Gresy: Ilay gidragidran'ny tanora sy ny pôlisy tany an-toerana

Nisy fihetsiketsehana sy gidragidra nahery vaika nataon'ny olona an'arivony nidina an-dalambe tao an-drenivohitry Gresy, Athena, nandritra ny telo andro, ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny pôlisy nahafaty zatovolahy 15 taona antsoina hoe Alexandros Grigoropoulos tao Athena faritry Exarchia tamin'ny 6 Desambra 2008 lasa teo. Niitatra vetivety hatrany Thesalonikia, tanàna lehibe faharoa any Gresy sy tany amin'ny tanàna hafa any an-toerana ny korontana. Ary nisy fifanandrinana hatrany Shipra aza.

Tao an-drenivohitra afovoan'ny tanànan'i Athena ary dia nifanandrina tamin'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana izay nampian'ny mpianatry ny lisea sy ny anjerimanontolo mbamin'ny mpitsipapahefana ka namaky fitaratry ny fivarotana, nandoro fiara, nitoraka baomban-tsolika sy fangaro Môlôtôv ka nandoro ihany koa ny tranom-panjakana. Mbola nifandona tamin'ny pôlisy ihany koa ny mandevina sy ny manao fihetsiketsehana taorian'ny fandevenana an'i Grigoropoulos tamin'ny talata teo.

Ity no voalaza fa korontana nahery vaika indrindra tany Gresy hatramin'ny nianjeran'ny fitondrana miaramila tany an-toerana tamin'ny taona 1974, ary ity no mampiharihary ny tsy fahafalian'ny olona amin'ny fitondran'ny Praiminisitra Costas Karamanlis izay manana ny maro an'isa seza iray. Mitaky ny hanaovana fifidianana mialohan'ny fotoana moa ny antoko manohitra lehibe any an-toerana.

Jereo eto ny iditra Wikipedia momba ny gidraka tany Gresy 2008 raha hamaky ny vaovao fanampiny [En].

Twitter

Mitatitra ny vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitadiavan-teny #griots ny mpampiasa Twitter. Mpampiasa ny Twitter iray “asteris” no milaza ny vaovao farany avy any Thesalonikia ny maraimben'ny 10 Desambra :

asteris: “tatitra #griots Thesalonikia : Andiana mpihetsiketsika iray tany Syntrivani manao ny hadalany amin'ny manodidina ny fiaran'(ny pôlisy?) miantsona. Tavela ny baomba mpandatsa-dranomaso ho an'ny kartie roa, nangalarina sy sasany”

asteris: “tatitra #griots Thesalonikia : Mangina & haolo mampiahiahy ny tanàna, tahaka ny any amin'ny lalaondahatsary mialoha ny hanafihan'ny fahavalo anao iny indrindra”

Sary

Indymedia Athens
(sasany amin'ny teny Anglisy) no manana tatitra amin'ny antsipiriany ny eny an-tany fiadiana, ka ao ihany koa ny sary mampahonenan'ny afo manerana ny lalana, sy ny rohin'ny lahatsary izay ahenoana feom-basy.

Streets on fire

Olo-tsotra iray mampiasa ny anarana Teacher Dude's BBQ ao amin'ny bolongany, Flickr-ny, ary ny NowPublic page, no namoaka sary maro dia maro sy lahatsoratra toyizany koa, ary nasehony aho koa ny ratra nahazo azy novonoin'ny polisy noho ny fakana sary ny mpanao fihetsiketsehana. Hoy izy hoe:

Narary navesatra ny soroko, aky ny oroko ary feno kapoka sy ratra ny tenako noho ny nakako sary ny pôlisin'ny mpifehy gidraka nandritra ny fihetsiketsehana milamina notontosaina ny 8 septambra 2007, Thesalonikia, Gresy.

Notazonina aho, nampidirin'ny polisy manao fanamiana sivily tanaty fiara tsy misy soratra polisy ary nentina tany amin'ny birao foiben'ny polisy. Navotsotra tsy nisy fitoriana aho, saingy feno rà sy manaintaina ny tenako manontolo.

ThirdEye3 ao amin'ny Flickr no mampiseho ny sarin'ny mpanao fihetsiketsehana mitazona afisy misy ny sary natao photoshop-na basy ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny polisy, sy sary voatagy #griots.

Protesters holding photoshopped image of gun to protest police shooting

dkilim mampiseho ny sarin'ny fahapotehana taorian'ny gidraka.

bank with smashed windows

Mbola maro ny sary ao amin'ny takelaky ny Flickr ao amin'ny tom.tziros, Λεωνίδας, ary murplej@ne – under deconstruction (manana bolongana ao amin'ny Trainstorming ity mpaka sary ity).

Lahatsary

Sameer Padania avy ao amin'ny vohikalan'ny WITNESS’ zon'olombelona The HUB moa dia sendra tany Athena indrindra hanao famelabelaran-kevitra amin'ny mpanao gazety ary namoaka lahatsary fohy ampolony tamin'izay hitany teny an-dalambe.

Videoonthecloud indray namoaka lahatsary roa tao amin'ny YouTube, ka ny iray dia misy polisy mitora-bato mpanao fihetsiketsehana iray.

Maro koa ny lahatsary azo jerena ao amin'ny YouTube raha mikaroka azy amin'ny alalan'ny #griots.

Nanampy tamin'ny fanaovana lahatsoratra sy fanomezana ny rohy i Georgia Popplewell sy Renata Avila.

Solana Larsen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.