Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2008
Taiwan: Nanala ankeriny ny frezy dia polisy
Vao maraina be ora vitsivitsy lasa izay dia voaesotry ny polisy an-keriny niala tao amin'ny Kianjan'ny fahafahana ao Taipei ny hetsiky ny “frezy dia”n'ny mpianatra [tatitra amin'ny teny Shinoa eto (zh)] . Nanao...
Goadelopa: Lafo loatra ny lasantsy, mikatso ny nosy
Taorian'ilay fikatsoana tanteraka nitranga tany Goyana Frantsay, dia anjaran'i nosy Karaiba Frantsay ao Goadelopa indray no nifoha tamin'ny torimasony. Ilay nosy miendrika lolo ampifanohizan'ny tetezana tahaka ny “le Pont de...
Shina sy Frantsa: Atao fahirano ny vita frantsay
Nisy lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Desambra tao amin'ny China.com mampirisika ny firenena manontolo hanao fahirano ny vokatra frantsay ho fanoherana ny fihaonana eo amin'ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny...
Thailand: Vahiny tafaraka tamin'ny mpitolona tao amin'ny seranam-piaramanidina
Nihatakataka niala ireo seranam-piaramanidin'i Bangkok roa herinandro lasa izay ny ankamaroan'ny vahiny. Saingy nisy vahiny iray kosa tao amin'ny seranam-piaramanidina natao fahirano. Niaraka tamin'ny mpanao fihetsiketsehana dimy andro sy dimy alina ilay Finlandey Janus Putkonen. Soa ihany fa nanana fakandahatsary (camera video) izy ka aseho ato izany.
Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein
Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny...
Iran: Fanoheran'ny mpianatra ny jadona sy ny fanavakavahana ny vehivavy
Sary avy amin'ny yaarinews.com Nikarakara fihaonam-panoherana ny fitondrana iraniana sy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny alahady teo ny fikambanana mpianatra iray ho fahatsiarovana ny Andron'ny Mpianatra,...
Isiraely: Manala azy miaraka amin'ny Fatah (fateh)
Tsindraindray tadiavina mihitsy vao mba azo isangisangiana izany fifandraisana iraisam-pirenena izany. Fa misy bolongana isiraeliana iray izay tena manala azy mihitsy. Mitondra ho antsika izany tantara izany i Maya Norton. (Tsy anti-virus)
Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza
Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina. Amin'izao fotoana izao dia €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.
Shina : Fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka, sendikà ary demaokrasia an-dalambe
Nitokona nanditra ny iray volana ny mpamily fiarakaretsaka nanerana ny firenena. Tany Chongqin no nitranga ny fitokonana voalohany tamin’ny 3 Novambra teo, niitatra tany Hainan, Gansu, Yunnan, Shandong, Qingdao, Jinan,...