Fahatapahan-jiro any Venezoela: Haharitra hafiriana ?

Nandritra ny tontolo andro, tsy nisy herinaratra ny ankamaroan'ny faritra tao Venezoela .

Teo amin'ny manodidina ny tamin'ny 4:50 ora hariva tany an-toerana ny 7 Martsa teo, nahatonga ny trano, orinasa, sampandraharaham-panjakana, ary hopitaly maro tsy nisy jiro ny fahatapahan'ny herinaratra goavana tao an-drenivohitra Caracas sy tany amin'ny  fanjakana hafa miisa 22 farafahakeliny. Ny vao marainan'ny 8 Martsa, nanomboka nitatitra an-tserasera ireo mpanao gazety sy olon-tsotra tao amin'ny firenena izay afaka nampiasa ny lahatahiry finday fa nandeha miadana ireo milina famokatra herinaratra sy ireo fitaovam-pamokarana herinaratra hafa.

Nilaza ny manampahefanan'ny governemantan'ny filoham-pirenena voarahona Nicolás Maduro fa vokatry ny “sompatra” ny fahatapahana, ary nolazainy izany ho “adin'ny herinaratra” nataon'i Juan Guaidó mpitarika ny mpanohitra, miaraka amin'ny fanohanan'ny governemanta Amerikana. Namaly avy hatrany i Guaidó tamin'ny filazana fa ” avy amin'ny mpisoloky ny fahefan'ny vahoaka Venezoeliana ny sompatra tokana eto,” raha nilaza ny filoha Nicolás Maduro izy, izay nolazain'ny mpitarika ny mpanohitra fa “naka an-keriny” ny fitondrana tamin'ny alalan'ny dingan'ny fifidianana tsy ara-dalàna.

Tsy zava-baovao ao Venezoela ny fahatapahan-jiro- ao anatin'ny krizy ara-toekarena, ara-tsosialy sy ara-politika izay nandrakotra ny firenena tato anatin'ny taona vitsy, niatrika ny fahatapahan-jiro matetika ny olom-pirenena. Fa saingy tena niavaka ny fahatapahana faritra maro sy ny faharetan'ity iray ity .

Nahatonga ny fanapahana tanteraka ny rafi-pifandraisana tao amin'ny firenena ihany koa ny fahatapahan-jiro ankoatra ny famelana ireo mponina tsy nisy fahazavana, fampangatsiahana, ny teknolojian'ny fitsaboana ary ny fitaovam-pitaterana mandeha amin'ny herinaratra .

Tany am-piandohana. Nisy ny afon-dasy narehitra nandritra ny 6 ora mahery nandritra ny fahatapahan-jiro tany akaikin'ny faritra misy anay.

Namoaka ny valin'ny andrana izay manaporofo fa nilatsaka ny fampiasana aterineto ny vondrona andrana teknika NetBlocks, izay manara-maso ny fifandraisana amin'ny aterineto sy ny fahatapahan-jiro any amin'ny firenena manerana izao tontolo izao, ary nanolotra ny lahatahirin'ny fiantraikan'ny fahatapahan-jiro niaraka tamin'izany ihany koa.

Fifandraisan'ny tambajotra ao Venezoela , Martsa 2019. Sary tao amin'ny Netblocks.

Nisesisesy ny hetsi-bahoaka sy ny fifandonana teo amin'ireo miaramila mpiara-dia amin'i Maduro sy ny mpitarika ny mpanohitra tohanan'ny Amerikana nanomboka tamin'ny tapaky ny volana Janoary raha nanohitra mivandravandra ny maha-ara-dalàna an'i Maduro i Guaidó ary nanambara ny tenany ho filoha vonjimaika, araka ny fototry ny lalàm-panorenana izy.

Vakio ny fitantarana manokana avy amin'ny Global Voices momba ny krizy any Venezoela

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.