Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranombarotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranombarotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto. Kalmeh, vohikalan'ny mpanohitra dia mitatitra fa mpanao fitokonana maro no voasambotra tamin'ny Alarobia.
“Avelao i Syria ho any, mba jereo ny aminay”
Nihoraka ny vahoaka “Avelao i Syria ho any, mba jereo ny aminay” tany amin'ny Kianjan'ny Toopkhone tany Teheran. Nanambara imbetsaka ny Fanjakana Iraniana fa manohana ny fitondrana Syriana, ary ireo tatitra-nà vaovao farany milaza fa namindra $10 lavitrisa dollars tany amin'i Syria i Iran. Vaovao mampitroatra izany satria anatin'ny fotoana hararian'ny vahoaka Iraniana noho ny vokatry ny krizy ara-toekarena lalina nateraky ny sazy iraisam-pirenena mihatra amin'Iran.
Ireo Mpitandro filaminana tany amin'ny Tsenaben'i Teheran
“Tokony hidina ny sandan'ny Dollar”


Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...