· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2012

Vietnam : Bilaogera ‘Mpisintaka’ Telo Voaheloka Higadra

  07 Oktobra 2012

Bilaogera vietnamiena Dieu Cay, AnhBaSG ary Ta Phong Tan no nomelohin'ny fitsarana an-tanànan'i Ho Chi Minh fa nanitsakitsaka ny andiany faha-88 ao amin'ny  fehezan-dalàna famaizana vietnamiena, izay manasazy ny “fanaparitahana vaovao noforonina  hikendrena hiteraka korontana eo amin'ny vahoaka” sy ny “fanendrikendrehana ny fitantanam-bahoaka.” Ankoatra ny sazy an-tranomaizina, mbola hotazomina aminà trano ambenana ihany koa...

Mitokona ny Bazary ao Téhéran ho fanoherana ny fitontongan'ny vola Iraniana

Nitatitra ny Baztab, tranonkala ao Iran, fa nanomboka nitokona ny Bazary ao Téhéran tamin'ny Alarobia 3 Oktobra 2012 lasa teo, naneho ny fanoherany ny fitontongan'ny volam-pirenena ireo mpivarotra sy ny botika. Nahatratra ny taha farany ambany indrindra ny vola rial iraniana manoloana ny dolara Amerikana, izay sambany teo amin'ny tantarany, eo amin'ny 34.000 dolara...

Pero: Mampidi-doza Ny Rano Any Iquitos Ny Voly Tokana

  06 Oktobra 2012

Amin'ity lahatsoratra fahatelo sady farany momba ny olana mikasika ny rano any amin'ny tanànan'i Iquitos ity dia afantokay amin'ny voly tokana any amin'ny reniranon'i Nanay sy ny fifanoherana amin'ireo izay manohana ity karazam-boly ity sy ireo tsy mankasitraka izany.

Kiobà: Nosamborina Ny Bilaogera Yoani Sánchez

GV Mpisolovava  06 Oktobra 2012

Nosamborina omaly alina tany amin'ny farintany atsinanan'i Bayamo, izay nizorany hanatrehany sy hitaterany ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy noho ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá sy ilay mpikatroka Harold Cepero, ilay Kiobàna bilaogera efa nahazo loka sady mpiaro ny zon'olombelona Yoani...

Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”

Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranom-barotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranom-barotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto.

Danemarka: “Arahabaina Nisara-Panambadiana” Amin'ny Banky Lehibe

  06 Oktobra 2012

“Tena vonona haka  vola eto marina ve ianao?” Toy izany ny fanontaniana tazana manerana ny “milina fakàna vola” isaky ny banky lehibe ao Danemarka nandritra ny volana Septambra. Fanentanana mandritra ny andro fankalazana ny ‘Androm-Piovàna Banky izay nanomboka tamin'ny 1 Oktobra izany. Olom-pirenena tsotra no tompon-kevitra tamin'ny fanentanana amin'ny “Androm-Piovàna Banky’...

Koety: Tifi-Basilava Atao Amin'ny Mpanao Fihetsiketsehana Tsy Mizaka Zom-Pirenena

Nanapa-kevitra ny hanao fihetsikatsehana amin'ny fitakiana fizakàna zom-pirenena mandritra ny andron'ny tsy fampiasana herisetra iraisampirenena amin'ny 2 Oktobra 2012) ny vondrom-piarahamonina tsy manana fanjakana mpiahy. Nanao fihetsiketsehana tsindraindray [an-tserasera sy andavanandro] ny vondro-piarahamonina hatramin'ny Febroary 2011. Tao anatin'izay roa taona izay dia efa nisambotra mpanao fihetsiketsehana mihoatra ny 200, namorona fiampangana hanamelohana...