Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2011
15 Oktobra 2011
Iran: “Manoatra Noho Ny Tantara Foronina” Izany Fikasana Hamono ny Ambasadaoro Saodiana Izany
Nahasarika ny takelaka voalohany amin'ny vohikala sy ny Gazety Manerantany ny Fiampangana ny Iraniana ho mikasa hamono ny Ambasadaoron'i Arabia Saodita any Etazonia. Nanambara ny fiampangana Iraniana roa nanakarama izay heveriny ho avy amin'ny andian-jiolahy meksikana hamono ny Ambasadaoro Saodiana Departemantam-panjakana Amerikana misahana ny Fitsarana. Mitsipaka izany fiampangana izany i...
10 Oktobra 2011
Moldavia: Saritaka diplomatika nandritra ny fetim-pirenena Rosiana
Nankalaza ny fetim-pirenena ny Federasiona Rosiana tamin'ny 12 Jona (Andron'ny Rosia). Tany Moldavia, nisy fifamaliana [ro] diplomatika ny andro nialoha ity fety ity izay nivadika ho fanalam-baraka diplaomatika ity. Nitatitra ny haino aman-jery fa nomen'ny Ambasadera Rosiana Valeri Kuzmin [ru] toerana [ro] nandritra ny lanonana ofisialy nokarakaraina tamin'ny 10 Jona, tao amin'ny Masoivoho...
09 Oktobra 2011
Yemen: Arahabaina i Tawakkol Karman
Fitantarana manokana mikasika ny Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra avoakanay ity. Nisesisesy ny fiarahabana avy eny rehetra eny hatramin'ny nanambarana ny anaran'ny olona nahazo ny Loka Nobel ny Fandriampahalemana amin'ity taona ity izay efa niandrasana hatry ny ela. Mpanao gazety Yemenita sady mpitolona i Tawakkol Karman, manampy ny Filoha...
08 Oktobra 2011
Yemen: Mankalaza an'i Tawakkol Karman
Tawakkol Karman, mpanao gazety tso-po sady mpitolona momba ny zon'olombelona, voalaza ao amin'ny Guardian ho "tsilo manembatsembana an'i [filoha Yemeni Ali Abdullah] Saleh", dia nahazo androany ny "loka nobel" fandriampahalemana voalohany avy any Yemen. Ohatra voalohany amin'ny herim-po sy herin-tsaina izy tany Yemen nanomboka tamin'ny taona 2007.
06 Oktobra 2011
Shina: Ny Sandan'ny Fitetezana Habakabaka
Kihondalana amin'ny hazakazaka hitety habakabaka indray ny fandefasan'i Shina tamin'ny herinandro lasa ny Tiangong-1 tobin-danitra azo onenana, iray amin'izay tokony atahoran'ny rehetra. Indrindra fa ny Aziatika mpiara-dia amin'i Etazonia, mazava? Iray amin'ireo tsy mitovy hevitra amin'izany filazana izany i Jiang Feng, tonia lehiben'i gazety miteny shinoa any Japana Taranaka-Shinoa-Vaovao Ampitan-dranomasina; ao...
05 Oktobra 2011
Tonizia: Bilaogera Palestiniana Nosakanana Tsy Hiditra Amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera
Ny akoralava manodidina ny Fihaonambe Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo, izay nisokatra omaly atao Tunis, dia niavaka manokana tamin'ny tsy fahatongavan'ireo bilaogera Palestiniana, izay nolavina tsy hahazo visa fidirana. Nanàmbatra hery ireo bilaogera mba hitaky fanazavàna.
Myanmar: Naaton'ny Filoha ny Fananganana Tohodrano
Nanaitra ny maro ny nataon'ny fitondran'i Myanmar tamin'ny baiko fampiatoana ny fananganana ilay tohodrano niteraka andihevitra ho valin'ny fanoherana sy ny fanangonan-tsonia nataon'ny tambanivohitra sy ny fiarahamonim-pirenena. Adikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices mydaydream ho antsika ny vaovao amin'ny teny Birmana sy ny domberina azo tamin'ny fampiatoana ny tetikasa
Brezila : Kabary Manantantaran'i Dilma Rousseff Tao Amin'ny ONU
Dilma Vana Rousseff, vehivavy voalohany lany ho filohan'i Brezila, no notendrena ihany koa ho vehivavy voalohany hanokatra ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny Firenena Mikambana ny 21 septambra 2011.Ankoatra ny maha-fotoana manan-tantara azy dia niavaka tamin'ny fahasahiana sy ny tsindro-paingotra ho an'ny firenena tandrefana tratry ny krizy, tamin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy...
04 Oktobra 2011
Maraoka: Tetikasa Zotran-dalamby TGV Vita Frantsay Miteraka Resabe
Ny Alakamisy 29 Septambra 2011, nitsidika an'i Maraoka ny Filoha Frantsay Sarkozy mba hanotrona ny fanombohana ny asa fanorenana zotram-piarandalamby TGV mampitohy ireo tanàna ao Tangier sy Casablanca. Mametra-panontaniana ireo bilaogera Maraokana mikasika izay antony ao ambadik'izao ary manontany raha tena ilain'ny fireneny tokoa ny tetikasa lafo vidy be toy...
03 Oktobra 2011
Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen
Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny "Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen" no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy,...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...