Misioka momba ny fampielezan-kevi-pifidianana ny Jordaniana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2010)

Afaka mandefa fitaovana fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana amin'ny 9 novambra ankehitriny ireo kandidà parlemantera Jordaniana. Mameno ny arabe lehibe ankehitriny ireo afisy, ary iadian-kevitra be eo amin'ireo mpisera Twitter Jordaniana ny lohahevitra momba ireo fitaovana fampielezan-kevitra ireo. Saika miombon-kevitra avokoa, satria maneho fahasorenana amin'ireo afisy ny ankamaroan'ny sioka.

Vehivavy Jordaniana telo no naneho hevitra rehefa nahita afisy manerana ireo lalana lehibe. Ruba nisioka hoe:

We need our own #rallytorestoresanity in #JO those candidates are really going crazy with their banners! #JOElections

Mila ny #rallytorestoresanity anay manokana ao #JO izahay, tena adala ireo kandidà ireo amin'ireo afisiny! #JOElections

Vehivavy Jordaniana hafa, Thoraya, nanoratra hoe:

Apparently, all you need to run for Jordanian Parliament is a face. #JOelections

Toa tarehy no zavatra tena ilainareo hifaninanana ho parlemantera Jordaniana

Ary Samia nilaza hoe:

Dear running candidates for #JOelections walahi (I swear) im dreaming of ur faces at night

Ry kandidà namana mpifaninana amin'ny #JOelections walahi (mianiana aho) fa hanofy ny endritsika amin'ny alina

Tany am-piandohan'ny herinandro, iray amin'ireo maro naneho hevitra momba ny fiverimberenan'ny teny filamatra amin'ny fampielezan-kevitra i  OulaFarawati:

Candidate agendas: liberate Palestine,fight corruption,combat poverty&unemployment.. Ridiculously ambitious &deceptive!

Fandaharam-potoanan'ny kandidà: manafaka an'i Palestina, miady amin'ny kolikoly, miady amin'ny fahantrana sy ny tsy fananan'asa…..Mampihomehy fa be faniriana sy mandiso fanentanana!

Notohizany hoe:

And I thereby vow to vote for the candidate who can show practically how he will “liberate Palestine

Ary mivoady hifidy kandidà izay afaka mampiseho ny fomba mahomby hanafahana an'i Palestina aho

aksharawi toa namintina ny fahatsapana:

the only thing ur picture is doing is blocking a road sign

ny hany zavatra ataon'ny sarinareo dia manakona ny takela-pifamoivoizana

Nampiasa Twitter ihany koa ireo Jordaniana mba hiady hevitra momba ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana. Mitarika ny fanaovana ankivy ny fifidianana ny antoko mpanohitra lehibe noho ny fanoherana ny lalàm-pifidianana izay lazain'izy ireo fa tsy madio .

KShihabi manontany hoe:

What will a crippling elections law produce???!!! Democracy!!!! a hard working parliament!!!! or just a copy of the last one?!

Inona no ho vokatry ny lalàm-pifidianana misafotofoto??!! Demokrasia!! parlemanta miasa mafy!!!sa hala-tahaka ity farany ity fotsiny?!

Ny hafa, tahaka an'i Bayanwaleed, nilaza fa ny fifidianana no hany fomba hanatsarana ny governemanta ao Jordania:

If U don't elect them and show them U know what U want, someone else will, and U will only bare the consequences

Raha tsy mifidy azy ireo ianao ary mampiseho azy ireo fa fantatrao izay tadiavinao, dia hanao izany ny hafa, ary ianao ihany no hizaka ny vokany

Miombon-kevitra i Shusmo, nisioka hoe:

If you are against #JOElections you should never complain again about the #Government, Engage & Elect to create better#Government

Raha manohitra ny fifidianana ianao dia tsy tokony hitaraina velively momba ny governemanta. Mandraisa anjara ary mifidiana mba hanangana governemanta tsara kokoa

Nilaza ny sasany fa tsy hifidy izy ireo noho ny fahavitsian'ny kandidà, fa tsy noho ny lalànan'ny fampielezan-kevitra.

Iray amin'izany i kamelasmar:

I was really hoping to see the change happening, same faces exactly. It's good I won't be in town so I won't vote

Tena nanantena hahita fiovana aho, saingy mbola endrika taloha ihany no hita. Tsara raha tsy mandeha mifidy aho

Araho ny tenirohy #Joelections ao amin'ny Twitter raha hanara-baovao sy hijery ireo hevitra momba ny fifidianana parlemantera Jordaniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.