Ao Anatin'ny Famoretana Ny Mpanohitra, Vietnamiana 6 Mpikatroky Ny Zon'Olombelona No Miady Amin'ny Sazy An-tranomazina Maharitra

Cấn Thị Thêu, mpikatroka mavitrika amin'ny zo hanan-tany, mitarika diabe miaraka amin'ny zananilahy, Trịnh Bá Tư. Hoy ny vakin'ny sora-baventy: “Ny Rariny ho an'ny Mpirahalahy miandany amin'ny Demaokrasia.” Sary: pikantsary tao amin'ny/Trịnh Bá Tư
Ity lahatsoratra nosoratan'i Kathy Triệu ity dia avy amin'i Loa, tranokalam-baovao sy podcast (fandraketam-peo) an'i Viet Tan izay mandefa tantara momba an'i Vietnam. Navoaka tato amin'ny Global Voices indray izany noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Mpikatroka enina no voaheloka higadra eo anelanelan'ny fito ka hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina noho ny fiampangana “fanakorontanana” taorian'ny fitsarana nandritra ny tontolo andro tao Hanoi. Ireo no sazy henjana indrindra navoakan'ny fanjakan'antoko tokana ao Vietnam.
Nahazo ny sazy lava indrindra mandritra ny 15 taona sy dimy taona mihidy an-trano ambenana ilay mpisolovavan'ny zon'olombelona Nguyễn Văn Đài, 48 taona.
Araka ny voalazan'ny mpisolovava, Luân Lê, izay miaro ny sasany amin'ireo voampanga, nilaza i Nguyễn Văn Đài raha mbola tao anatin'ny efi-pitsarana narovana mafy fa “ny famindrampo ho an'ireo mpanohitra ara-politika amin'izao fotoana izao dia tena fihetsika famindrampo ho an'ny tenanao amin'ny ho avy.”
Trương Minh Đức nizara fihetseham-po mitovy amin'izany, milaza hoe: “Tsy manenina aho. Mitondra ahy any amin'ny fitsarana ianao androany, fa rahampitso dia mety hiatrika fitsarana ianao. “
Lê Thu Hà, mpisolovava manampy an'i Nguyễn Văn Đài, izay nosamborina niaraka taminy tamin'ny Desambra 2015 kosa nahazo sivy taona an-tranomaizina. Pastora Loterana Nguyễn Trung Tôn sy Trương Minh Đức samy nahazo sazy 12 taona an-tranomaizina. Nguyễn Bắc Truyển sy Phạm Văn Trội nahazo sazy 11 sy fito taona an-tranomaizina. Ankoatra an'i Lê Thu Hà, efa nogadraina mialoha ireo bilaogera sy olon-tsotra mpanao gazety.
Mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy ho amin'ny Demokrasia (BFD) izy enina, fikambanana izay mampiroborobo ny fandraisana andraikitra sivika ary manome fiofanana momba ny zon'olombelona. Nijoro tamin'ny taona 2013 ny vondrona, miaraka amin'i Nguyễn Văn Đài izay iray amin'ireo mpikambana mpanorina.
The trial of 6 Vietnamese activists is over.
Nguyen Van Dai 15 years
Nguyen Van Troi 7 years
Nguyen Trung Ton 12 years
Nguyen Bac Truyen 11 years
Truong Minh Duc 12 years
Le Thu Ha 9 years pic.twitter.com/S5bUmjofvi— Grace Bui (@gracebui2016) April 5, 2018
Tapitra ny fitsarana ireo mpikatroka Vietnamiana 6.
Nguyen Van Dai 15 taona an-tranomazina
Nguyen Van Troi 7 taona an-tranomazina
Nguyen Trung Ton 12 taona an-tranomazina
Nguyen Bac Truyen 11 taona an-tranomazina
Truong Minh Duc 12 taona an-tranomazina
Le Thu Ha 9 taona an-tranomazina pic.twitter.com/S5bUmjofvi
Tsindry mafy dia mafy amin'izay manivaka fiteny
Maneho hevitra momba ny fitsarana, nilaza i Lê Thị Thu Hằng, mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny fa, “tsy misy zavatra tahaka izany hoe “gadra noho ny fanehoan-kevitra” izany ao Vietnam, ary tsy misy izany hoe olona samborina noho ny “fanehoana hevitra an-kahalalana”
Faingana ireo olona namaly tao amin'ny Twitter.
This is such a joke. Thanks to those who dared asking the question in the first place though. Foreign delegations in #Vietnam should not let the authorities get away so easily from their international obligations regarding human rights. https://t.co/uJdAFNvxmr
— Jade Dussart (@JadeDussart) April 5, 2018
Mba vazivazy koa re izany. Misaotra an'ireo izay sahy nanontany voalohany. Tsy tokony hamela ny manampahefana hiala mora amin'ny adidin'izy ireo iraisampirenena mikasika ny zon'olombelona ny delegasioina vahiny ao Vietnam
A sad day for #PressFreedom: Only one day of trial to seal the fate of 6 #Vietnam bloggers and activists, including blogger Nguyen Van Dai, sentenced to 15 years of jail, and veteran journalist Truong Minh Duc, sentenced to 12 years. #StopTheCrackdownVNhttps://t.co/EeD0UPdMXj
— RSF_Asia-Pacific (@RSF_AsiaPacific) April 5, 2018
Andro mampalahelo ho an'ny #PressFreedom (Fahalalahan-gazety): Andro iray monja nitsarana hanomezana ny anjaran'ireo mpikatroka sy bilaogera #Vietnam miisa 6, anisan'izany ilay bilaogera Nguyen Van Dai, voaheloka higadra 15 taona, sy ilay mpanao gazety menavazana Truong Minh Duc, voaheloka higadra 12 taona an-tranomaizina.
Ny fikarohana farany indrindra avy amin'ny Amnesty International dia mampiseho fa efa manakaiky ny 100 ankehitriny ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra any Vietnam. Tamin'ny taona 2017 fotsiny, maherin'ny 40 ireo mpikatroka voasambotra, namoahana didy fampisamborana na nalefa an-tsesitany tao anatin'ny famoretana tsy mitsahatra ny fahalalaham-pitenenana.
Niampanga ny fanamelohana ihany koa ny Vondrona Eoropeana. Nilaza ny mpitondratenin'ny Vondrona Eoropeana avy amin'ny Sampan-draharaha misahana ny Hetsika Ivelany Eoropeana (EEAS) fa “manohy amin'ny fironana ratsy amin'ny fanenjehana sy fanamelohana ireo mpikatroky ny zon'olombelona sy bilaogera” ny any Vietnam.
Nilaza tamin'ny Loa i Nguyễn Trung Trọng Nghĩa, zanaky ny pastora Nguyễn Trung Tôn fa vaky fo noho ny sazy izy sy ny fianakaviany. Nitety izao tontolo izao i Nghĩa, fantatra koa amin'ny anarana hoe Effy mba hiaro ny rainy sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny BFD:
It’s really horrible because my grandmother is already 90 years old. I don't think she’s going to last the next 12 years,” he said. “I don't think my father will get the chance to see her again. [We are] a family who has a member dedicating their lives to society and this is what we get from the government.”
Tena mahatsiravina satria efa 90 taona ny renibeko. Tsy mihevitra fa mbola haharitra 12 taona manaraka izy,” hoy izy. “Tsy mihevitra aho fa ho afaka hahita azy indray ny raiko. [Fianakaviana] ahitana olona nanokana ny fiainan'izy ireo ho an'ny fiarahamonina ary dia izany no azonay avy amin'ny governemanta. “
Fanohanana ao an-toerana sy manerantany
Talohan'ny fotoam-pitsarana, nanao diabe roa kilaometatra niainga tao amin'ny Fiangonana Thái Hà hatrao amin'ny fitsarana ao Hanoi ireo mpanohana mba haneho firaisankina amin'ireo mpikatroka enina. Nisy horonantsary mivantana tamin'ny Facebook izay nampiseho ny fanentanana ary novakian'ny mpitandro filaminana sy ny polisy manao fanamiana sivily nony farany. Araka ny filazan'ny masoivohom-baovao iraisam-pirenena AFP, mpandray anjara roa farafahakeliny no nampidirin'ny mpitandro filaminana tanaty fiara tsy misy marika manokana, ary maro hafa no nampidirina tanaty fiara fitateram-bahoaka.
Tamin'ny andro mialoha ny fitsarana, olona an-jatony manerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanany ho an'ireo mpikatroka tamin'ny alalan'ny fizarana sary miaraka amin'ny marika hoe “Tsy heloka ny demokrasia” sy miaraka amin'ny tenirohy hoe #HAEDC, izay midika hoe Firahalahiana hoan'ny Demaokrasia.

“Tsy heloka bevava ny demokrasia. #HAEDC” Mpikatroka Héctor Castañón sy ny fianakaviany ao Meksika. Sary: Facebook Việt Tân
Nanasongadina ny raharahan'ireo mpikatroka ireo efa naharitra ho roa taona ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zon'olombelona sy ny fianakavian'izy ireo, ary nahasarika ny sain'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana mihitsy. Nihaona tamin'ireo masoivoho miisa fito ny mpikambana ao amin'ny fianakavian'ireo mpikatroka talohan'ny fitsarana mba hitalaho fanohanana sy fidirana an-tsehatra.

Manampahefana ara-politika avy ao amin'ny masoivohon'i Etazonia, Fanjakana Mitambatra, Frantsa, Alemaina, Soeda, Norvezy sy Aostralia miaraka amin'ireo fianakavian'ireo mpikatroka. Facebook Huyen Trang.
Satria tapitra ny fitsarana, na dia miatrika sazy folo taona mahery an-tranomaizina aza, nilaza i Nguyễn Bắc Truyển hoe “hanohy hitolona aho ary raha tsy maintsy mijanona ao am-ponja aho, hitolona ho ahy ny hafa any ivelany ary tsy hitsahatra amin'izany velively ry zareo.”
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...