Mampiroborobo ny fanjakazakan-dehilahy ve ny sarimihetsika ankafizinao indrindra? Afaka mamaly anao ny Mango Meter

Ny 16 Febroary 2019, nanangana ny Mango Meter, fampiharana finday fandinihana sarimihetsika natao hijerena ny fisoloantenan'ny vavy ao anaty sarimihetsika sy ny indostrian'ny sarimihetsika ny gazety antserasera Indoneziana feminista Magdalene (sady namana mpiara-miasa amin'ny Global Voices ihany koa).

Araka ny fanamarihan'ny ekipan'ny Mango Meter, iray amin'ireo “fampitam-bavao mahomby indrindra hanapariahana fitsipika sy soatoavina eo amin'ny fiarahamonina” ny “zava-kanto fahafito”, ary dia “manamafy loatra ny fitsarana an-tendrony ny vehivavy sy ny foko, mametraka ny vehivavy ho kilalao ara-nofo sy mametraka ho ara-dalàna ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ny sarimihetsika, satria manizingizina ny indostrian'ny sarimihetsika fa izany ho mamaly ny tadiavin'ny tsena.”

Niharihary tokoa ireo vokatra ireo indrindra tamin'ny taona 2018, raha nahatonga ny fisian’ny #MeToo sy ny Time’s Up ireo andiana fiampangana an'ilay mpamokatra sarimihetsika antsoina hoe Harvey Weinstein ho nanao fanararaotana ara-nofo. Ny #MeToo sy ny Time’s Up dia hetsika natombok'ireo mpanoratra, mpamokatra sarimihetsika sy mpilalao sarimihetsika ho setrin'ny kolontsaina manapoizin'ny fanararaotana ara-nofo ao Hollywood, ny fitsarana an-tendrony sy ny fanavakavahana napetraka ho ara-dalàna.

mango meter mobile app

Pikantsarin'ny fampiharana finday Mango Meter. 

Aingam-panahy avy amin'ilay tranonkala mpanombana sarimihetsika malaza hoe Rotten Tomatoes, nantsoin'ny ekipa hoe fampiharana Mango Meter ilay fampiharana ho fanomezam-boninahitra ny iray amin'ireo voankazo ankafizin'i Azia indrindra. Araka ny filazan'ireo mpamorona ny fampiharana, tafiditra ao amin'ny sarimihetsika feminista ny fampiatiana sy ny fahasamihafana, ahitana vehivavy manan-toetra matanjaka izay tsy voafatotry ny fenitra ara-tsosialy toy ny fanambadiana sy ny maha-reny, ary mampiseho fifandraisana salama. Manome naoty ny sarimihetsika eo amin'ny 1 hatramin'ny 5 ny rafitra fanombanana fampiharana, ka ny manga iray milaza fa ao anatin'ny fanjakazakan'ny lehilahy tanteraka ny sarimihetsika, ary ny manga dimy  dia midika fa manaja tanteraka ny fenitry ny feminista ilay izy.

Vondrona mpanao gazety vehivavy, mpikatroka sy mpampianatra avy amin'ny firenena Aziatika enina no namorona ilay fampiharana finday, anisan'izany i Devi Asmarani, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Magdalena.

Nandritra ny firesahana tamin'ny Global Voices, nilaza i Asmarani hoe:

We spent a lot of times debating the best statements to apply to the rating system, before we all agreed on the set of 11 statements that represent a host of concerns, from representation of women, agency, the concept of beauty, sexuality, relationship and proportional representation of marginalized communities.

Nandany fotoana be dia be izahay nifanakalo hevitra momba ny fanambarana tsara indrindra ampiharina amin'ny rafitra fanombanana, talohan'ny nifanekenay tamin'ireo fanambarana miisa 11 izay misolotena ireo ahiahy marobe, manomboka amin'ny fanehoana endrika ny vehivavy, ny fisoloantena, ny tsirinkevitry ny hatsaran-tarehy, ny fananahana, ny fifandraisana ary ny fanomezantoerana araka ny tokony ho izy ireo vondrom-piarahamonina atao anjorom-bala.

Ireo mpamorona ny fampiharana Mango Meter. Sary natolotry ny Magdalena ary nahazoana alalana.

Raha namaly ny fanontaniana hoe nahoana ny vahoaka no tokony hampiasa ilay fampiharana, dia hoy ireo mpamorona:

Let the film industry know that we do not buy tickets to their movies for misogynist, gender and diversity-insensitive content. One opinion at a time would validate someone else who is thinking just like you. We have every right to enjoy entertainment that does not demean us, and we certainly have a right to voice our views and opinions.

Aoka ho fantatry ny orinasan'ny sarimihetsika fa tsy mividy tapakila amin'ny sarimihetsik'izy ireo hijerena fambaniana vehivavy, votoaty tsy mijery ny maha-lahy sy vavy sy ny fahasamihafana izahay. Mety hanamarina olon-kafa izay misaina tahaka anareo ny hevitra iray. Manan-jo tanteraka hankafy fialam-boly izay tsy manambany anay izahay, ary azo antoka fa manan-jo hiteny ny fomba fijerinay sy ny hevitray izahay.

Notohanan'ny Birao Federalin'ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) ao Azia ny famolavolana ilay fampiharana Metro Mango. Azo alaina ao amin'ny iOS sy ny Android izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.