Danemarka: “Arahabaina Nisara-Panambadiana” Amin'ny Banky Lehibe

“Tena vonona haka  vola eto marina ve ianao?”

Toy izany ny fanontaniana tazana manerana ny “milina fakàna vola” isaky ny banky lehibe ao Danemarka nandritra ny volana Septambra. Fanentanana mandritra ny andro fankalazana ny ‘Androm-Piovàna Banky izay nanomboka tamin'ny 1 Oktobra izany.

Olom-pirenena tsotra no tompon-kevitra tamin'ny fanentanana amin'ny “Androm-Piovàna Banky’  [da] mba hanaitra ny Danoà (mponina ao Danemarka) handinika ny toerana tokony hametrahany ny volany – mba hijery akaiky raha mahazo matoky ny bankiny izy ireo. Ny handrisika ny mponina hiala amin'ny banky lehibe sy hanatona ireny banky sy tahirim-bola madinika ao an-toerana ireny no tanjon'ny fanentanana.

“Ialào ny bankinao,” hoy izy ireo mitabataba amin'ny Facebook.

Photo by 401(K) 2012 on Flickr (CC BY-NC-ND)

Ny fiakaran'ny saram-pindramam-bola sy ny zavatra maro hafa no tena nahatonga ny fanentanana –na izany aza, mihamaro hatrany ny mponina maneho ny tsy fahafaham-pony amin'ireo banky, ary efa maro tamin'izy ireo no efa niova banky ankehitriny.

Nahazo “tia (Mankafy)” maherin'ny 6 000 ny pejy Facebook [da]  ‘Andro Fiovàna Banky’, ary miverimberina ny hafatra “Arahabaina nisara-panambadiana” amin'ireo banky taloha be sy ny toro-lalàna amin'ny tokony hidirana banky vaovao.

 

Klaus Nørregaard [da] nanoratra hoe:

Vao avy nanao sonia famindrana petra-bola ho ao amin'ny Arbejdernes Landsbank” [banky tsy misoratra any amin'ny borsa]

Hatice Ucar [da] namaly hoe:

Aiza ny bankinao? Amporisihanao idirana ve ary nahoana?

Hita ihany anefa fa ho an'izay madiotanana [tsy manana olana  ara-bola] ihany ity andro mahafinaritra ity. Maro ny olona nametra-kevitra teo amin'ny rindrindra fa tsy afa-mifindra banky ry zareo, tahaka ny lazain'i Ahu Perle Öztürk [da] :

Errrmmm, tsy te-hisaraka amiko ny bankiko?”

Natao ho setrin'ny fanaon'ny banky rehefa aloha sy aorian'ny fihemoran'ny fiharian-karena ny ‘fandraisana an-tanana Androm-Piovàna banky, azavain-dry zareo izany ao amin'ny pejy Facebook [da] sy ny  vohikala [da].

 

Fientanana iarahana ao anatin'ny sehatra iraisampirenena ity fandraisana an-tanana danoà ity.

The Danish initiative happens in the wake of similar international initiatives.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.