Bahrain: Falifaly ireo mpankafy Ferrari satria nandresy tamin'ny Grand Prix Bahrain i Alonso

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2010)

Tapitra ny fifaninanana voalohany Formula One 2010 ary mety efa niverina tao amin'ny Kianja Iraisampirenen'i Bahrain, ny tanihain'i Sakhir ny vovoka saingy mitohy hatrany ny resabe.

Niampy ny fandresen'ilay Espaniola mpamily Ferrari, Fernando Alonso teo amin'ny laharana voalohany, narahan'ny ekipa namany Breziliana Felipe Massa. Briton Lewis Hamilton, niaraka tamin'ny McLaren-Mercedes teo amin'ny laharana faha-telo tao anatin'ny fientanentanan'ny vahoaka manohana ny Ferrari ny fifaninanana mitondra fiara naharitra telo andro

A tweetphoto by Mahmood Al Yousif from the Bahrain International Circuit

Sary sioka avy amin'i Mahmood Al Yousif tao amin'ny zotra iraisam-pirenen'i Bahrain. 

Talohan'ny nanombohan'ny fifaninanana tamin'ny faran'ny herinandro, nitaraina ilay bilaogera Bahrainita @Mahmood Al Yousif hoe


oh, my wife and I are the only people actually PAYING for our tickets, everyone else we know's got a freebie! Last time we'll buy BIC tkts:(

oh, ny vadiko sy ny tenako no hany olona MIVIDY tapakila, nahazo maimaim-poana avokoa ireo olona hafa rehetra fantatro! Tamin'ny farany teo izahay nividy tapakila BIC 🙁

Avy eo izy nisioka ny faran'ny herinandro. Ny Andro voalohany, nanoratra izy hoe:

BIC are you listening? Ban smoking on stands for goodness sake. We can't breath and it's bloody annoying and filthy.

BIC, mihaino ve ianao? Rarao ny fifohana sigadra eny an-kianja. Tsy afaka miaina izahay ary mandreraka sy maloto izany

Ny andro faharoa tamin'ny fifaninanana, nisioka avy eny an-kianja i @Mahmood:

Sitting between 3 ladies fanning themselves and I'm getting the benefit. Is this the life of emperors? Not bad. I like!!

Mipetraka eo anelanelan'ny vehivavy 3 falifaly aho ka mahazo tombony. Fiainan'ny amperora ve izany? Tsy ratsy. Tiako!

Mikasika ny fandresen'i Alonso, @Mahmood nananihany hoe:

It's appropriate that the king of Spain is here, he must be very chuffed! Well done Alonso!! Congrats Bahrain too.

Tsara  raha mba teto ny mpanjakan'i Espaina, angamba ho tena faly izy! Tsara Alonso!! Arahabaina ihany koa Barhain.

Tao amin'ny Twitter ihany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny tenany ao Bahrain, Shaikh Khalid bin Mohammed Al Khalifa, mandrakitra ny eritreriny momba ny fizotran'ny faran'ny herinandro.

Androany maraina, nandefa sary sioka mampiseho ny fitohanana mankany amin'ny zotra izy

Traffic line up to the circuit by Khalid Al Khalifa

Fitohanana mankany amin'ny zotra, avy amin'i Khalid Al Khalifa

Nanamarika koa izy hoe::

On my way to F1 race .. Horrendous traffic towards circuit

Ety an-dalana hamonjy ny fifaninanana F1……Fitohanana mahatsiravina mankany amin'ny zotra

Tamin'ny fiafaran'ny fifaninanana, Shaikh Khalid nisioka hoe:

With @richardquest .. Almost falling off the tower at the race ! Congrats to Alonso, Spain and Ferrari http://tweetphoto.com/14383101

Miaraka amin'i @richardquest .. Saika nianjera tamin'ny tilikambo izahay! Arahabaina Alonso, Espaina ary Ferrari

Mandritra izany, tao Bahrain ihany koa i Richard Quest avy ao amin'ny CNN, nanatrika ny F1 ary nandefa ity sioka ity tamin'ny fanombohan'ny fifaninanana:

Race underway. loud. view good, n o idea who is winning without looking at TV #F1 #cnn

Mandeha ny fifaninanana, tabataba be. mahita tsara, tsy fantatro hoe iza no handresy tsy mijery fahitalavitra  #F1 #cnn

Talohan'izany, tafahoana tamin'ny mpanjakan'i Espaina izy ary…

I was wearing shorts in Royal Tower and had to hide when King of Spain passed by ! Faux Pas indeed.

Nitafy short tao amin'ny Tilikambon'ny Mpanjaka aho ary tsy maintsy niafina rehefa nandalo ny mpanjakan'i Espaina! fahadisoam-pihetsika tokoa.

Bahrain makes it as a Trending Topic on Twitter

Bahrain makes it as a Trending Topic on Twitter

Salman Al Abbasi naminavina ny fandresen'i Alonso ary nisioka hoe:

For the first time my predictions turn right Alonso 1

Sambany mba marina ny faminaniako Alonso 1  #Bahrain #F1 😀

Mikasika ireo mpiondana aterineto indray, nitombo ny fientanentanana raha nanjary lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter i Bahrain. Nisioka ny fientanentanany i Esra'a Al Shafei :

Amazing, my little country is internationally trending for the first time ever! Take that, Dubai!

Mampitolagaga, sambany malaza eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fireneko kely! Jereo izany ry Dubai

Hoy izy nanampy:

Come on #Bahrain I wanna screenshot this country being FIRST on the international trending list (to show my grandkids, duh)

Alefa #Bahrain, tiako alefa sary ity firenena ity mba ho VOALOHANY amin'ny lisitra iraisampirenena (mba hampiseho ireo zafikeliko)

Rava ny fientanentanany raha niala lisitra i #Bahrain. Nanazava izy hoe:

Everyone using #BahrainGP instead of just #Bahrain ruined it for us. We're never gonna beat the mothers now.

Nosimbain'iireo rehetra mampiasa ny tenirohy #BahrainGP raha tokony hoe #Bahrain ho anay izany. Tsy handresy ny renim-pianakaviana mandrakizay izahay ankehitriny.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.