Mitokona ny Bazary ao Téhéran ho fanoherana ny fitontongan'ny vola Iraniana

Fitokonana ao Bazary, Téhéran, Sary: Green City

Nitatitra ny Baztab, tranonkala ao Iran, fa nanomboka nitokona ny Bazary ao Téhéran tamin'ny Alarobia 3 Oktobra 2012 lasa teo, naneho ny fanoherany ny fitontongan'ny volam-pirenena ireo mpivarotra sy ny botika. Nahatratra ny taha farany ambany indrindra ny vola rial iraniana manoloana ny dolara Amerikana, izay sambany teo amin'ny tantarany, eo amin'ny 34.000 dolara eo ny sandan'ny vola rial Iraniana. Araka ny nambaran'ny Baztab, niezaka  nanakana ny fiakaran'ny devizy vahiny ny fitondrana iraniana tamin'ny alalan'ny fanivanana ireo tranonkala manome vaovao momba ny sandan-takalom-bola, tahaka ny tranonkala Mazane.

Hoy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad nanambara tamin'ireo mpanao gazety tamin'ny 3 oktobra fa vokatry ny “olana maharitra” eo amin'ny fandraràna iraisam-pirenena mikasika ny fanondranana solitany iraniana no anton'ny krizim-bola miseho ao amin'ny firenena ankehitriny.

Nidina an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana

Mampiseho ireo “mpivarotra mitokona ao Bazary, Téhéran” ity lahatsary ao amin'ny Youtube ity:

Fihetsiketsehana niseho tao Téhéran ity:

http://www.youtube.com/watch?v=MDFjyg1KXpw&feature=player_embedded

Bilaogera iraniana Sedaiazad nanoratra  fa araka ny vaovao voaray avy ao an-toerana [Iran], nivorivory tao amin'ny kianja Toopkhoneh ao Téhéran ny olona ary novakian'izy ireo tamin'izany ny fitaratr'ireo magazay maromaro.

Fihetsiketsehana sy fitokonana ao amin'ny Bazary, Téhéran sary: Green City

Nanoratra i Bayandeandishe fa nifandona tamin'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianjan'i Istanbul ao Téhéran, tamin'izy ireo handeha hamonjy ny kianja Ferdoussi ao afovoan-tanàna, hoy ireo mpanao fihetsiketsehana niventsoventso: “Miala i Syria !”.

Noho ny fanomezan-tsiny ny governemanta ho nanohana ara-bola ny fitondrana  syriana nandritra ny fotoana nilàvan'ny firenena vola no anton'ny teny filamatra . Mety fomba ankolaka hitsikerana ny fanjakana iraniana izay mba tsy mandefitra amin'ny mpanohitra ihany koa izany.

Nanamarika i Xcalibur fa nampandre azy ireo momba ny fitokonanana sy ny olona miventso ny teny filamatra ny fianakaviana miasa ao amin'ny Bazary. Hatramin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra aloha dia mbola tsy mirotsaka an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.