Kambôdza: Moanina Nosakanana Tsy Hanangona Sonia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)

Nizara sary mampiseho hetsika nataon'ny mpitandro filaminana hanoherana moanina tany Kambôdza i Jinja, mpampiasa Flickr iray.

Police attack monks

Misy sary bebe kokoa ao amin'ny Ligy Kambôdziana Ho an'ny Fampiroboroboana sy Fiarovana ny Zon'olombelona.

Notoherin'ireo moanina ny fisamboran'i Vietnam an'i Tim Sakhorn, Kambôdziana moanina iray, tany am-piandohan'ity taona ity. Araka ny fanangonantsonia iray tao amin'ny tranonkalan'ny fanangonantsonia an-tserasera, nosamborin'ny manampahefana Kambôdziana i Tim Sakhorn ny 30 Jona noho ny ”fitarihana hetsika manimba ny fisakaizan'i Kambôdza sy i Vietnam.”. Nalàna tamin'ny toerany ara-pinoana ilay moanina ary avy eo dia toa tsy fantatra izay toerana nalehany. Tamin'ny volana Aogositra, nanambara ireo manampahefana Vietnamiana fa nosamborin'izy ireo i Tim Sakhorn noho ny hetsika izay manimba ny firaisankina ao Vietnam.

Maniry ny hamerenan'i Vietnam ilay tany Kambôdziana lazain'izy ireo fa nobodoin'i Vietnam taloha ihany koa ireo moanina. Nipoaka ny ady niaraka tamin'ny mpitandro filaminana rehefa nizotra nankany amin'ny Masoivohon'i Vietnam ireo moanina mba handatsaka fanangonantsonia.

Naneho hevitra momba izany olana izany ireo bilaogera tao Kambôdza sy tany ivelany.

  1. Moanina Mpiady An-dàlambe

2. Polisy Vs. Moanina Tohiny.

(Samy avy amin'ny Details are Sketchy avokoa)

3. Fiverenan'ilay Olana momba ny Moanin'i Kampuchea Krom (rohy maty)
(Avy amin'i Erik W. Davis ao amin'ny buddh•ism ad•junkt (rohy maty))

(Misaotra an'i John Weeks tamin'ireo rohy)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.