Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2016
Gidragidra Tamin'ny Marathon'i Skopje Ilazàn'ny Mpikatroka Manohitra Ny Tsimatimanota Fa Santionan'ny Herisetran'ny Governemanta Ireny
"Tsy dia nisy fiantraikany lehibe, saingy miharihary fa mihevitra ny fampiasan-kery ho fitaovam-piadiana azo ampiasaina ny fitondrana"
Ny Firenena Mikambana Miresaka Ny Hoavin'Ireo Mpampandry Tany Any Andrefan'i Sahara, Ny Sahrawis Kosa Mamoaka An-gazety Ny Resaka Zon'Olombelona
Raha nihaona tamin'iny herinandron'ny 25 Aprily iny ireo diplaomaty iraisampirenena mba hamaritra izay hoavin'ny Iraka Mpampandry Tany Avy amin'ny Firenena Mikambana any Sahara Andrefana, nanao hetsi-panoherana kosa ireo mpanao fihetsiketsehana nanerana ilay faritra voabodo nitakiany ny fizakantenany sy ny fanajàna ny zon'olombelona.
Inona Ny Idiran'ny Lalao Cricket IPL Amin'ny Tantsaha Tratran'ny Haintany ao India?
Maro nahatratra hatramin'ny 3.228 ireo tantsaha matin'ny famonoan-tena tao Maharashtra tamin'ny 2015; izany hoe saika tantsaha sivy isan'andro izany.
Mikorontandrontana i Gambia, Fa Dia Tsy Misy Fantatrao Na Kely Aza
Nisehoanà fihetsiketsehana tsy mbola nisy toa azy tao Gambia tamin'iny volana lasa iny. Tsy dia nahasarika loatra ny sain'ireo mpampahalala vaovao erantany izy ireny, saingy nanaraka azy kosa ny GV.
Inona No Mitranga Amin'ny Politika Afrikana Tatsimo? Araho Fotsiny Ny Tenifototra
Fantaro ny momba ireo tenifototra valo izay manamora ny adihevitra ara-politika sy mikarakara fihetsiketsehana any Afrika Atsimo mihitsy aza.
Manohitra Ny Tolo-kevitr'i Etazonia Amin'ny Fanarahamaso Ny Tetibola Ny Pôrtô Rikana
Hoy ny vakin'ny sora-baventy tamin'ny diabe "Hidiran-trosa ny hoavinay" sy "birao mpanaramaso Ara-bola, fanandevozana ny zanatany."
Miantso Ny Fiarovana Ireo Mpiaro Ny Tontolo Iainana Eny Ifotony Ao Kambodza Ny Tambajotra “Tsy Mila Iray Fanampiny”
"Asa manan-danja indrindra azon'ny tsirairay atao ny fiarovana ny tontolo iainana, ka tsy tokony ho anisan'ireo mampidi-doza."
May i Aleppo: Ovay Ho Mena Ny Sarinao Amin'ny Media Sosialy Ho Firaisankina.
"Voafafa ao anaty sarintany" i Aleppo araka ny vakianao amin'ireo andalana ireo. An-jatony ireo namoy ny ainy tao anatin'izay andro vitsy izay ka miantso izao tontolo izao ny mpikatroka mba hijery ny manjoa azy ireo.
Miady Amin'ny Tahotra Sy Ny Famoizam-po Migadra An-Trano Manokana Ao Makedonia
Notanana tamin'ny trano ambenana manokana ao Makedonia ilay tovolahy mpianatra lalàna 19 taona, nanazava ny antony mahatonga ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony tahaka azy leo ireo mpitarika ao amin'ny firenena izy.
Nanafoana Ny Fandefasana Ilay Sarimihetsika Momba Ilay Mpiaro Ny Tontolo Iainana Nisy Namono
Manome ohatra hafa amin'ny kolontsaina misongadin'ny tsimatimanota ao Kambodza sy ny halavan'ny tanan'ny governemanta hiarovana azy io izany fandraràna izany .