· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2018

Kambôdza: Moanina Nosakanana Tsy Hanangona Sonia

  12 Avrily 2018

Miresaka mikasika ilay fanaparitahana feno herisetra an'ireo moanina izay naniry ny hanao fanangonantsonia tao amin'ny Masoivoho Vietnamiana tao Phnom Penh noho ny fitazonana tsy ara-drariny ny moaniana Kambôdziana iray, sy ny fibodoan'i Vietnam ny faritanin'i Kambôdza tamin'ny lasa, ireo bilaogera ao ivelany sy anatin'i Kambôdza.

Amerikana Manao Fangatahana Ara-Pitsarana Ao Shina

  10 Avrily 2018

Nivoaka vaovao i Julie Harms, Amerikanina nahazo diplaoma tao Harvard satria iray na vitsy, na angamba vahiny voalohany mpanao fangatahana ara-pitsarana tany Shina izy. Ny tranga nisy azy dia fitarainana amin'ny governemanta satria nogadraina noho ny fiampangana izay nolazainy fa tsy marina ny fofombadiny

Japana : Fanehoankevitra Manoloana Ilay Lazaina Fa Fanolanàna Tao Okinawa

  04 Avrily 2018

Nahatonga fiampangàna maro avy amin'ny mponina tao an-toerana, avy amin'ny politisiana, ary amin'ny governemanta sy ireo blaogera [ja] ilay vaovao tamin'ny herinandro farany teo izay nanambara fa nanolana mpianatra iray vao 14 taona monja tao Okinawa ilay "sergent" Tyrone Hadnott avy amin'ny "Marine" Amerikàna, nandrehitra ny hatezerana koa ny mbola fisian'ny toby miaramila Amerikana ao amin'ny Prefektiora farany atsimo ao Japana...Tetsy ankilany, tanaty bilaogy sy ny resaka tanaty aterineto, maro ireo Japoney no nanakiana ilay niharam-boina noho ny tsy fitandremana sy ny "famelàna" ilay fanolanana hitranga.