Fiarovana ny Fahalalaham-pitenenana Sy ny Fanafenana Anarana Amin'ny Aterineto Ao Ekoatera

Organizaciones que del Ecuador, Internacionales y de distintos países que se adhirieron al Manifiesto.

Ireo nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera.

Manoloana ny fanamelohan'ny governemanta ny fanafenana anarana sy ny fanarabiana amin'ny aterineto, maro ny fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera.

Anisan'ireo fikambanana ao an-toerana nanao sonia ny Usuarios Digitales sy ny Fundamedios, anisan'ireo fikambanana iraisampirenena sy vondrona vahiny nanatevin-daharana ny fanambarana kosa ny AccessElectronic Frontier FoundationDerechos Digitales (Shily), Oficina Antivigilancia (Brezila), Fundación Karisma (Kolombia), TEDIC (Paragoay), Acceso Libre (Venezoela), ContingenteMx (Meksika), ary ny Enjambre Digital (Meksika).

Manipika ny fanambarana iombonana fa tsy heloka bevava ny fanafenana anarana ao amin'ny aterineto:

  • Reprobamos cualquier acto de violencia como consecuencia del ejercicio de la libertad de expresión o de cualquier otro derecho.
  • El anonimato es parte esencial de la estructura descentralizada de Internet. Esta es una característica intrínseca de su arquitectura y diseño, y forma parte de la esencia de la comunicación en línea.
  • El anonimato es una herramienta fundamental para ejercer plenamente el derecho a la libre expresión, ya sea en Internet o fuera de ella.
  • La difusión de datos personales de quienes usan legalmente el anonimato constituye una amenaza a la integridad de las personas, promueve la censura y afecta el control legítimo que la sociedad debe realizar de la actividad pública.
  • Mientras no se cometan delitos tipificados, el anonimato debe ser garantizado por el Estado y todos sus entes, de acuerdo a la Ley.
  • Intimidar o direccionar a grupos para el ataque virtual o físico a personas, independientemente de su posición política, puede derivar en polarización y violencia en la sociedad.
  • Consideramos que los recursos públicos deben brindar las garantías suficientes para promover el libre ejercicio de nuestros derechos también en plataformas digitales.
  • Manameloka izay fihetsika mahery setra rehetra vokatry ny fampiasana ny fahalalaham-pitenenana na fampiasana zo hafa izahay.
  • Anisan'ny ampahany manan-danja amin'ny rafitra mahaleotenan'ny aterineto ny fanafenana anarana. Toetra anatiny amin'ny firafitra sy ny endriky [ny aterineto] izany ary anisan'ny fototry ny fifandraisana antserasera.
  • manana anjara toerana lehibe, indrindra amin'ny zo haneho hevitra an-kalalahana, anaty aterineto na ivelan'ny aterineto ny tsy fitononana anarana.
  • Ny fampielezana ny tsikalakalam-panondroana olona manokana ataon'ireo olona mampihatra amin'ny fomba ara-dalàna ny tsy fanononana anarana dia endrika fandrahonana ny fahafenoan'ilay olona, fampiroboroboana ny sivana ary mampisy fiantraikany amin'ny maha-ara-dalàna ny fanaraha-maso ataon'ny fiarahamonina amin'ny asam-panjakana.
  • Raha tsy misy ny heloka bevava natao, tokony avelan'ny Fanjakana halalaka ny fanafenana anarana araka ity lalàna ity.
  • Ny tsindritsindry na [fanenjehana] virtoaly na mivantana ataon'ny vondron'olona amin'ny tsirairay, tsy ijerena ny firehana ara-politikan'izy ireo dia mety hiafara amin'ny fisarasarahana sy ny herisetra eo anivon'ny fiarahamonina.
  • Heverinay fa tokony hiantoka bebe kokoa ny fampiroboroboana ny fampiasana malalaka ny zontsika eo amin'ny sehatra nomerika ihany koa ny fanjakana.

Amarino ato raha hamaky ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, fanafenana anarana ary ny Fiainana Manokana an-tserasera ao Ekoatera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.