Gidragidra Tamin'ny Marathon'i Skopje Ilazàn'ny Mpikatroka Manohitra Ny Tsimatimanota Fa Santionan'ny Herisetran'ny Governemanta Ireny

"Run as if you're carrying the news of Gruevski's imprisonment" sign at Wizz Air Skopje Marathon 2016. Photo by Protestiram Facebook Page.

Lehilahy iray mihazona sora-baventy izay mivaky hoe “Ataovy tahaka ny hoe mihazakazaka mitondra ny vaovao famonjana an'i Gruevski ianao” nandritra ny Hazakazaka Marathon Wizz Air Skopje 2016. Sary avy amin'ny Pejy Facebook Protestiram.

Tehamaina nandrivorivo nandritra ny Marathon'i Skopje tamin'ny 8 May ny sora-baventy manohitra ny fanaovana ny Praiminisitra teo aloha Nikola Gruevski ho tsimatimanota notazonin'ny mpikatroka iray.

Iray amin'ireo politisianina Makedoniana lohalaharana eo ambany fanadihadiana noho ny kolikoly i Gruevski. Ilay sora-baventy mivaky hoe : “Ataovy tahaka ny hoe mihazakazaka mitondra ny vaovao fanagadrana an'i Gruevski ianao” Telo lahy no nifampitana tamin'ilay mpikatroka, nisintona ary nandrovitra ilay sora-baventy, nanosika azy ary namely azy teo amin'ny tavany.

Iray amin'ireo lanonam-bahoaka lehibe indrindra ao an-drenivohitr'i Makedonia ny Marathon'i Skopje, ary misy mpandray anjara an'arivony. Tato anatin'ny taona vitsivitsy izao dia notohanana sy nomena ny marika Wizz Air izany, dia mpitatitra an'habakabaka mandray fanampiana avy amin'ny governemanta hanome sidina amin'ny vidiny takatry ny rehetra miainga avy any Skopje mankany amin'ny seranam-piaramanidina maro any Eoropa.

Nandritra ny marathon, tahaka ny any amin'ny faritra hafa rehetra amin'izao tontolo izao, dia samy naneho ny fanohanany ireo lohahevitra samihafa na ny mpandray anjara na ny mpitazana – na noho ny sary famantarana ny orinasany, na hafatra fampaherezana ho an'ny olon-tiany mihazakazaka, na  fanambarana politika – eo amin'ny T- shirt, sora-baventy ary peta-drindrina. Tamin'ity taona ity, maro ny mpanatrika nanararaotra  ny fotoana mba hanehoana ny fanohanany ny antsoina hoe Revolisiona Maro Loko, hetsi-panoherana izay niseho taorian'ny fanambaran'ny Filoha Gjorge Ivanov amin'izao fotoana izao hametraka tsy fahazoana mikitikitika ara-pitsarana ireo politisiana ambony sy ny mpiara-miasa aminy ahiahiana ho nanao hosoka tamin'ny fifidianana sy fanararaotam-pahefana.

Tao amin'ny media sosialy, manombana ny sasany fa miasa ao amin'ny orinasam-panjakana ny iray tamin'ireo telo lahy izay nisintona ny sora-baventy, nefa ny hafa kosa miahiahy fa mety manana fifandraisana amin'ny orinasam-piambenana an'ny havan'i Gruevski izy io.

Ao amin'ny Facebook,  nanazava ny fahitany ny zava-nitranga ilay mpikatroka sady mpandalina Ivana Јordanovska:

There hasn't been a major incident, but it's obvious that the regime considers even the use of force as a potential weapon.

Tsy dia nisy fiantraikany lehibe, saingy mazava anefa fa mihevitra ny fampiasan-kery ho toy ny fitaovam-piadiana azo ampiasaina ny fitondrana.

Tsy vao voalohany tamin'ny fanoherana ny tsy fankasitrahana ny governemanta nahitana herisetra izany. Tamin'ny 2015, nisy am-polony ny zava-nitranga nahazo ireo mpanao gazety tsy miankina na ireo mpikatroka; tamin'ny tranga toy izany, nidaroka mpanao gazety nitondra fakantsary ny Praiminisitra lefitra Vladimir Peshevski, ary tsy nisy tohiny izany tatỳ aoriana.

Araka ny mpiaro ny zon'olombelona, mandrisika  ny hafa hanao herisetra tahaka izany koa ny tsy fahazoana mikitikitika olona ara-pitsarana. Tamin'ny Febroary 2016, maty voadaroka tao amin'ny fivarotana an-tanàna kely iray ny lehilahy zokiolona iray, voalaza fa taorian'ny “niderany ny asan'i Katica Janeva Lehiben'ny Fampanoavana Manokana” – izay nanao famotorana  kolikoly avo lenta- no nisian'izany” sady naneho ny finiavany amin'ny fanenjehana ara-pitsarana ireo minisitra teo aloha avy amin'ny antoko [mitondra] VMRO-DPMNE.”

Taorian'ilay gidragidra tamin'ny hazakazaka marathon, namoaka lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Iza ireo ny jiolahimboto eto?” ny hetsika ankavia Solidarnost (midika hoe “Firaisankina”) izay milaza fa iray amin'ireo mpikatroka avy ao aminy ilay lehilahy mihazona ny sora-baventy. Misy sary maromaro natohy ao anatin'ny lahatsoratra avy amin'ilay tranga ka nasiana Sary nahetsika GIF:

Animated gif with photos depicting the attack on activist at Skopje Marathon. Photo by Solidarnost, used with permission.

GIF nahitana ireo telolahy maka ny sora-baventin'ilay mpikatroka ary hita fa nanosika azy tao amin'ny Marathon Skopje. Sary: Solidarnost, nahazoana alàlana.

Nanambara ny Solidarnost fa nisy mpikatroka hafa tao noterena hanala ny taratasy fametaka na ireo fitaovana hafa. Nanamarika fa efa herintaona izao ilay sora-baventy, ary nampiasaina manokana nandritra ny marathon 2015 izany, nanampy izy ireo fa mikasa ny handray anjara amin'ny fifaninanana ofisialin'ny sora-baventy tsara indrindra mandritra ny lanonana. Raha mahazo ny loka izany, hoy ny hetsika dia ho ampiasaina handoavana ny lamandy sy ny onitr'ireo mpanao hetsi-panoherana voasazy izany. Nofaranany tamin'ny hoe :

Ги потсетуваме сограѓаните и организаторите дека Скопскиот маратон е во чест на победата над фашизмот (9 мај 1945). Очигледно е дека и денес ние сѐ уште се бориме со внатрешниот фашизам кој користи сила во обезбедувањето едноумие, се заканува и тепа бидејќи не му се допаѓа нечиј транспарент. Повторуваме – нас ќотекот и притисокот нема да нѐ заплашат, туку само нѐ мотивираат да бидеме погласни и поистрајни во борбата. Ќе дадеме сѐ од себе што поскоро Груевски да оди во затвор, а потоа ќе трчаме наоколу да ја шириме добрата вест!

Смрт на фашизмот, слобода на народот!

Честит 9 мај!

Повторно ќе победиме!

Mampahatsiahy ny mpiray tanindrazana amintsika izahay fa natao ho fanomezam-boninahitra ny fandresena manoloana ny fasisma (9 May 1945) ny Marathon'i Skopje . Miharihary ankehitriny fa mbola miady amin'ny fasisma ato an-tanindrazana izay mampiasa hery hisorohana ny fahamaroan-kevitra isika, fa mandrahona sy midaroka olona ry zareo ​​rahefa tsy tiany ilay sora-baventy. Averinay fa tsy hatahotra ny vono sy ny fanerena izahay, manome fandrisihana ho anay ho hiteny mafy kokoa sy hiaretana bebe kokoa eo amin'ny tolona ataonay izany. Hanao izay rehetra azonay atao izahay hahatonga an'i Gruevski ho any am-ponja haingana araka izay azo atao, ary avy eo izahay, hihazakazaka hampiely ny vaovao tsara!

Matesa ny Fasisma, fahalalahana ho an'ny vahoaka!

Miarahaba ny 9 May izahay!

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.