Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Febroary, 2015
Mety Ho Avotry Ny ‘Big Data’ Ve Ireo Tigra Mpiriorio Sisa Any India ?
Amin'ny fandalinana ireo fandinihana 25.000 nataon'ny tsirairay dia mahita hirika hisamborana ireo mpihaza tigra antsokosoko amin'ny làlany ny mpiaro ireo biby mpiriorio.
Nividy Rindrambaiko Fanaraha-maso Ny Mpitandro Filaminana Sinoa — Ary Navoakany Tamin'Ny Aterineto Ny Taratasy Manaporofo Izany
Hitan'ireo mponina amin'ny aterineto mazava tsara izany izao ny rindrambaiko fitsikilovana ampiasain'ny mpitandro filaminana, ary fantatr'izy ireo hatramin'ny vidin'izany.
Tsidiho Amin'ny Alalan'ny Solosainao Noho ny Fisian'ny Google Street View i Bangladesh
Nanomboka niasa tamin'ny 5 Febroary ny Google Street View ao Bangladesh. Namoaka ny fifaliany tamin'ny fahitana ny lungi-ny, fitafy mitovy amin'ny sarong, nipoitra tamin'ny sary (nihantona tao an-davarangana) ny mpisera Facebook iray.
Netflix Tonga Ao Kiobà — Hahazo Mpanjifa Ve Anefa?
Toa tsy tao an-tsain'ilay orinasa mihitsy ny hoe na ireo Kiobàna manana fahafahana miditra aterineto aza anie ka tsy manana koriana sahaza tsara mba hijerena lahatsary ety anaty aterineto
RuNet Watchdog: ‘Mivaralila’ Noho Ny Fandàvan'ny Twitter Tsy Hibahana Ireo Mpanohitra An'i Kremlin
Alexandr Zharov, filohan'ny Roscomnadzor, nilaza tamin'ny mpanao gazety fa "nandà hatrany ny Twitter tsy hanaraka ny fangatahan'ny rafitra ara-pitsaràna Rosiana, isan'izany ireo ikendrena hiadiana amin'ny mahery fihetsika,"
Atsaharo Ny Mozika: Nofoanan'ny Spotify Ny Fivoahany ao Rosia
Nandao an'i Rosia ny Spotify noho ny krizy ara-toekarena, ny toe-draharaha ara-politika ary ny lalàna henjana mifehy ny aterineto.
Iran: Tandindonin-doza Ny WhatsApp, Line sy Tango – Tsy Mifanara-tsaina Ny Filoha Sy Ny Fitsarana
Nolavin'ny Minisitry ny Kolontsaina, Ali Jannati, ny hiteny hoe ny governemanta no nanomana ny fametrahana fandraràna ny tolotr'ireo fampiasa telo ireo, saingy nohamafisiny fa mbola mijanona ho azo idiran'ireo mpampiasa aterineto ao Iran izy ireo
WeChat : Tsy Hampiseho Ny Dokan'ny BMW Amin'ireo Shinoa Mpanjifa Azy Raha Mihevitra Azy Ireo Ho Mahantra
Misy tolotra iray vaovao fanaovana dokam-barotra any anatin'ny faribolan'ny mpinamana, mampiseho dokan'ny BMW ho an'ny sasany amin'ireo mpampiasa, ary dokan'ny Coca-Cola ho an'ny hafa, nitarika ireo mpisera tezitra hiampanga ilay fampiasa fandefasana hafatra ho manavakavaka.