Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2015
Fepetra Ho An'ny Aterineto Vaovao Ao Shina : Raisina Ho Toy Ny Fitaovana Fikomiana Ny Solonanarana sy ny Solontsary (Avatars)
Kaonty maherin'ny 67.000 no nofafàna noho ny lalàna iray vaovao izay mandràra ny fampiasàna solonanarana na solontsary mety hitera-doza ho an'ny filaminam-pirenena, manimba ny firaisam-pirenena ary manala baràka ny hafa.
Gambia: Voasazy Higadra Mandrapaha-faty Ireo Nandray Anjara Tamin'ny Fanonganam-panjakana Tsy Nahomby
Notsaraina tamin'ny fombamiafina ireomiaramila Gambiana nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny 30 Desambra 2014. Maneho ny ahiahiny manoloana ny fitsarana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Ejipta: Lalàna Manavakavaka Momba Ny zom-pirenena. Afaka Manome Izany Ho an'ny Vadiny Ny Lehilahy Ejiptiana, Fa Tsy Afaka Ataon'ireo Vehivavy Kosa Izany
Raha toa ireo lehilahy Ejiptiana afaka mamindra ny zom-pireneny ho an'ny vadiny, tsy afaka manana zo hanao tahaka izany kosa ireo vehivavy Ejiptiana. Mivoady hitolona hanovàna io lalàna io i Salma El-Daly, mpampiasa Twitter.
Ela Ny Ela, Navotsotr'i Shina Ireo Dimy Mpiaro Vehivavy
Saingy tsy mbola malalaka izy ireo. Mbola ho eo ambany fanaraha-mason'ny polisy hatrany izy dimy, mandritry ny herintaona.
Fiarovana ny Fahalalaham-pitenenana Sy ny Fanafenana Anarana Amin'ny Aterineto Ao Ekoatera
Manoloana ny fanamelohan'ny governemanta ny fanafenana anarana sy ny fanarabiana amin'ny aterineto, maro ny fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera.
Lalàna Vaovao Momba Ny Fandriampahalemana ao Thailand: ‘Manao Ho Toy Ny Tsy Misy Ny Fahalalahana Maneho Hevitra’
Nofoanan'ny governemanta tohanan'ny tafika ao Thailand ny lalàna miaramila nanerana ny firenena saingy nosoniaviny kosa ny didy iray vaovao manome fahefana midadaiska be kokoa ho an'ny olon'ny tafika.
Manamafy Ny Fifehezany Ny Aterineto Amin'ny Alalan'ny Didy Hitsivolana Vaovao i Belarosia
Amin'ny ezaky ny governemanta hiady amin'ny trafikan-drongony, hotakiana amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto ao Belarosia ihany koa ny hitehirizana ireo rakitsoratra feno misy ny tantaran'ny fiseraseran'ny mpampiasa aterineto .