Vietnam : Bilaogera ‘Mpisintaka’ Telo Voaheloka Higadra

Bilaogera vietnamiena Dieu Cay, AnhBaSG ary Ta Phong Tan no nomelohin'ny fitsarana an-tanànan'i Ho Chi Minh fa nanitsakitsaka ny andiany faha-88 ao amin'ny  fehezan-dalàna famaizana vietnamiena, izay manasazy ny “fanaparitahana vaovao noforonina  hikendrena hiteraka korontana eo amin'ny vahoaka” sy ny “fanendrikendrehana ny fitantanam-bahoaka.” Ankoatra ny sazy an-tranomaizina, mbola hotazomina aminà trano ambenana ihany koa izy telo dahy.

Talohan'ny fisamborana azy ireo, nampahafantatra am-pikirizana ireo karazana olàna ara-tsosialy ao Vietnam, ary indrindra ny kolikoly ataon'ny olona ambony sy ny tsy fitovian-jo eny ambanivohitra ireo bilaogera telo mianadahy. Niampanga ny fanamelohana azy telo dahy avy hatrany ny mpiaro ny zon'olombelona. Nihevitra i Rupert Abbott, mpikaroka ao amin'ny Amnesty International ao Vietnam, fa ny sazy an-tranomaizina henjana – izay maharitra eo amin'ny efatra hatramin'ny roambinifolo taona –dia midika fandrahonana ny fiarahamonina mpiserasera ao an-toerana:

Ireo bilaogera voampanga Dieu Cay, AnhBaSG aryy Ta Phong Tan. Sary: Dan Lam Bao

 

Manamafy ny tahotra efa misy eo amintsika ny sazy henjana azon'ireo bilaogera: nanapa-kevitra handray ohatra amin'ireto bilaogera ireto ny fanjakana ho fanakànana ny hafa tsy haneho hevitra. Mampiseho izao fanamelohana izao fa miha-ratsy sy miha-mampatahotra ny fahalalaham-piteNEnana ao Vietnam

Hanao fanentanana miezinezina ny Amnesty International ho fanafahana ireo bilaogera – izay sokajianay ho toy ny gadra noho ny fanehoan-kevitra – ary miantso ny fanjakana vietnamiana izahay mba hiantoka ny fandriampahaleman'ireo fianakaviana sy naman'ireo bilaogera.

Miady ho amin'ny fanafahana ilay mpikatroka sady bilaogera vavy katolika Maria Ta Phong Tan, namely ny fanamparam-pahefana ataon'ny fanjakana ao Vietnam ny bilaogy hermeneutic of continuity:

Mahamenatra ny mahazo ny vahoaka tsotran'ny Vietnam noho ny fanararaotam-pahefana sy ny hakanosana amin'ny fatahorana ny fanehoan-kevitra! Tokony hahay hamaly tsara fotsiny ny mpanao politika raha mahita fa tsy araka ny zavatra nolazainy ny zavatra avoaka sy lazain'ny mpampita vaovao; tokony  hahay hahazaka tsikera avy amin'ny mpanohitra izy ireo. Aondreho ny lohanao raha menatra ary avelao ny olom-pirenena mendrika ao Vietnam hilaza ny marina am-pahalalahana! Afaho i Maria Ta Phong Tan !

Afisy mitaky ny fanafahana ireo bilaogera nogadraina. Sary eo amin'ny Facebookn'i Me Nam

Toa mihamafy hatrany ny famoretana atao amin'ireo bilaogera mpanohitra ao Vietnam. Taloha, namoaka fanambarana mitsikera bilaogy telo ho manohitra ny governemanta ny biraon'ny Praiminisitra Nguyen Tan Dung. Saingy nihevitra i NamViet fa mendrika ny hiseho an-tserasera ny bilaogy mampiady hevitra hampiseho ny ny kolikoly eo amin'ny fitantanana sy hijoro hilaza ny fiandrianam-pirenen'i Vietnam amin'ireo nosy takian'i Shina :

Milaza izay rehetra raràn'ny fitondrana Vietnamiana, izany hoe ny Antoko Komonista ao Vietnam ihany, ny bilaogin'i Dan Lam Bao, izany hoe ny kolikoly sy ny fisintahana (fanoherana tsy mahazo alalana).

Nanomboka niresaka (tamin'ny jolay 2012) ny bilaogin'i Quan Lam Bao izay heverina ho tompon-dakan'ny ady amin'ny kolikoly, saingy tsy nitatitra afa-tsy kolikoly mahavoarohirohy an'i Nguyen Tan Dung, ny zanany lahy Nguyen Thanh Nghi, ny zanany vavy Nguyen Thanh Phuong ary ny vadin'io (izay nianatra tany Harvard) Nguyen Bao Hoang.

Tsy miresaka afa-tsy ny fifandroritana eo amin'i Shina sy Vietnam ary Philippines, any atsimon'ny Ranomasin'i Shina, kosa ny bilaogin'i Bien Dong. Raràn'ny Antoko Komonista Vietnamiana tanteraka ny sary sy lahatsarin'ny mpanao fihetsiketsehana Filipina na Vietnamiana manohitra an'i Shina.

Na dia eo aza ny fanenjehana mahazo ny bilaogera sy ny fikasana hanakana votoaty an-tserasera dia soratan'i Chris Brummitt fa sahirana ny fitondrana vietnamiana hifehy ny fihetsiky ny mpiserasera Vietnamiana :

Voasakana ny Facebook sy ny tambajotra an-tserasera aty, fa malefaka loatra ny rindrin'afo aty ka na ny mpianatra mahay mikirakira ny ovan'ny solosaina hidifiana izany. Manambara ny fandrarana vohikala ny fitondrana mba hahabe mpitsidika azy ireny. Bilaogera telo no voaheloka higadra tamin'ity herinandro ity, ary 12 taona ny an'ny iray amin'izy ireo, saingy hanohy ny lalany ny hafa maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.