Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2016
Mihemotra Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ao Rosia, Ao Okraina, Mihatsara Kosa Ao Belarosia
Voasokajy ho "tsy malalaka" tamin'ny tondro Fahalalahan'ny aterineto taona 2016 avy amin'ny Lapan'ny Fahalalahana (Freedom House) i Rosia, Okraina, Belarosia sy ny fanjakana Azia Afovoany.
Manan-Jo Hanana ny Fiainany Manokana koa Ireo Mpijery Tranonkala “Ho an'Olondehibe” — Fa Iza No Mba Miaro Azy Ireo?
Tsy ny mombamomba manokan'ireo mpiserasera amin'ny tranonkala ho an'ny olon-dehibe ihany no iharan'ny fanitsakitsahana fa ny tsy fahafahana miaro ireo mpanjifa ireo.
Nirona Tamin'i Google ny Didin'ny Fitsarana Ambony ao Brezila, Manoloana ny ‘Zo Hohadinoina’
nametraka ny didy fa ny fanerena ny mili-pikarohana handray fanapahan-kevitra amin'ny fandraisana fangatahana ka hanaisotra rohy sasantsasany avy amin'ny fanaovana karoka dia hanome andraikitra be loatra amin'ny mili-pikarohana, ka hahatonga azy ireo ho mpanao sivana nomerika
Hitaro Ny Fahalalanao YouTube Amin'ireto Afrikana Nandresy Tamin'ny Famoronana Lahatsary An-tserasera Ireto
Fantaro ireo mpandresy tamin'ny fanokafana ny fanomezan-doka YouTube Afrika Atsimon'i Sahara ahitanao sarimiaina, mpantsehatra enin-taona, hira sy dihy sns...
Netizen Report: Hisitraka Ny ‘Zo Hohadinoina’ Ve Ny Indoneziana?
Zo Hohadinoina ao Indonezia, Torkia manakatona aterineto ao Kurdistan, Vodafone tonga ao Iran, sy Soeda tsy mahazo mampiasa kamerà drôna tsy nahazoana alalana no vaovao an'aterineto misongadina.
Free Basics, Tetikasan'ny Facebook Amin'ny Aterineto Maimaim-poana, Ary Efa Misy Ao Amin'ny Firenena Miisa 47
Ny Free Basics dia vokatry ny fiarahamiasa teo amin'ny Facebook sy ny orinasan'ny teknolojia finday izay hahafahana miditra aterineto maimaim-poana saingy voafetra.
Netizen Report: Mpanao Hetsi-panoherana Manary SIM Any An-kabone sy Mandoro Modems Nandritra Ny Fanaovana Ankivy Ny Fifandraisandavitra Saodiana
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, ny fandresena ary ireo fironana vao mipoitra momba ny zon'ny aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy
Mahita Fanitsakitsahana Zon'Olombelona Ao Anatin'ilay Volavolan-dalàna Hiarovana ny Ankizy Ireo Shinoa Mpisera Amin'ny Aterineto
Manandrana ny hiaro ireo ankizy ireo volavolan-dalàna vaovao, amin'ny fangatahana ireo orinasa mpanamboatra solosaina mba hametraka rindrambaiko fanarahamaso ao amin'ireo fitaovana, ary amin'ny fanindrahindrana ireo fitsaboana ny "fiankinandoha amin'ny Aterineto."