Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook

“Antsilava, tadivy, Srebrenica!” (Nož, Žica, Srebrenica!) no iray amin'ny teny filamatra tian'ny mpanandratra ny Serba indrindra; mampahatsiahy ny Fandripahana tao Srebrenica tamin'ny taona 1995 indrindra izany.

Nisy ny fotoana nitsangana ny vondrona  Facebook iray (SRP) manana mpikambana 1 045 mitondra io anarana io sy vondrona iray hafa manohitra azy (SRP, ENG) kosa manana mpikambana 10 584 ary mitaky ny mpandrindra ny Facebook hanakatona ny vondrona NOŽ ŽICA SREBRENICA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! satria “manome voninahitra ny fandripahan-dehilahy sy zazalahy 8000 nitranga tany Srebrenica” io vondrona io.

[…] Fanampin'izany, dia mampiely ny fankahalana ny miozolomana rehetra ity vondrona ity raha jerena ny soratra hoe “za sve koje mrze Muslimane” izay midika hoe “Ho an'izay rehetra mankahala Miozolomana.” […]

Tezitra ka namaly am-pihenjanana tao amin'ny bolongany ny mpamaham-bolongana Serba Nikola Knežević, ka nirohy tamin'ny vondrona Facebook roa tonta. Tamin'ny zavatra maro nosoratany no nanoratany (SRP):

[…] Menatra amin'izay zavatra mampireheraha ny adala ny olona salama saina. After everything… Taorian'ny fihetsika maharikoriko nataon'ny Maingoka nandripaka ny Miozolomana, tsy mazava amiko mihitsy ny mahatonga ny tanora ho heniky ny fankahalana ny olona hafa tsy mitovy (finoana) amin'izy ireo… […]

Nahazo hafatra mihoatra noho ny 270 izy tamin'io lahatsoratra nataony io. Toy izao ny sasantsasany amin'izy ireo:

Zazito:

Raha miresaka fandrarana indray moa… tsy hevitra ratsy izany saingy tsy tiako ny endrika sivana rehetra… rahampitso manko dia hanangatra indray ianao raha misy ny manorina vondrona hiaro ny fomba sy ny soatoavina nentin-drazana… Heveriko fa ny tsara kokoa dia miditra ao anatin'ny vondrona dia manazava amin'izy ireo ny fahadisoana ataony…

Vracarac92:

Miainga avy amin'ny tsy fahalalana ny marina, tahaka ny tahotra ny zavatra tsy fantatra  ny  ankamaroan'ny fanavakavahana, ny fankahalana pelaka sy izay ankahalaina rehetra (dia mandika tokoa aho na dia misy tsy ankasitrahako aza eto).

Piro001:

Tsy faly ny olona noho ny fahantrany sy tsy fananany harena, ary ny fijerena ny ho avy mampihazohazo ary dia misy ny adala manararaotra izany…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.