Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2012
Pakistan: Malala Yousufzai sy ny fanafihana amin'ny fiaramanidina baikoana
Hatramin'ny nanafihan'ny olona mitam-basy an'ilay mpitolona tanora Malala Yousufzai tany Swat, dia nampametra-panontaniana maro ny fahombiazan'ny fanafihana ataon'ny fiaramanidina baikoana any Pakistan. Taorian'ny fanafihana tamin'ny 9 oktobra 2012 (jereo ny fanadihadihana Global Voices) dia hatezerana no nivoaka eran'izao tontolo izao, ary anisan'ny tezitra koa aza ireo antoko politika sy antokom-pivavahana any...
Portiogaly: Kolontsai-Panoherana Tabataba Manerantany An-tSary
Maka endrika ara-kolontsaina sy zavakanto ny hetsika Global Noise miaraka amin'ny veli-vilany nanerana ny tanandehibe 14 tany Portiogaly, tamin'ny 13 Oktobra, manaraka ny tigetra hoe "Sokiro ny troika! Ny Fiainanay no ilainay". Ao amin'ity lahatsoratra ity no hamorianay sary sy lahatsary notsongaina tamin'ny fihetsiketsehana.
Indonezia: Nahazo Fanohanana An-tserasera Ny Sampana Miady Amin'ny Kolikoly
Voaporofo indray ny herin'ny fampahalalam-baovao sosialy tao Indonezia raha naneho ny fanohanany ireo mpanao famotorana momba ny kolikoly niharan'ny herisetran'ny polisy sy ny mpanao politika sasany ny mpiserasera. Nanjary lasa fanentanana ivelan'ny aterineto ny fanohanana ny Vaomiera Miady Amin'ny Kolikoly (KPK) satria nikarakara hetsika famoriam-bahoaka ny mpiserasera mba hanohitra ny herisetra...
Repoblika Czech: Mitohy Ny Tolona Přednádraží
Mafimafy ny dona nahazo ny fiaretan'ny fianakaviana Roma ao Přednádraží tao anatin'ny iray volana izay terena hiala amin'ny tranony, saingy araka ny mahamafy ny fanerena no mampitombo ihany koa ny firaisan-kina. Mitatitra i Daniela Kantorova.
Yemen: Ny Kabarin'ny Filoha
Yemenita maro no nanantena handre kabary tsara avy amin'ny filoha "voafidiny" hanasongadina ny zavatra ilain'ny mponina, ny ara-toe-karena sy ara-politika any Yemen ary ny zava-tsarotra izay atrehan'ny firenena amin'izao fotoana izao. Ny zavatra farany izay nandrasan-dry zareo nandritra ny famangiana nataony tany Amerika dia ny fanindrahindrana ireo drone Amerikana.
Hetsika Kapoka Vilany Manerantany Kasaina Atao Ny 13 Oktobra
Antenaina hampangorintsina ny sofina mora mahare ny andro hikapokapohana vilany (lapoaly) hotontosaina manerantany amin'ny 13 Oktobra 2012. Ny fanentanana Global Noise [Tabataba Manerantany] dia karakarain'ireo fikambanana iraisampirenena ao amin'ny Occupy [Bodoy], Indignados, #YoSoy132, ary ireo hetsika mpandala ny rariny ara-tsosialy hafa ary sehatry ny mpikatroka avy amin'ny firenen-tsamihafa. Hotontosaina herintaona taorian'ny...
Shina: Nitoraka tamin'ny kiraro ny mpianatra iray hiarovana ny fahafahana maneho hevitra
Tamin'ny 7 oktobra 2012 lasa teo dia notorahan'ny mpianatra iray avy ao amin'ny oniversite Hainan tamin'ny kiraro ny mpitantara maoista iray antsoina hoe Sima Nan, nanoherany ny tsy fahafahana maneho hevitra any Shina.
Ejipta: Mahatsiaro An'i Maspero; Miandry Fampiharana Ny Lalàna
Nahatsiaro ny tranga namonoana olona nahatsiravina tao Maspero ny Ejiptiana androany, nianiana ny hamaly faty ny ràn'ireo maritiora sy hanao izay hitohizan'ny revolisiona (fiovàna). Ny 9 Oktobra tamin'ny taona lasa, Kristiana Copts 28 no maty ary 200 hafa naratra tamin'ny fanafihan'ny tafika ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny foiben-toeran'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tao Maspero.
Hetsik'ireo Grika Mpandàla Ny Fanjakan'ny Baroa Manohitra Ny Fanavakavaham-bolonkoditra, Atao An-tsary
Natao tany afovoan-tananan'i Atena tamin'ny sabotsy 1 Septambra teo ny fihetsiketsehana manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Mpanao fihetsiketsehana anjatony maro, indrindra ireo mpandala ny fanjakan'ny baroa, no nivondrona hanohitra ny zava-nitranga niseho tato ho ato toy ny herisetra, izay mahafaty mihitsy aza, ny fanafihana atao amin'ireo mpifindra monina.
Rosia: Resa-pinoana & Famonoana Ny Masoivoho Amerikana
Ho setrin'ireo fanafihana masoivoho Amerikana sy fari-ponenana diplaomatika manerana ny tontolo Miozolmana (indrindra fa ny namonoana ny Ambasadaoro Christopher Stevens su ireo olona telo mpiara-miasa taminy tao Libya), dia nijery ny firongatry ny resaka ara-pinoana any amin'ny taniny ireo Rosiana bilaogera, ary nampiasa iny zava-nitranga iny ho toy ny fotoana iray fanararaotra hiresahana ny fiantraika midadasiky ny tsy fitoniana ara-politika.