· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2018

Jordania: Mamolavola lalàna mitaky ny tenimiafin'ireo tranonkala ny solombavambahoaka

Nodinihana sy novolavolain'ny parlemanta Jordaniana ny lalàna vaovao mifehy ny tranonkala elektronika izay mitaky amin'ireo mpitantana ny tranonkala mba hanome ny tenimiafin'ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy Fanontana pirinty. Raha toa ka mandà izany ny mpitantana, hoy ny volavolan-dalàna, dia hakaton'ireo manampahefana tompon'andraikitra ny tranonkala.

Fanentanana CCTV mamely ny Google.cn

  21 Jona 2018

namoaka tatitra iray tao amin'ny pejiny voalohany izay miampanga ny Google.cn amin'ny fampielezana votoaty vetaveta ny Foibe Fitaterana momba izay Vaovao Tsy manara-dalàna amin'ny Aterineto ao Shina  (CIIRC).

Tranonkala Koreana Notafihan'ny Shinoa Mpijirika

  20 Jona 2018

Voajirika ilay tranonkala lehibe indrindra fanaovana lavanty ao Korea, "Auction", tamin'ny volana Febroary ary very tamin'izany ny mombamomban'ny mpanjifa miisa 11 tapitrisa farahakeliny. Tsy ela akory izay, fantatra fa Shinoa ireo mpijirika.