Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009)

Taorian'ny antso avy amin'ireo fikambanana Jordaniana lehibe mpampita vaovao amin'ny aterineto, ny Foibe ho an'ny Fiarovana ny Fahalalahan'ny mpanao gazety مركز حماية وحرية الصحفيين, ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona, ny media sy ny mpikatroka momba ny lalàna, ary koa ireo olona voakasika amin'ny olan'ny sivana sy ny fahalalaham-pitenenana sy maneho hevitra, nofintinina tao amin'ity Aramram Feature ity ny fanovana lehibe nitranga tamin'ny lalàna vaovao momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao any Jordania,  قانون جرائم انظمة المعلومات izay sambany nisy karazany toy izany.

Mameno ny banga ao amin'ny lalàna

Talohan'ity lalàna ity, dia tsy nisy lalàna na rafi-dalàna mifehy ny famoahana “heloka bevava antserasera”, anisan'izany ny olana mifandraika amin'ny sary vetaveta misy ankizy, ny fanararaotana ireo olona sembana ara-tsaina na ara-pihetseham-po, ary ny fanaparitahana vaovao izay natao hanohintohina ny tombontsoa ara-toekarena sy ara-politika Jordaniana .

Ity dingana voalohany ity dia natao hanangana fototra ara-dalàna hiatrehana ny olana rehetra mifandraika amin'ny hetsika heloka bevava mifototra amin'ny aterineto manokana. Na izany aza, naneho hevitra momba ny fahefana voalohany natolotry ny volavolan-dalàna voalohany (toy ny fikarohana ny trano sy ny ordinatera tsy misy didim-pitsarana)  ireo vondrona mpanaramaso sivily ary nangataka fanazavana, mba tsy ho ampiasaina sy hararaotina hikendrena ireo tranokalam-baovao sy ny fahalalahana maneho hevitra ireo fahefana vao noforonina ireo.

Fanehoan-kevitra feno

Nifangaro ny fanehoan-kevitra momba ny lalàna vaovao. Ny sasany mahita izany ho toy ny dingana mihemotra, toy ity mpisera Aramram manoratra ho Anti-7afartalism, maneho hevitra momba ny tranonkala Aramram mikasika ny horonantsary etsy ambony:

hadi el qawaneen el jdeede 7atat el urdunn fee qa2emet el dowal el mota5alefe o a3da2 el internet b3d ma innu el urdun mn asr3 edwal ele intshar el internet feha o atwal shari3 lal internet cafe kan 3ala ginis ….y3ni el wa7ad badal ma yitawrr 3m berja3 la wara o hai el fdee7a weslat lal Washington Post !!! la2eno el urdun m3roof 3nha inha the most free arab country fa keef beseer hada el 7aki!!!

Mametraka an'i Jordania ao amin'ny lisitry ny fanjakana mihemotra amin'ny aterineto io lalàna vaovao io taorian'ny voalaza tao amin'ny World Records Guinness fa manana cybercafe miely eraky ny arabe sy haingam-pandeha indrindra i Jordania … Raha tokony handroso isika dia mihemotra ary nivoaka tao amin'ny ‘Washington Post’ ity tranga ity !!! Satria fantatra amin'ny anarana hoe ‘firenena Arabo malalaka indrindra’ i  Jordania, koa ahoana no nitrangan'izany !!!

Na izany aza, taorian'ny fanitsiana, miandry ny tohiny ny hafa ary nanaparitaka vaovao momba ny fanitsiana tamin'ny alalan'ny twitter. Noor JoJo (nrbi2)  nisioka hoe:

أهم التعديلات على قانون جرائم انظمة المعلومات المؤقت .. ونص القانون بصيغته النهائية ammonnews.net/article.aspx?a… via @AddThis .. eli b7b yeqr2

Fiovana manan-danja amin'ny Lalàna vonjimaika momba ny heloka vava amin'ny rafi-baovao … ary ao amin'ny endriny farany ny votoatin'ny lalàna…..

abeeryarmouk koa nisioka hoe:

http://bit.ly/bDuLb9 الأردن/ نقيب المحامين : تعديلات قانون جرائم انظمة المعلومات انهت الجدل الدائر حوله

Filohan'ny Holafitry ny Mpisolovava ao Jordania: Namarana ny adihevitra manodidina azy ny fanovana ny Lalàna momba ny heloka vava amin'ny rafi-baovao.

SamirKassireyes nisioka hoe:

الحكومة الاردنية تعدّل قانون “جرائم أنظمة المعلومات” بعد انتقادات وضغوط محلية http://www.skeyesmedia.org/?mode=newsdetails&id=2283

Novain'ny governemanta Jordaniana ny  “Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao” taorian'ny fanakianana sy ny tsindry teo an-toerana.

Valintenin'ny governemanta manoloana ireo tsikera sy teritery

Hitan'ny sasany fa dingana tsara amin'ny fananganana fifandraisana eo amin'ny vondrom-piarahamonin'ny aterineto sy ny lalàna ny fahavitrihan'ny governemanta hanova ny lalàna ho setrin'ny fikatrohana. Mibilaogy ao amin'ny Jordanoholic.com, Rani Dababneh manoratra hoe:

In reference to [Jordanian Bloggers Meet the Minister of ICT on first Cyber Crime draft Law in Jordan], we got notified that Cabinet approved the Information Systems Crime Law of 2010 on Aug 3, which will take effect after 30 days of issuance. Information Systems / Cyber Crime Law, and Reasons Thereof are below in Arabic: [English Version will be provided soon]

UPDATE: Jordan Government, on August 29, endorsed the final draft of the Information Systems Crime Law (Cyber Crime Law) after ammending several parts of the legislation that drew controversy and criticism from various human rights and media activists.

Raha jerena ny [[Bilaogera Jordaniana nihaona tamin'ny minisitry ny TIC hiresaka momba ny volavolan-dalàna mifehy ny heloka antserasera tao Jordania], dia nampahafantarina izahay fa nankatoavin'ny Kabinetra ny Lalàna 2010 momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao tamin'ny 3 Aogositra izay hanan-kery afaka 30 andro aorian'ny famoahana ampahibemaso. Eto ambany amin'ny teny Arabo ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao sy ireo Antony : [omena tsy ho ela ny dikan-teny amin'ny teny Anglisy)

VAOVAO FARANY: Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.

Avy amin'ny blaoginy ao amin'ny Osamaa.com, nizara fomba fijery ihany koa i Osama Romoh أسامة الرمح  fa dingana tsara ny fampidiran'ny governemanta ireo bilaogera ao anatin'ny dingana sy ny fahavononany hihaino ny ahiahin'ireo vondrona sivily. Hoy izy nanoratra:

في نقطة رابحة تُضاف إلى رصيد المدوّنين الأردنيين والمدونات الأردنية للإعتراف الرسمي بهم، قامت وزارة الاتصالات وتكنولوجيا المعلومات بإشراك عدد من المدونين في مناقشة مسودّة قانون الجرائم الالكترونية

Tamin'ny teboka tsara iray hafa nanampy ny isan'ireo bilaogera Jordaniana manoloana ny fankatoavana ofisialy, dia nampiditra bilaogera vitsivitsy hiadihevitra momba ny volavolan-dalàna heloka bevava amin'ny rafi-baovao ny Minisiteran'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana.

Ahitana ny lahatsoratra feno amin'ny dikan-teny farany misy ny lalàna vaovao sy ireo karazana fanovana izay notakian'ny teriterim-bahoaka ny bilaogy Radical Justice العدالة الراديكالية.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.