Miantso Ny Fiarovana Ireo Mpiaro Ny Tontolo Iainana Eny Ifotony Ao Kambodza Ny Tambajotra “Tsy Mila Iray Fanampiny”

Source: 'Not One More' network / Facebook

Sary: tambajotra ‘Tsy Mila Hafa Intsony’ / Facebook

Manana mpiara-dia vaovao ireo mpiaro ny tontolo iainana miasa lohalaharana eny amin'ny fiarahamonina izay tandindinon-dozan'ireo orinasan'ny fitrandrahana isan-karazany. Ny “Tsy Mila Iray Fanampiny” dia natsangana ho fanomezam-boninahitra ilay Kambojiana mpiaro tontolo iainana Chut Wutty, izay nisy namono tamin'ny 2012 noho ny fitarihany hetsika manohitra ny fandripahana ny alan'i Prey Lang, iray amin'ireo valan-javaboahary maintso lehibe indrindra sisa tavela ao Azia Atsimo-Atsinanana. Manao fanentanana manoloana ny fandrahonana mihatra amin'ireo mpiaro ny tontolo iainana eny ifotony ny tambajotra:

We aim to support environmentalists at risk, who defy threats and intimidation to protect nature. Protecting our environment is the most important job anyone could take on, it shouldn’t be one of the most dangerous.

We want all who stand up to defend nature to be safe, and to be free.

Mikendry hanohana ireo mpiaro ny tontolo iainana tandindinon-doza, izay manohitra ireo fandrahonana sy fampitahorana mba hiarovana ny natiora izahay. Asa manan-danja indrindra azon'ny tsirairay atao ny fiarovana ny tontolo iainana, tsy tokony ho anisan'ireo tena mampidi-doza izany.

Tianay isika rehetra izay mitsangana hiaro ny tontolo iainana mba ho voaaro, sy halalaka.

Hatramin'ny nahafatesan'i Chut Wutty, mitatitra ny “Tsy Mila Iray Fanampiny” fa nitohy ny fanafihana ny mpiaro ny tontolo iainana:

A new, repressive “NGO law” limits civil society action. Brave activists fighting to protect Cambodia’s mangrove forests from sand mining have been criminalised, and are in jail on trumped up charges. On 26th March, lauded forest defender, Phon Sopheak, was attacked with a machete while sleeping in Prey Lang forest on patrol.

Mametra ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena ny “lalàna ONG” vaovao mpanasazy. Voaheloka ireo mpikatroka mahery fo mitolona mba hiaro ny alan-konko ao amin'ny fitrandrahana fasika ao Kambodza, ary any am-ponja noho ny fiampangana namboamboarina. Tamin'ny 26 Martsa, nisy nanafika tamin'ny antsibe ilay mpiaro ala nahazo dera, Phon Sopheak raha teo am-patoriana nandritra ny fisafoana tao amin'ny alan'i Prey Lang.

The network honors the work of Chut Wutty, an environmentalist who was murdered in 2012. Source: Facebook

Manome voninahitra ny asan'i Chut Wutty, mpiaro ny tontolo iainana nisy namono tamin'ny taona 2012 ny tambajotra. Sary: Facebook

Iray amin'ireo mpiara miasa amin'i Chut Wutty i Leng Ouch, izay nahazo ny Loka Goldman Environmental 2016 tamin'ny asany nanampy namoaka mikasika ireo hetsika fitrandrahana ala tsy ara-dalàna ao Kambodza. Nijanona nanolo-tena tamin'izany asa izany izy, na dia teo aza ireo fandrahonana marobe tamin'ny fiainany. Mamintina ny fiarovana ataony ity lahatsary eto ambany ity:

Ankoatra ny fanomezam-baovao momba ny toe-draharahan'ireo mpiaro ny tontolo iainan'ny fiarahamonina, mampiroborobo ny fandraisan'andraikitry ny vahoaka ihany koa ny tambajotra, tahaka ny fanangonan-tsonia nalefa tany amin'ny governemanta. Mandrisika ny governemanta Kambojiana mba hanafoana ny fanomezan-tany natolony ho an'ireo mpampiasa vola marobe ny fanangonan-tsonia iray amin'izao fotoana izao:

Our diverse and abundant forests are being destroyed by land-grabbing and ever increasing demand from the timber trade, profiting a small elite, while forest-dependent communities suffer.

I see the suffering of forest communities on a daily basis as I go about my work investigating and campaigning against illegal logging.

Simban'ireo mpaka tany an-keriny sy ny fangatahana tsy mitsaha-mitombo amin'ny fivarotan-kazo ny alantsika marobe sy isan-karazany, manome tombotsoa ho an'ireo sangany vitsy an'isa, raha mijaly kosa ny vondrom-piarahamonina miankina amin'ny ala.

Hitako ny fijalian'ireo vondrom-piarahamonin'ny [mpiaro] ala isan'andro rehefa manao ny asako manadihady sy manentana manohitra ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna aho .

Aingam-panahy avy amin'ny asan'ireo mpiaro ny tontolo iainana Kambodziana ny “Tsy Mila Iray Fanampiny”, saingy mikasa hanao fanentanana ho fiarovana ireo mpiaro ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao ihany koa izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.