Manamafy Ny Fifehezany Ny Aterineto Amin'ny Alalan'ny Didy Hitsivolana Vaovao i Belarosia

Filoha Belarosiana Alyaksandr Lukashenka sy ny governemantany miroso amin'ny famoretan'izy ireo ny fahalalahan'ny aterineto. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.
Ao anatin'ny ezaky ny governemanta hiady amin'ny trafikan-drongony, hotakiana amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto ao Belarosia ihany koa ny hitehirizana ireo rakitsoratra feno misy ny tantaran'ny fiseraseran'ny mpisera aterineto .
Hanan-kery manomboka amin'ny 1 Janoary 2016 ny politika vaovao navoakan'ny Minisiteran'ny Serasera ho didy hitsivolana . Na dia aharihary fa iadiana amin'ny trafikan-drongony sy ny fitsinjarana izany aza ilay fepetra “miady amin'ny zava-mahadomelina (anti-drug)”, dia matahotra ireo mpiaro ny zon'olombelona sasany fa mety ampiasaina noho ny antony ara-politika izany. Mihevitra i Pavel Sapelka, manam-pahaizana momba ny lalàna ao amin'ny Foiben'ny Zon'olombelona Viasna fa tsy hisalasala hanampatra ny fahefan'izy ireo hametra ny fahalalaham-pitenena antserasera ireo manampahefana.
К сожалению, власти были более обеспокоены ограничением доступа к сайтам, который распространяют нежелательную для властей информацию. Понятно, что если эта норма будет работать прозрачно, так, как и должно, безусловно, это хорошо, поскольку мы все понимаем, что не стоит на месте ни преступность, ни средства, которые помогают преступникам осуществлять свою деятельность. Если же под видом борьбы с противоправными действиями будут чиниться препятствия в работе тех сайтов, которые пропагандируют политические взгляды, то это будет расценено как очередное нарушение.
Indrisy, manahirana kokoa ny manampahefana ny famerana amin'ny fidirana amin'ny habaka mampiely vaovao tsy mety amin'izy ireo. Mazava ho azy, raha miasa ao anatin'ny mangarahara ity fenitra ity, izay tokony ho izay no izy, dia ho tsara, satria fantatsika fa mihamanahiran-tsaina ny fikambanan-jiolahy sy ny fitaovana ampiasainy. Na izany aza, raha ampiasain'ny manampahefana amin-javatra tsy ara-dalàna toy ny fanelingelenana ny asan'ny habaka mampiroborobo fijery ara-politika sasany izany, dia horaisina toy ny fanitsakitsahana [ny fahalalaham-pitenenanana] hafa koa izany.
Amin'ny didy hitsivolana vaovao, voatery hitahiry torohay manondro ny fotoana nidirana aterineto sy ny nivoahana tamin'izany, ary ny isan'ny tahirin-kevitra nalefa sy voaray ny mpamatsy tolotra aterineto. Tsy maintsy manangona ny anarana, ny tahiry ara-pasipaoro (raisin'ny mpamatsy aterineto rehefa manasonia fifanekena tolotra ny mpiserasera), adiresy IP anatiny sy ivelany, sy ny adiresy MAC ny fitaovana ampiasain'ny mpiserasera ny orinasa mpamatsy tolotra aterineto. Hotakiana amin'ireo mpamatsy tolotra isam-birao ihany koa ny hitazonana izany tahiry izany herintaona farafahakeliny. Na dia tsy vahiny amin'ny fenitra manerantany aza izany fe-potoana izany, dia mijanona ho manjavozavo ny fizotra ara-teknika sy araka ny lalàna manodidina ny fanangonana ireo tahirin-kevitra ireo. Ankoatra izany, toa hita fa ambangovangony loatra ity fomba fiasa ity, raha jerena ny fifanakaikezan'ny fomba fanenjehana ireo mpanao trafikan-drongony sy mpiserasera.
Niharatsy ny toe-draharaha araka ny lalàna amin'ny famerana ny trafikan-drongony ao Belarosia, indrindra noho ny “sakay” rongony vaovao fantatra ara-barotra ho ravin-drongony saintetika. Mora kokoa ny mahita sakafo avy amin'ny fahandroana sakay ao amin'ny aterineto, ary nampalaza ny zava-mahadomelina ao Belarosia, Rosia, sy ny firenena hafa manodidina izany. Hatramin'ny Janoary 2014, nandrakotra ny 70%n'ny tsenan-drongony tsy ara-dalàna ao Belarosia ny sakay. Na dia tena misy aza ny olana, dia mihevitra ny manampahaizana fa hadisoana goavana ahafahan'ny manampahefana manaramaso ny fitondratenan'ireo mpiserasera rehetra amin'ny aterineto izany, na inona na inona fifandraisan'izy ireo amin'ny habaka mifandraika amin'ny rongony.
Ity didy hitsivolana ity no andiany farany indrindra amin'ireo andiana lalàna vaovao mametra ny zo antserasera, tsy azo isalasalana, fa miha-matanjaka hatrany ny sivana ao Belarosia satria miha-akaiky ny fifidianana filoham-pirenena.
Tamin'ny Desambra farany teo, nanatontosa fanitsiana ny lalàna mifehy ny media ny governemanta, izay toa mitaky fa ny habaka Belarosiana rehetra amin'ny aterineto dia azo heverina ho fikambanan'ny haino aman-jery. Mahatonga ny habaka amin'ny endriny rehetra ho fehezin'ny Minisiteran'ny Fifandraisana izany, izay manana fahefana hanakatona tsy mila mandalo fitsarana ireo habaka.
Tamin'ny faran'ny volana Febroary, namoaka didy hitsivolana mitaky amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto hanakatona izay aterineto ahafahana tsy mampiseho anarana toy ny Tor sy ny servisy VPN ny Minisiteran'ny Fifandraisana. Nilaza ny manampahefana fa atsofoka ao anatin'ny lisitra maintin'ny fanjakana efa misy ao Belarosia ihany koa ny tolotra rehetra mirona amin'ny tsy fametrahana anarana amin'ireo fitaovana ampiasaina hidirana amin'ny habaka
Fotoana fohy taorian'ny fandaniana ireo fanitsiana momba ny haino aman-jery, dia sehatra an-tserasera lehibe maromaro, anisan'izany ny tranokalam-baovao tsy miankina no voasakana tanatin'ny fotoana fohy. Niantso izany fanakatonana izany ho “fanazaran-tena alohan'ny fifidianana” ireo mpikatroka sy mpanao gazety ao an-toerana. Raha Izany no mitranga dia tsy hampisy zavatra miova any amin'ny farany ny famerana ny fidirana amin'ireo servisy manafina anaram-panondroana mpiserasera sy ny fitehirizana ny tantaran'ny fidirana aterineton'ny mpiserasera sy ny tahiry manokana.
Sokajy

Atombohy ny resaka

Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 40 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...