Mampiaka-peo manohitra ny volavolan-dalàna momba ny heloka an-tserasera ao Iràka ireo mpikatroka

Baghdad. Sary avy amin'i MohammadHuzam [CC BY-SA 4.0 (https://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0)].

Manentana ny parlemanta Irakiana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpikatroka mba hisintona ny volavolan-dalàna momba ny heloka bevava an-tserasera mampiady hevitra izay mety hametra tanteraka ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera, raha toa ka lany izany.

Mametraka ny fanasaziana maharitra am-ponja noho ny fanehoan-kevitra manohintohina izay tsy tena voafaritra mazava ao amin'ny andininy ity volavolan-dalàna ity. Ny andininy faha-3 dia milaza ny fanasaziana an-tranomaizina mandra-pahafaty ary lamandy mavesatra ho an'ireo voampanga amin'ny fampiasana “ordinatera sy Aterineto” mba “hanozongozonana ny fahaleovantena, ny fahamendrehana ary ny fiarovana ny firenena, na ny tombontsoa ara-toekarena fara-tampony, ara-politika, ara-tafika na ny tombontsoam-piarovana” na ny “fandrisihana fifamaliana ara-pivavahana, fanohintohinana ny filaminana sy ny filaminam-bahoaka, na ny fanohintohinana ny lazan'ny firenena.”

Mametraka ny sazy mitovy amin'izany ihany koa ny andininy faha-4 sy faha-6 ho an'ireo voaheloka amin'ny fampiroboroboana ny “asa sy hevitra fampihorohoroana” (Andininy 4) na ny “famoahana na ny fandefasam-baovao diso na ny fanodikodinana ny zava-misy amin'ny fikasana hanafoana ny fitokisana amin'ny rafitra ara-bola elektronika “(Andininy faha 6)

Nampitandrina ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Hoala tany am-piandohan'ity taona ity:

“Ho mora ny fampiasana ny lalàna hamongorana ny loharanom-bolan'ny mpanohitra politika sy ny mpikatroka hafa raha tsy misy famaritana mazava sy mahitsy momba ny atao hoe  fampihorohoroana.”

Efa sarotra any amin'ny tanin’ i Iràka ny zo mifandraika amin'ny aterineto. Tamin'ny fahavaratra farany teo, namaly tamin'ny alalan'ny fanakatonana ny aterineto ny manampahefana nandritra ny hetsi-panoherana nanambarana ny kolikoly sy ny fiainana fadiranovana any Basra sy any amin'ireo tanàndehibe hafa  .

Vao mainka ho sarotra kokoa ho an'ireo Irakiana ny hampihatra ny zony amin'ny fifandraisna, amin'ny fanehoan-kevitra malalaka ary amin'ny fahazoana vaovao amin'ny aterineto raha toa ka lany ilay volavolan-dalàna .

Tany am-piandohan'ity volana ity, namoaka fanambarana mandrisika ny parlemanta Irakiana hisintona ilay volavolan-dalàna ireo vondrona mpiaro zon'olombelona miisa sivy anisan'izany ny AccessNow, Amnesty International ary ny Iraqi Observatory for Human Rights :

…the law will result in Internet users becoming fearful of exercising their fundamental rights and freedoms online, and will empty the right to freedom of expression of its substance. The law would also have far-reaching effects on the enjoyment of the rights to freedom of information as well as the right to participation in public affairs in Iraq.

…  hahatonga ireo mpisera aterineto hatahotra hampihatra ny zon'izy ireo fototra sy ny fahalalahany an-tserasera ny lalàna, ary hanafoana ny votoatin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra. Hisy fiantraikany goavana amin'ny fisitrahana ny zo amin'ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ihany koa ny lalàna sy ny zo handray anjara amin'ny raharaham-panjakana ao Iraka ihany koa.

Tamin'ny 14 Martsa teo no tokony nanomboka niady hevitra momba ilay volavolan-dalàna ny parlemanta, saingy nesorina tao anatin'ny tetiandro izany.

Tao amin'ny Twitter,  nisaotra ireo izay niantso azy ireo tamin'ny “fanakianana ny lalàna sasantsasany” ny kaonty ofisialin'ny Parlemanta Irakiana ho an'ny Solontenan'ny Filankevitra saingy tsy nofaritany hoe iza ilay lalàna noresahana. Nandray an-tanandroa izany valinteny izany ny vondrona mpiaro zon'olombelona sy ireo mpikatroka saingy mbola mitandrina izy ireo.

Fandresena kely: Nahomby tanteraka tamin'ny fanalana ny drafitry ny volavolan-dalàna momba ny heloka an-tserasera tao amin'ny fandaharam-potoan'ny parlemanta ny fanentanana nataon'ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ​​ny mpanao gazety ao Iraka ary ny ONG ao an-toerana sy iraisam-pirenena. Ny fanesorana tanteraka ny drafitry ny volavolan-dalàna no dingana manaraka!

Tsy fantatra mazava raha hampiditra ny fanovàna amin'ny volavolan-dalàna ny parlemanta ary tsy mbola fantatra ihany koa na ny fotoana manaraka hanomanana ny adihevitra momba izany indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.