivily tsy misy herisetra".
Namoaka rakibolana antserasera amin'ny fiteny indizeny 21 ny fanjakana indiana ao Odisha
Ahitana fiteny mihoatra ny 780 eto India ary manakaiky ny 220-250 eo ny fiteny maty tao anatin'ny 50 taona farany.
Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao
Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.
Nesorin'ny Google tao amin'ny Play Store ny lalao miantsehatra amin'ny fihetsiketsehana tao Hong Kong
Manome ny antsipirihany momba ny toe-draharaha politika izay mitarika ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintany misy ny toerana hitrangany ao Hong Kong ilay lalao finday antsoina hoe "Ny Revolisiona amin'ny Androntsika".
Mandrisika ny mpiserasera ny Fahitalavi-panjakana ao Shina mba handrahona ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'izy ireo amin'ny tranonkala
Nandrisika ireo mpiserasera Shinoa ao amin'ny tanibe ny haino aman-jerim-panjakana ao Shina mba hampiasa ny tranonkala fandrahonana (doxing) hkleaks.ru mba hampibaribary ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong.