May i Aleppo: Ovay Ho Mena Ny Sarinao Amin'ny Media Sosialy Ho Firaisankina.

Aleppo is burning. Make your social media profile photograph red to show you care. Photo credit: @egyfree4 (Twitter)

May i Aleppo. Ataovy mena ny sarinao ao amin'ny media sosialy mba hanehoana fa miraharaha ianao. Sary malaza amin'ny aterineto

“Voafafa tao anaty sarintany ” i Aleppo, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Syria aorian'ny renivohitra Damaskosy, araka ny vakinao amin'ireo andalana ireto. Sivily an-jatony no namoy ny ainy nandritra izay 11 andro izay ka manao antso avo amin'izao tontolo izao ny mpikatroka sy ny mpiserasera mba hijery ny manjò azy ireo.

Mandeha ny fanentanana amin'izao fotoana izao, miantso ireo mpanohana manerantany mba hanova ho mena ny sary famantaran'izy ireo ao amin'ny media sosialy ho hanehoana ny fanohanan'izy ireo ny fanatsaharana ny vono olona mihatra amin'ny sivily satria manohy midaroka baomba an'habakabaka ao amin'ireo faritra fehezin'ireo mpioko izay tombanana fa mampiantrano olona hatramin'ny 350.000 eo ny tafiky ny fitondram-panjakana Syriana.

Ny tafika an'habakabaka sy ny Rosiana mpiara-dia amin'izy ireo ihany no manana fahafahana midaroka baomba an'i Aleppo avy any ambony – ary samy mandà ho tsy nampanjavona an'i Aleppo ny roa tonga.

Nilaza i Kerry fa tsy nidaroka baomba an'i Aleppo ny Rosiana.

Manome vaovao farany mahaketraka isan'andro avy ao an-tanàna ilay mpanao gazety mpaka sary Hadi Al Abdallah, ao Aleppo:

Midaroka baomba ireo faritra sivily ao Aleppo tao anatin'ny valo andro misesy ny fiaramanidina mpiady.

Vao androany [teny anglisy], nizara ireto sarina fiara mpitondra marary voatafika tamin'ny daroba baomba an'habakabaka ireto izy:

SARY: Mikendry fiara mpitondra marary sy ny ekipa mpamonjy voina eny an-dalana hamonjy ireo naratra ao amin'ny distrikan'i al-Hulik, Aleppo ny daroka baomba an'habakabaky ny fitondrana.

Tamin'ny 30 Aprily, nizara ity sary misy ny tafik'i Assad midaroba baomba ny hopitaly Al Quds ao Aleppo ity izy:

LAHATSARY: Fakan-tsary fanaraha-maso tamin'ny fotoana nikendren'ny fiaramanidina mpiady ny hopitaly al-Quds ao Aleppo.

Ary mitatitra ny sioka tahaka ity fa nanjary mahazatra ny daroka baomba an'habakabaka mikendry isivily.

VAOVAO FARANY: Fiaramanidina mpiady manidina eny ambonin'i Aleppo ary midaroka baomba eny amin'ny tranon'ny sivily sy mikendry fiara amin'ny alalan'ny tifitra basy

Tao amin'ny YouTube, nizara ity sary [Mampihoro-koditra] ity i Alabdallah izay mampiseho ny horohoro iainana sy hijalian'ny mponin'i Aleppo hatrany:

Mitalaho amin'izao tontolo izao izy mba hijery azy ity.

Ary izao no ataon’ izao tontolo izao: mijery ny horohoro mitranga ao Syria.

Mizara ity sary miteny ity ao amin'ny pejiny Facebook i Marcell Shehwaro ato amin'ny Global Voices, mponina ao Aleppo, izay mizara ny tantarany sy ny zava-niainany manokana ao amin'ny Vaovao avy ao Syria: Marcell Shehwaro, ny fiainany ao Aleppo:

"It is now time for the daily air strikes on Aleppo city. Enjoy your movie!" Photograph shared by Marcell Shehwaro on Facebook

“Fotoanan'ny daroka an'habakabaka isan'andro ao an-tanànan'i Aleppo izao.
Ankafizo ny horonantsarinareo!” Sary nozarain'i Marcell Shehwaro tao amin'ny Facebook

Nalaza ho tanànan'ny  varotra sy ny fandraharahana i Aleppo miaraka amin'ireo mpivarotra mpanankarena indrindra monina ao. Foibe ara-indositrialy ao Syria ihany koa izy, mampiantrano ny sasany amin'ireo orinasa mandroso sy lehibe indrindra momba ny lamba sy ny fanafody .

Nalaza tamin'ny tantarany manankarena ihany koa ny tanàna izay rava ankehitriny, vavolombelona ny trano mimandan'i Aleppo, ary nijoro tsara tao afovoan'ny tanàna. Nahitana ny Moskea Omeyyada Lehibe tamin'ny vanim-potoanan'ny Fanjakana Omeyyada manodidina ny 700 taona taorian'i Jesoa Kristy, ary toerana manantantara sy ara-pivavahana hafa marobe ihany koa tao.

Nampiasaina ho vavolombelona marina amin'ny fiarahamiaina am-pilaminana i Aleppo. Ankoatra ireo mponiny Silamo sy Kristianina marobe, ny Armenianina sy ny Kiorda, maro Jiosy Syriana ihany koa tao, izay nandao ny firenena taorian'ny fanambarana ny Fanjakan'i Isiraely tamin'ny 1948.

Nodarohan'ny fitondran'i Assad baomba saika isan'andro vaky izao ny tanàna  tao anatin'izay efa-taona izay. Efa tsy misy intsony ny zavatra rehetra novakianao momba ny voasoratra eo ambony. Zara raha misy ny sasany amin'izany, saingy manoloana ny tahan'ny daroka baomba tsy mitsahatra mikendry ny faritra (fehezin'ny mpioko) afaka ao an-tanàna, resaka fotoana fotsiny sisa alohan'ny hanjavonan'ireo zava-manan'aina rehetra, ny fahatsiarovana rehetra, ny sombiny tsirairay tamin'ny tantaran'ny olombelona nitranga tao amin'ity tanàna ity.

Ity hetsika novelomina mba handringanana an'i Aleppo ity, izay nanatri-maso fiatoana fohy nandritra ny fampitsaharana ny ady nifanarahana teo amin'i Rosia sy ny Etazonia dia notontosaina teo ambanin'ny maso sy ny sofin'izao tontolo izao, anisan'izany i Rosia sy Etazonia, izay samy mody tsy mahita.

Tsy hay ny tsy hieritreritra ny antony ara-politika iraisam-pirenena ao ambadik'izany fahanginana izany. Alaina sarimihetsika isan'andro ny olona ary avoaka ny lahatsary. Mangataka fanampiana amintsika izy ireo. Mila antsika mba hihetsika izy ireo mba hahavelona azy ireo, azo tenenina avokoa izay tiana tenenina amin'ny fiainana ao Aleppo ankoatra ny mendrika; tsy misy herinaratra ao, tsy misy rano, sakafo na fanafody, ary eo koa ny fitondrana midaroka baomba avy eny amin'ny habakabaka amin'ireo sivily sy ny ISIS mamono azy ireo eny an-toerana. Mila antsika fotsiny izy ireo mba hizara, hisioka sy hiray hina amin'izy ireo. Tsy nisalasala nanao izany ho an'i Paris sy Bruxelles isika, koa nahoana no hijanona eto?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.