Qatar: Nanova Ny Pasipaorony Ho Qatari Ilay Mpanakanto Indiana MF Husain

(Marihina fa tamin'ny 27 Febroary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niraondraona ny Aterineto noho ny vaovao fa nanaiky ny tolotra zom-pirenena tsy dia fahita firy avy any Qatar, firenena kely mpandala ny nentin-drazana ao amin'ny Helodrano Arabika ilay mpanakanto indiana nampiady hevitra MF Husain, 95 taona .

“Nomem-boninahitra tamin'ny zom-pirenena Qatar ny tenako, teo amin'ny faha-95 taona, ilay mpanao sary hosodoko Indiana M.F. Husain” hoy ilay artista nanoratra tao amin'ny hatsikana an-tsary izay navoakan'ny gazety Indiana mpivoaka isan'andro amin'ny teny Anglisy The Hindu, namoaka ny vaovao.

Anisan'ireo mpanao sary hosodoko malaza indrindra any India i Husain, ary niasa tamin'ny tetikasa iray tany Qatar mahatafiditra ny tantaran'ny sivilizasiona Arabo izy noho ny fangatahan'ny vadin'ny mpitondra, Sheikha Mozah bint Nasser al Misned.

Nahagaga ny maro ny fanomezana ilay zom-pirenena satria niatrika fiampangàna maro tamin'ny zavatra mamohafady i Husain tany an-tanindrazany, izay nilaozany tamin'ny taona 2006 rehefa nipoitra ireo sary hosodoko mitanjaka mampiseho ny andriamanitra Haindò izay novokariny tamin'ny taompolo 1970, ka niteraka hetsi-panoherana, fanimban-javatra ary fandrahonana.

http://www.flickr.com/apps/slideshow/show.swf?v=71649

Tao amin'ny Twitter, hoy i @Iveegee hoe:

This is bizarre news. What does Qatar stand to gain from giving him citizenship?

Vaovao hafahafa izany. Inona no tombontsoan'i Qatar amin'ny fanomezana azy zom-pirenena?

Niantso ity fihetsika ity ho “voninahitra ho an'i Mr. Husain, ho an'ny fahaiza-manaony ara-javakanto, ary ho an'ny lanjan'izany izay maneho ny sivilizasiona ao India i N. Ram, mpanao gazety ao amin'ny The Hindu. Na izany aza, andro mampalahelo ho an'i India izany.

Niteraka fanehoan-kevitra miisa 116 ny vaovao tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka antserasera malaza Qatar Living,  talohan'ny nanakatonana ilay tranonkala noho ny fanamboarana nandritra ny faran'ny herinandro.

Nidera an'i Qatar ny olona sasany  sy ireo mpanohana ny fahalalahana ara-javakanto avy amin'ny fanjakana Miozolomana, raha nanontany tena kosa ny hafa hoe inona no tsy lavorary ao India ao, izay anjakan'ny demaokrasia lahika.

Hoy i Landcruiser_Qatar naneho hevitra hoe:

Very talented person and crappy countrymen running hate campaign. Hats off to MF Hussain.

Olona tena manan-talenta sy mpiray tanindrazana adala manao fanentanana fankahalàna. Fanajana ho an'i MF Hussain.

Hoy i Thoufy hoe:

is this democracy….?????? is this democracy….?????? Very Shame to our country…

izany ve no demaokrasia …. ?????? izany ve no demaokrasia …. ?????? Tena henatra ho an'ny firenentsika …

Nekena ho nanery tena hanao sesitany ny tenany avy any India i Husain, ary milaza ireo mpanao politika Indiana fa afaka mivezivezy araka izay tiany izy  .

Na izany aza, tsy maintsy namadika ny pasipaorony Indiana ho Qatari i Husain satria tsy azo atao ny mizaka ny zom-pirenena roa any an-tanindrazany .

Tao India, namaly ny vaovao niaraka tamin'ny andiana hafatra ireo mpisera Twitter, nanomboka tamin'ny fivalozana ka hatrany amin'ny fahatezerana .

Hoy i @gurgaonharyana:

m f hussain accepts qatar citizenship.big loss for india.we r such jerks.

Nanaiky ny zom-pirenena qatar i m f hussain. Fahaverezana goavana ho an'i India. Tena adala isika.

Hoy i @gulpanag hoe:

So Hussein accepts Qatar citizenship.Well,if his country of origin cannot guarantee his safety/wellbeing,he does have a case.

Nanaiky ny zom-pirenena ao Qatar izany i Hussein. Raha toa ka tsy afaka hiantoka ny fiarovana azy na ny fahasalamany ny fireneny , dia manana ny rariny izy.

Hoy i @rajizm hoe:

if he so couregeous let him paint some muslim painting in qatar nude and u will see he is dead next moment

Raha tena mahasahy toy izany tokoa izy, dia avelao izy hanao sary hosodoko Miozolomana mitanjaka any qatar ary ho hitanao eo raha maty izy rehefa vita izany

Ho hita eo ny karazana fahafahana maneho hevitra hananan'i Husain ao Qatar .

Hoy ilay mpaneho hevitra tao amin'ny Qatar Living, heero_yuy2 hoe:

I hope he won't have a hard time florishing his artistry here if we still even have some trouble on media freedom around here.

Manantena aho fa tsy ho sahirana izy hampiroborobo ny zavakantony raha toa ka mbola manana olana momba ny fahalalahan'ny fampitam-baovao isika eto.

Ary hoy i svelte_saggi:

Anytime that religion has been represented as art in a derogatory manner,it has ended in chaos.

Isaky ny misy ny fanehoana ny fivavahana amin'ny endrika zavakanto amin'ny fomba tsy mendrika, dia mifarana amin'ny korontana hatrany izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.