Mpanao gazety Rosiana noterena hiala noho ny fitsikerany ireo manampahefana ao St. Petersburg tao amin'ny fantsona Telegram

Noterena hametra-pialana tao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro Kommersant i Maria Karpenko noho ireo fanehoan-keviny mitsikera an'i Alexander Karpenko, governora notendren'i Kremlin ao Saint-Pétersbourg. Petersburg // Facebook-n'i Maria Karpenko

Nilaza i Maria Karpenko, mpanao gazety ao amin'ny Kommersant, iray amin'ireo gazety mpivoaka isan'andro malaza ao Rosia fa noterena hametra-pialana izy rehefa avy nifanatrika taminy momba ny fantsona Telegram tantaniny ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra.

Tantanin'ny vondrona mpanao gazety avy ao amin'ny fanontana hafa ao St. Petersburg ity fantsona Telegram, antsoina hoe Rotonda ity, ary mifantoka amin'ny resaka politika eo an-toerana. Manana mpanjohy eo amin'ny 10.000 izy.

Nanoratra tao amin'ny Rotonda i Karpenko :

Привет, это Маша Карпенко, соавтор «Ротонды» и до сегодняшнего дня — корреспондент газеты «Коммерсантъ». Меня уволили: причиной стало недовольство Кремля и Смольного тем, что я пишу здесь и тем, как «Ъ» освещает избирательную кампанию Александра Беглова.

Объясняя причину увольнения, руководитель издательского дома Владимир Желонкин сообщил: то, что я пишу в «Ротонде», не соответствует редакционной политике «Коммерсанта». «Ротонду» он назвал «активизмом, несовместимым с журналистским статусом». Если не относить эти слова на счет критических замечаний «Ротонды» по поводу политики врио губернатора Петербурга Александра Беглова, единственное, что можно назвать активизмом — это настойчивые попытки добиться того, чтобы работа городского правительства была одинаково открытой для всех журналистов (которые я предпринимала в том числе от имени «Ъ» с согласия руководства). Такой активизм считаю не просто совместимым с журналистским статусом, но и неотъемлемой частью этого статуса.

Miarahaba, Masha Karpenko ity, mpiara-manoratra ao amin'ny Rotonda ary mpanao gazety ao amin'ny Kommersant hatramin'ny androany. Voaroaka aho; ny anton'izany dia tezitra tamin'ny lahatsoratro teto sy ny fitantarana ny fampielezan-kevi-pifidianan'i Alexander Beglov [governora vonjimaika ao St. Petersbourg] tao amin'ny Kommersant ny Kremlin sy  Smolny [Lapan'ny Tanànan'i St. Pétersbourg].

Manazava ny antony nanesorana ahy, nilaza tamiko ny talen'ny famoaham-baovao Vladimir Zhelonkin hoe: Mifanohitra amin'ny politikan'ny famoahana ao amin'ny Kommersant ny zavatra nosoratako tao amin'ny Rotonda. Nantsoiny hoe sombina “fikatrohana tsy mifanaraka amin'ny satan'ny mpanao gazety” ny Rotonda. Raha tsy miraharaha ny fanehoan-kevitra mitsikera ny politikan'ny governora am-perinasa ao Saint-Petersburg, Alexander Beglov izahay, ny hany zavatra ataoko mety azo raisina ho fikatrohana dia ny fikasana hatrany hanome fidirana mitovy ao min'ny lapan'ny governemanta ho an'ireo mpanao gazety rehetra, hetsika izay nataoko tao anatin'ny fahafantarana feno ireo lehibeko ao amin'ny Kommersant sy ny tso-dranon'izy ireo. Ity karazana fikatrohana ity no heveriko fa mifanaraka indrindra amin'ny sata maha-mpanao gazety ahy ary ampahany goavana ao amin'izany sata izany ihany koa.

Manondro ireo tranga maromaro i Karpenko, izay ireo mpanao gazety avy amin'ny famoahana manohana sy fehezin'ny manampahefan'ny tanàna ihany no avelan'ny governemanta ao St. Petersburg hanatrika ny valan-dresak'izy ireo ho an'ny mpanao agazety, raha voaràra kosa ireo fampahalalam-baovao mpanakiana.

Nanoratra izy avy eo fa tsy avy amin'i Zhelonkin ihany ilay hevitra. Nilaza izy fa hita miharihary fa noterena handroaka azy izy noho ireo lahatsoratra manakiana sy lahatsoratra tamin'ny media sosialy, angamba noteren'ny olona tao amin'ny fitantanan'i St. Petersburg na Kremlin mihitsy aza.

 Nandeha tao amin'ny onjam-peo Echo of Moscow i Vladimir Zhelonkin mba haneho hevitra momba ny fiampangan'i Karpenko:

———+енко работала в двух медиа и выбрала работу в одном из них. Её поставили перед выбором и она выбрала. По нашим правилам работать в двух медиа нельзя. Я думаю, что это в трудовом соглашении прописано. Расстались мы по соглашению сторон. Я прочитал её пост [в Телеграме]. Я ей про администрацию президента точно ничего не говорил.

Niasa tamin'ny famoaham-baovao roa i Maria tamin'ny fotoana iray ary nisafidy hiasa ho an'ny iray tamin'izy ireo avy eo [Rotonda]. Nomena safidy izy ary nataony izany. Mandràra ny fiasàna amin'ny famoahana roa mandritra ny fotoana iray ny sata mifehy ny asa ao aminay. Tsy maintsy voasoratra ao amin'ny taratasy fifanekeny arak'asa izany. Nisaraka tamin'ny fifanekena nataonay izahay. Azoko antoka fa tsy niresaka taminy na inona na inona momba ny fitantanan'ny filoha aho

Nisalasala momba ny fanazavan'i Zhelonkin ny mpanao gazety hafa, nilaza fa na dia mandràra ny fiasàna any an-kafa aza ny fitsipika ao amin'ny Kommersant, dia ampiharina amin'ny fomba tsy mitovy izany, araka ny nasehoan'i Andrey Kolesnikov, mpilaza vaovao malaza ao amin'ny Kommersant avy ao amin'ny Kremlin:

Mahaliana ny fandehan'ny asa ao amin'ny Kommersant: Very asa i Maria Karpenko noho izy mitantana fantsona Telegram miaraka amin'ny asany isan'andro, mbola miasa ao anefa i Andrey Kolesnikov na dia sady lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Russian Pioneer aza. Mahazo miasa miharihary amin'ny famoahana roa tsy misy fiantraikany izy izany.

Nitafatafa fohy tamin'ny Besposchadny Piarschik (Mpanolotsaina tsimifaditrovana), fantsona Telegram mifantoka amin'ny haino aman-jery sy ny indostrian'ny seraseram-bahoaka i Karpenko, izay niresahany momba ny fanambaran'i Zhelonkin mikasika ny safidy voalaza fa nomena azy. Nanazava i Karpenko fa nampahafantarina fotsiny izy hoe tsy ilaina intsony ny fiasàny ao amin'ny Kommersant.

Nanipika ihany koa izy fa namoaka lahatsoratra marobe mitsikera ny fitantanana ny tanàna ary tsy nahatsapa faneriterena mihitsy avy amin'ireo lehibeny mba hanalefaka izany. Saingy nilaza izy fa ny fitarihana ao amin'ny Kommersant no niharihary fa niharan'ny faneriterena, tamin'ny tranga izay nahatonga ny fandroahana azy.

Notendrena ho governoran'i Saint-Pétersbourg tamin'ny taona lasa i Alexander Beglov, 62 taona, taorian'ny fametraham-pialan'i Grigory Poltavchenko. Tsy dia mamim-bahoaka ao an-tanàna i Beglov, indrindra taorian'ny ririnina taona 2018-2019 raha tsy nahavita nanadio ny làlana feno ranomandry sy vaingan-dranomandry ny manampahefana ao an-tanàna. Saingy tsy nanafina ny safidiny amin'ny fifidianana hatao ny volana septambra 2019 i Kremlin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.