Naaton'ny governemanta ny fananganana tohodrano efa niteraka adihevitra saika aorina eo amin'ny reniranon'i Ayeyarwaddy any amin'ny faritra avaratr'i Myanmar. Nandefa taratasy tany amin'ny Antenimiera mampilaza ny fampiatoana ny fanemorana ny fananganana ny tohodrano ny Filoha Thein Sein noho ny tombontsoam-bahoaka.
Iray amin'ny foto-drafitr'asa aorin'i Shina any Myanmar ity tohodrano ity. Ny drafitra amin'izany dia ny hanondranana angovo azo avy ao ho any Shina.
Nilaza tamin'ny mpanao gazety moa ny Minisitry ny Angovon'aratra Zaw Min, iray volana lasa izay, fa tsy hampiato ny tetikasa na dia eo aza ny ahiahin'ny fikambanana maro. Saingy nahatonga ny fanajanonana ny fananganana ny tohodrano ny hetsika isan-karazany nataon'ny olona tahaka ny fanangonan-tsonia, atrikasa ary ny seminera isan-karazany nisesisesy tao anatin'ny herinandro vitsivitsy. Na dia ny gazety aza dia nampiako ny fijerin'olo-tsotra ka tafiditra amin'izany ireo olona malaza niangavy ny filoha hampitsahatra ny tetikasa.

Renirano Ayeyarwaddy, Myanmar. Saripika mpisera Flickr DamienHR ambany lisansa CC Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0).
Nilaza ny hafaliany ny mpiserasera birmana nanoloana ny fanapahan-kevitry ny fitondrana. HeinHlyan528 nilaza ny heviny tao amin'ny takelaka fandraisana tao amin'ny Eleven Media, fampitam-baovao malaza any Myanmar:
First of all, I’d like to say thank you to Mr. President who postponed the dam project. Everybody who is interested in Myanmar affairs would know how it would have been difficult to make such decision. I wholeheartedly thank Mr. President for making a courageous decision by fulfilling the public wish despite its impact on the long term energy needs of China which protected Myanmar in the Security Council of the UN; and the legal repercussion of voiding the contracts that have been signed already. It would be a historic act. I, as a Myanmar citizen, wish to know how our beloved China will response to this matter.
Mpilaza hevitra hafa, babymilo, nanoratra tahaka izao:
From postponing till demolishing, we still need to march together.
Nahaangona ny domberin'ny olona ny Eleven Media. Vehivavy iray 60 taona avy any Myitkyina nilaza ny hafaliany tamin'ny fampiatoana ny tetikasa
Did the government really postpone it? I’m so glad. It doesn’t need to be mentioned how I have been really worried about this project. Not only me but the whole town, the whole country. That [project] would destroy the nature. All would get in trouble. I’m so glad to hear this news.
Nandritra izany fotoana izany dia namoaka ity hevitra ity tao amin'ny takelaka Facebook-n'i Voice Weekly, gazety malaza iray hafa any Myanmar, i NayOoPeople.
Great!!!! This is a beginning of the successful trust building process between DASSK, Burmese citizens, ethnic groups, and the present government!!
Saintsy tsy ny olom-pirenena rehetra no mino fa mariky ny fiovana ao amin'ny firenena ny fampiatoana io tetikasa io. Mpilaza hevitra tsy nitonona anarana no nametraka izao hafatra izao tao amin'ny bolongana Irrawaddy News
They can now announce themselves as so called government of the people. But they didn’t mention if it will be stopped for good. They will make profit out of it. Even if they couldn’t, they will need to wait only five years. It cannot be said that it’s for public. It cannot be said that the situation has changed in Myanmar, too.
Nampitandrina ny amin'izay horakoraka tsy tafavoaka ny ala ihany koa i Tint Kyaw Naing
Does it mean that if it would not continue under the democracy government, it would be implemented under the army government in the future? If so, it has to be continued!
Nomarihan'ny The Irrawaddy News ny fankasitrahan'ilay olomangan'ny demokrasia, Aung San Suu Kyi, fanta-daza manerantany ity fanapahan-kevitry ny filoha ity nandritra ny fihaonana tamin'ny Minisitra Aung Kyi.