Miady Amin'ny Tahotra Sy Ny Famoizam-po Migadra An-Trano Manokana Ao Makedonia

Borjan Eftimov (on the left) participating in the protest few days before he was called for questioning by the police and detained in house arrest. Photo: Facebook.com/eftimov.borjan used with permission

Borjan Eftimov (eo ankavia) mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana andro vitsivitsy talohan'ny nampanantsoana azy ho ataon'ny polisy famotorana. Notanana izy taorian'izany ary napetraka amin'ny trano ambenana manokana. Nahazoan-dalana.

Manoloana ny hetsi-panoherana an-dalambe ahitana vahoaka an'arivony, nanamafy ny famoretan'ny polisy amin'ity antsoina hoe hetsika “Manohitra Aho” (#протестирам | #protestoj) ity ny manampahefana Makedoniana.  Efa antsasaky ny am-polon'ny mpanao fihetsiketsehana malaza no notanana sy nampidirina amin'ny trano ambenana manokana noho ny fiampangana azy ireo ho nandray anjara tamin'ny korontana.

Anisan’ireo voasambotra ilay tovolahy 19 taona, mpianatra lalàna antsoina hoe Borjan Eftimov, nampanantsoin'ny polisy izy mba atao famotorana tamin'ny tapaky ny volana Aprily. Rehefa nanao tatitra an-kitsim-po tany amin'ny paositry ny polisy izy, voampanga ho nandroba ny biraon'ny filoham-panjakana misahana ny vahoaka tamin'ny 13 Aprily izy  ary napetraka tamin'ny trano ambenana nandritra ny valo andro. Miaiky i Eftimov fa nitora-bato ny varavarankelin'ny trano ary nanala seza tao anatiny, saingy tsy nanaiky hamela azy hiaiky heloka tamin'ny fomba ofisialy ny manampahefana mpampihatra lalàna.

“Raha ny marina, tsy mbola nanao fanambarana ofisialy aho fa meloka, ary misoroka izany ny mpampanoa lalàna satria, raha miaiky ny heloko aho, tsy misy antony ny fihazonana ahy,” hoy i Eftimov nanoratra tao amin'ny sata Facebook vao haingana tany an-tranony.

Tamin'ny volana Aprily, rehefa namita valo andro tany amin'ny trano ambenana i Eftimov, nangataka tamin'ny fitsarana ireo mpampanoa lalàna mba halavaina 30 andro ny fihazonana azy. “Ny fanamarinana nolazain'izy ireo dia hoe mety hamerina ny heloka aho na handositra ny firenena,” hoy i Eftimov tamin'ny Global Voices.

Borjan Eftimov2

Te hampitahotra ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Makedoniana, hoy ilay mpianatra lalàna 19 taona Borjan Eftimov, mandrisika ny olona mba hanatevin-daharana ny hetsika. Nahazoan-dalana ny sary.

“Menatra amin'ny maha-mpianatra lalàna ahy ao amin'ny firenena midaroka mpianatra aho… ary ireo eo amin'ny fahefana manitsakitsaka ny lalàna rehetra kanefa mandritra izany fotoana izany, misy ny sazy  fanagadrana goavana omena noho ny fandraisana anjara amin'ny hetsika raha toa ka tsy misy ny sazy, tsy misy ny fanenjehana, tsy misy fitazonana ho an'ireo eo amin'ny fahefana meloka fa famindram-po fanafenan-keloka fotsiny,” hoy i Eftimov nanoratra tao amin'ny Facebook, manondro ny fanapahan-kevitry ny filoha Gjorge Ivanov hamoaka fiarovana ara-pitsarana fanafenan-keloka ho an'ireo mpanao politika ambony maherin'ny 50. Izany hetsika izany no nahatonga ny fihetsiketseham-bahoaka ankehitriny ao Makedonia.

Tamin'ny 12 Aprily, nanambara ny Filoha Gjorge Ivanova ny fanapahan-keviny hanitatra ny tsy ampiharan-dalàna ho an'ireo mpanao politika rehetra sy ny mpiara-miasa amin'izy ireo izay nanaovan'ny Biraon'ny Fampanoavan-dalàna Manokana famotorana noho ny fiahiahiana kolikoly, fihainoana resaka tsy ara-dalàna, hoso-pifidianana, fanararaotam-pahefana, eny hatramin'ny fanafenana vono olona. Nilatsaka tamin'ny taona lasa tamin'ny resaka nohainoina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna tafaporitsaka navoakan'ny filohan'ny mpanohitra ara-politika ao Makedonia, Zoran Zaev, ny ampamoakan'ny heloka bevava, izay miampanga ny praiminisitra teo aloha, Nikola Gruevski, ho nanome baiko ny polisy mba hihaino amin'ny fomba tsy ara-dalàna ny resaka ataon'ny olom-pirenena maherin'ny 20.000..

Maro ihany koa ireo mpanao hetsi-panoherana tezitra mafy fa mandà tsotra izao ny fampakarana ny raharaha teny amin'ny fitsarana ambony nataon'izy ireo ny fitsarana ao Makedonia, rehefa tafiditra ny fiampangana avy amin'ny Biraon'ny Fampanoavan-dalàna Manokana. Milaza ireo mpitsikera fa vokatry ny kolikoly mieli-patrana eo amin'ny fitsarana izany. Niasa ny mpiserasera sy ny tranonkala maromaro mba hampiely ny tantaran'i Eftimov, mizara izany indray ao amin'ny haino aman-jery sosialy ary mandefa ny pikantsarin'ny sata Facebook-ny.

Te hanaparitaka tahotra eo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Makedoniana, araka ny fiheveran'i Eftimov, ary mandrisika olona maromaro kokoa izy mba hanatevin-daharana ny fihetsiketsehana. “Raha tsy tianao hiharan'ny fampijaliana ara-tsaina sy ny fampahoriana ao amin'ny trano feno kizon'ny fitondrana ianao, dia mankanesa eny an-dalambe miaraka amin'ny mpiara-miasa aminay sy ny namanay, ka miasa-miaraka, isika no fiovana irintsika mafy,” hoy i Eftimov nanoratra tamin'ny aterineto, alohan'ny nanampiany hoe, “Hiaritra isika fa tsy hanaiky hijanonana an-tenatenan-dalana!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.