Tamin'ny Alahady 1 Mey, Andro Iraisampirenena ho an'ny asa, olon-tsotra, sendika sy vondrona ara-politika isan-karazany no nikarakara diabe goavana manohitra ny tolo-kevitry ny Kongresin'i Etazonia hametraka Birao Federaly Mpanaramaso ny Tetibola miaraka amin'ny fahefana goavana ao Pôrtô Rikô.
Miatrika krizy ara-bola mafy ny nosy, izay faritany tsy natambatra tamin'i Etazonia. Nanambara ny governoran'i Portô Rikô, Alejandro García Padilla fa tsy namoaka ny vola $ 422 tapitrisa handoavana trosa tokony naloa tamin'ny Alatsinainy 2 Mey ny tenany tamin'io andro io. Amin'ny 1 Jolay ny fe-potoana farany fandoavam-bola. Eo ho eo amin'ny 72 dolara lavitrisa eo ny fitambaran'ny trosam-panjakana ao amin'ny firenena.
Milaza ny tsikera, ankoatra ny zavatra hafa, fa hifantoka amin'ny fandoavana ny volan'ireo tompon-trosa ny Birao Federaly Mpanaramaso ny Tetibola fa tsy hametraka fepetra hampandrosoana ny toekarem-pirenena, ary fitaovana iray hafa amin'ny fanarahamaso sy fitsabahan'ny mpanjanaka izany. Tsy hamela an'i Pôrtô Rikô hanavao ny trosany na hanova ny zava-misy izany fa tsy afaka misitraka tombontsoa amin'ny Lalàna Amerikana momba ny fahafatesan'orinasa ny nosy. Nitarika ny fifindramonin'ireo Pôrtô Rikana marobe ny fitontongan'ny toekarena ankehitriny noho ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny tsy fisian'ny asa.
Ny Foiben'ny Toekarena Vaovao, fikambanana mahaleotena, tsy mitady tombontsoa sy tsy mitanila, izay mifantoka amin'ny fampiroboroboana ny politika ara-tsosialy-toekarena ho an'i Pôrtô Rikô, dia nanolotra Lalàna Fandraisan'andraikitra Ara-ketra ho vahaolana:
Una Ley de Responsabilidad Fiscal, impulsada y manejada localmente, que busque reformar las instituciones clave y adopte una regla fiscal bien diseñada puede no solamente transformar la posición fiscal de Puerto Rico sino que puede a la vez introducir reformas de gobernanza que aseguren la solvencia y sostenibilidad fiscal del gobierno en el largo plazo. Una Ley de Responsabilidad Fiscal atiende las preocupaciones legítimas del gobierno federal y los reparos políticos que han surgido en la isla alrededor de la propuesta para una junta de control fiscal.
Tsy hanova ny sata ara-ketran'i Pôrtô Rikô ihany, ny Lalàna Fandraisan'andraikitra Ara-ketra nanaovana fanentanana sy notantanina tao an-toerana, izay mikendry hanitsy ireo rafi-panjakana lehibe sy handray fitantanana ara-ketra tsara volavola, fa hampiditra fanitsiana ara-pitantanana ihany koa hiantohana ny fahafahana mandoa hetra sy ny fahamarinan-tenan'ny fitondrana ao anatin'ny fotoana maharitra. Ny Lalàna Fandraisan'andraikitra Ara-ketra dia mamaly ireo ahiahy ara-dalàna eo amin'ny governemanta federaly sy ny tsikera ara-politika izay nipongatra tao amin'ny nosy noho ny tolo-kevitra hametrahana birao mpanaramaso ara-bola.
Indreto sary sasany tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny birao mpanaramaso ara-bola tamin'ny 1 Mey, izay nozaraina tao amin'ny haino aman-jery sosialy: