Inona Ny Idiran'ny Lalao Cricket IPL Amin'ny Tantsaha Tratran'ny Haintany ao India?

Drought. Image from Flickr by Aasif Iqbal. CC By-NC-ND

Haintany. Sary avy amin'ny Flickr an'i Aasif Iqbal. CC By-NC-ND

Tahaka ny fivavahana ny lalao cricket ao India. Ary an-tapitrisany ny mpanaraka ny Indian Premier League (IPL), ilay fifaninanana fiadiana ny ho tompondaka fanao isan-taona momba izany ao an-toerana. Ny IPL no lalaon'ny ligy cricket be mpanatrika indrindra manerantany ary mitana ny laharana fahaenina amin'ny lalaon'ny ligy rehetra. Indostiria manana sanda 3,2 miliara dolara miaraka amin'ny lavantim-pilalao sy dokambarotra mampody mandry ary ireo lanonana mifandraika amin'ny fampitam-baovao, fampiroboroboana ary seho isan-karazany.

Ny lalao IPL dia omaninan'ny Birao Fanaraha-maso ny Cricket ao India (BCCI) ary tontosaina any amin'ireo kianjabe isan-karazany manerana an'i India. Araka ny lalàna iraisampirenena, 300.000 litatra no ilaina hitazonana saha cricket iray.

Ny olana dia ao anatin'ny haintany mafy tsy misy rano no iorenan'ny Fanjakana Indiana ao Maharashtra.

Vitsy ny rotsak'orana tao anatin'ny taona vitsivitsy izay ary ritra ny ankamaroan'ny tohodrano. Nolazaina ho tratran'ny haintany ny mihoatra ny atsasaky ny tanànakely miisa 43000 ao amin'ny fanjakana. Nambara ho nisy haintany ny tanànakely miisa 14708 tamin'ny 2015.

Izany no mahatonga ny fikambanana tsy mitady tombontsoa anankiroa, ny Hetsika Loksatta na the Loksatta Movement sy ny Orina Mpanasoa ho amin'ny Fanitsiana Demokratika na the Foundation for Democratic Reforms, nanoratra Public Interest Litigation (PIL) na fombam-pitsarana hanampiana ny mahantra sy ny atao anjorom-bala, tao amin'ny Fitsarana Ambony ao Bombay handresen-dahatra fa raha manaraka ny torolalana iraisampirenena ny IPL, dia rano goavana dia goavana no ho very amin'ny fikarakarana ny kianja amin'ireo lalao omanina ao Maharashtra amin'ity volana Avrily sy Mey ity. Mandresy lahatra ny fanangonan-tsonia ataon'izy ireo fa rano manodidina ny 6 tapitrisa litatra no ilaina hitazonana ireo saha amin'ny kianjaben'i Mumbai, Pune ary Nagpur, ao Maharashtra.

Tamin'ny 13 Avrily, namoaka didy ny IPL ny Fitsarana Ambony ao Bombay ny hamindrana ny lalao rehetra ho any ivelan'i Maharashtra aorian'ny 30 Avrily.

Ilay haintany mahafaty

Ireo haintany mitranga amin'izao fotoana izao ireo no manery ny tantsaha hifindra any an-tanandehibe hiasa. Mizaka trosa miavosa ireo tantsaha ireo, maro amin'izany trosa izany no mitarika ny tantsaha hamono tena. Maro nahatratra hatramin'ny 3.228 ireo tantsaha matin'ny famonoan-tena tao Maharashtra tamin'ny 2015; izany hoe saika tantsaha sivy isan'andro izany.

Na izany aza dia misy manohitra amin'izao fotoana izao ireo zavatra nolazain'ny fikambanana roa mpikarakara ny fanangonan-tsonia ireo. Misioka ny mpandray an-tanana Akademika V Vinay:

6. Kely loatra izany 6 tapitrisa litatra izany ka tena tsy mampihomehy mihitsy izany hoe misy ny mpanango-tsonia, ary dia misy ny mpitsara ambony miady hevitra amin'izany!

IPL, osy anilihana ota?

Araka an'i Vinay, ny fandaniana isan-taonan'olona 175 ao Maharashtra no 6 tapitrisa litatra ary izany dia ao amin'ny fanjakana ahitana mponina tokotokony ho 110 tapitrisa.

Manoratra i Akshaya Mishra ao amin'ny Firstpost :

The concern for the suffering people in drought-hit regions is genuine, but the solution to it appears a knee-jerk one. In IPL we seem to have discovered the villain we all need to target our anger against. It appears silly, at best an escapist approach to a massive humanitarian problem. It’s sillier that people would come up with ‘conscience’ and ‘morality’ tests over it.

Tena misy tokoa ny fijalian'ny olona tratran'ny haintany any amin'ny faritra any, saingy tahaka ny vali-bontana kosa ny vahaolana amin'izany. Ao amin'ny IPL isika no tahaka ny mahatsikaritra ilay ratsy tarehy ilaintsika atao lasibatra amin'ny hatezerantsika. Mampalahelo izany, fomba fijery mandositra andraikitra manoloana ny olana goavan'ny zanak'olombelona. Mbola mampalahelo kokoa fa misy ny olona ‘vory saina’ sy ‘vory fanahy’ mitsapatsapa lalana ao amin'izany fomba fijery izany.

Manoratra ao amin'ny blaoginy manokana i Rajdeep Sardesai mpanao gazety malaza sady mpanao matoandahatsoratra:

To target the IPL or the BCCI for a serious water crisis is typical of how we trivialise grave issues. Moving cricket matches out of Maharashtra will have zero impact on the state’s drought prone belt: It is misplaced tokenism designed to grab headlines but makes no difference to the lives of water starved millions.

Ny famelezana ny IPL na ny BCCI amin'ny olana goavan'ny rano no mampiavaka tokoa amin'ny fomba fanaovantsika tsinontsinona ny olana mihatra aman'aina. Tsy hisy fiantraikany amin'ny fifehezan'ny fanjakana ny haintany ny famindran-toerana ireo lalao fifanandrinana ho any ivelan'i Maharashtra: Manova lohahevitra hanaovana lohateny manintona izany fa tsy manova na inona na inona amin'ireo olona an-tapitrisany matin'ny hetaheta.

Milaza ireo Cricketers fa tsy mamaha ny olan'ny haintany ny famindran-toerana ny IPL:

Raha hamaha ny olan'ny haintany ny tsy fanaovana #IPL, dia tokony hitsahatra amin'ny filalaovana cricket izahay: Dravid

Tsy mamaha olana amin'ny haintany ny famindrana lalao IPL 9: Dhoni: Ao anatin'ny fahatezerana amin'ny fanatontosana lalao IPL any amin'ireo tratran'ny haintany…

#IPL4DroughtVictims

Misy ireo mpisera Twitter sasantsasany manolo-kevitra ny amin'ny fomba ahafahan'ny IPL manampy ireo tra-boinan'ny haintany:

Afaka mieritreritra ny hanome ‘x’ isanjato amin'ny totalin'ny vola azon'ny IPL ho an'ny tra-boinan'ny haintany ve ny #BCCI sy ny governemanta? Eritreritra fotsiny

Nisy diezy #IPL4DroughtVictims nanomboka nalaza ary ao no hanoloran'ny olona hevitra fa tokony hanao fanomezana amin'ireo tra-boinan'ny haintany avy amin'ny tombom-barotra azony ny lalao IPL.

Tsy miara-dia amin'ny lalao ao amin'ny toerana misy olona tena matin'ny hetaheta mitady teten-drano iray aho?? [mandrara ny IPL] ao #Mumbai #IPL4DroughtVictims

Ny manjò ireo tantsahantsika mahantra ao anatin'ny haintany. Ary mandany an-tapitrisany amin'ny #IPL isika sy rano ho amin'izany lalao izany. Mampahonena an!

Mila fanavaozan-drafitra, fiantohana amin'ny fahakelezam-bokatra, fiantohana amin'ny fidiram-bola ary fampitrosana manome vahana azy ireo. Raha lazaina tsotra dia rafitra ahafahan'izy ireo manana fiainana voaantoka.

Manoratra ao amin'ny blaogy New18 i Ayushman Jamwal fa manana osy anilihana ota ny IPL manoloana ny krizin'ny haintany:

Maharashtra has faced drought and farmer suicides, highlighting the systemic failure of the state administrations to tackle a recurring problem. [..]

The court drama and media coverage has emerged as nothing more than moralistic outrage dragging a usual suspect to the middle of the stage.

This case has proven that even the ‘wisdom’ of the courts can fall prey to loud and ridiculous narratives, which repeatedly dominate the public sphere. Political parties, advocacy groups and media organisations push a narrative and someone wins, but the poor farmer in Maharashtra still loses.

Niatrika ny olan'ny tsy fisian-drano sy ny famonoan-tenan'ny tantsaha i Maharashtra, izay manasongadina ny tsy fahombiazan'ny rafitra napetraky ny fitantanan-draharaham-pirenena hiatrehana ity olana efa mpitranga ity. [..]

Tsinontsinona tsy tafahoatra ny fanafintohinana ara-maoraly mametraka olona ahiahiana eo afovoan'ny sehatra ny seho eny amin'ny fitsarana sy ny tatitry ny famoaham-baovao.

Manaporofo ity raharaha ity fa na ny “fahendren'ny” fitsarana aza dia mety ho tafalatsaka ao anaty fitantarana mitabataba [nefa] tsy misy dikany, izay tsy mitsahatra ny mibahan-toerana eny amin'ny tontolom-bahoaka. Mandroso fomba fitantarana iray ny antoko politika, ny vondrom-piarovana mpitondra teny ary ny fikambanana mpampita vaovao ka misy ny olona mandresy, fa ny tantsaha mahantra kosa mbola resy hatrany.

Fahaketrahana tsy voakarakara no miteraka famonoan-tena voalohany. Azo karakaraina ny fahaketrahana ary azo sorohina ny famonoan-tena. Mety hahazo fanampiana avy amin'ny fanohanana an-tsofindavitra ianao hikarakarana ireo te-hamono tena sy ireo tratran'ny krizy ara-pihetsehampo. Tsidiho ny Befrienders.org hahitanao antso an-tsofindavitra isorohana famonoan-tena ao amin'ny firenenao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.